Fiombonan' Ny Fiangonana Kristiana Eto Madagasikara

Ny Fiombonan' ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (FFKM) dia fikambanana ekiomenika iraisan' ny fiangonana kristiana vitsivitsy eto Madagasikara, dia ny Eglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina (EKAR) sy ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM) sy ny Fiangonan' i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM) ary ny Eklesia Episkopaly Malagasy (EEM).

Ao Antananarivo ny foiben-toerany ary raha niisa 10 000 000 any ho any ny fitambaran' ny mpivavaka ao amin' ireo fiangonana ireo tany amin' ny taona 2004, dia 13 000 000 izy tamin' ny taona 2022.

Fiombonan' Ny Fiangonana Kristiana Eto Madagasikara
FJKM

Ny fiangonana kristiana mino an' i Jesoa ho Andriamanitra sy hany mpamonjy araka ny Soratra Masina (ny Baiboly) dia afaka mirotsaka amin' io fiombonana io . Azo itarafana ny ezaka sy ny olana momba ny ekiomenisma ny fiainan' ny FFKM. Tsy mionona amin' ny resaka fivavahana ihany ny FFKM fa mandray anjara amin' ny fanampiana ara-tsôsialy sy amin' ny fandaminana ny disadisa ara-pôlitika eto amin' ny Nosy. Manatanteraka ny maha mpaminany eto amin' ny firenena azy ny FFKM amin' ny alalan' ny rafitra misy ao aminy.

Amin' ny teny anglisy dia Council of Christian Churches in Madagascar fa amin' ny teny frantsay kosa dia Conseil chrétien des Eglises à Madagascar no iantsoana azy.

Tantara

Fahaterahany

Raha tamin' ny 1980 no nanambaràna amin' ny fomba manetriketrika ny fisian' ny FFKM, dia efa tamin' ny taona 1979 no tera nahaterahany.

Tamin' ny taona 1970 dia nitsangana ny fikambanana Filankavitra Ekiomenika momba ny Teôlôjia (FET) izay sehatra nahafafan' ny mpitondra fiangonana maro nifanakalo hevitra. Vokatr' izany dia maro ny zavatra tapaka: ny fampiraisana ny fanononana ny anaran' ny Mpamonjy ho Jesoa (fa tsy Jesosy na Jeso), ny fandikan-teny iraisana ny Vavaka nampianarin' ny Tompo, ny fandikana iraisana ny fanekem-pinoana ekiomenika (niseana, apôstôlika), ny famoahana ny boky fihirana Miara-mizotra, sy ny maro hafa.

Talohan' ny fahaterahan' ny FFKM dia niatrika olana ara-potokevitra ny fiangonana kristiana teto Madagasikara noho nisafidianan' ny fitondram-panjakana ny sôsialisma-marksisma tamin' ny taona 1975, izay firehana ara-pôlitika nanohitra ny kristianisma.

Fijoroany ara-panjakana

Teraka tamin' ny volana Nôvambra 1979 ny FFKM tamin' ny fivoriana nokarakarain' ny FET tao amin' ny FALDA Antanimena ao Antananarivo, izay nihaonan' ireo mpitondra fivavahana ao amin' ny fiangonana efatra mpikambana. Tamin' ny 20 Janoary 1980 vao nambara amin 'ny fomba ôfisialy ny fisian' ny FFKM.

Ny fiangonana mpikambana sy ny rafitra

Ny fiangonana mpikambana

Ny fiangonana kristiana mino an' i Jesoa ho Andriamanitra sy hany Mpamonjy araka ny Soratra Masina (ny Baiboly) dia afaka mirotsaka amin' io fiombonana io .

Ny Eklesia Episkopaly Malagasy

Ny Eklesia Episkopaly Malagasy dia anarana iantsoana ny Fiangonana anglikana eto Madagasikara. Ankehitriny dia Diosesy enina no mandrafitra ny EEM. Mizara ho diosesy enina ny EEM, izay mandrafitra ny Foiben' ny Eklesia Episkopaly Malagasy (FEEM). Miisa 150 000 any ho any ny Angikana eto Madagasikara.

Ny Eglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina

Ny Eglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina eto Madagasikara dia isan' ny fiangonana katôlika maneran-tany izay eo ambany fitarihana ara-panahin' ny Papa ao Rôma. Misy mpivavaka maherin' ny 4 600 000 eo ho eo io fiangonana io tamin' ny taona 2004, izany hoe iray ampahefatry ny mponin' ny Nosy. Misy arsidiôsezy dimy sy diôsezy iraika amby roapolo ny eto Madagasikara.

Ny Fiangonan' i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Ny Fiangonan' i Jesoa Kristy eto Madagasikara niforona vokatry ny fitambaran' ny fiangonana telo notarihin' ny London Missionary Society, ny Société des Missions Evangeliques de Paris ary ny Frends Foreign Missionary Association. Mitsinjara anatin' ny sinôdam-paritany miisa 37 sy sinôda iraisam-pirenena iray ny FJKM. Araka ny tatitry ny World Council of Churches tamin' ny taona 2016 kosa dia miisa 3 500 000 any ho any ny mpino ao aminy .

Ny Fiangonana Loterana Malagasy

Ny Fiangonana Loterana Malagasy nateraky ny fitambaran' ireo fikamba nana misionera loterana tamin' ny taona 1950 niasa teto Madagasikara. Niisa 3 000 000 any ho any ny mpino loterana eto Madagasikara tamin' ny taona 2020 araka ny ny Lutheran World Federation sy ny ny World Council of Churches . Misy synodam-paritany miisa 25 ny FLM ka ny iray any Eorôpa.

Ny rafitra

Faritany sy firaisana

Mizara faritany 29 ny FFKM ary ny faritany tsirairay dia mizara ho firaisana maromaro.

Komity foibe

Manana ny Komity foibe, izay fahefana fara tampony, ny FFKM. Misy mpikambana miisa 28 io komity io ka fito isam-piangona ny solontena amin' izany, miampy mpikambana iray isaky ny faritany FFKM (izay niisa 29, nitombo 35 taty aoriana). Mivory isan-taona ny komity.

Ny FFKM dia tarihin' ny filoha sy sekretera jeneraly. Ifandimbiasan' ireo fiangonana efatra mpikambana ny toran' ny filoha isaky ny efa-taona.

Birao foibe

Manana Birao foibe koa, izay ahitana mpikambana miisa valo, ny FFKM, ka solontena roa (mpitondra fiangonana iray sy laîka iray) isam-piangonana izany, miampy tonia iray.

Zaikabe

Manao zaikabe isaky ny dimy taona ny FFKM handinihany lafin-javatra maro momba ny ekiomenisma sy ny fiainam-pirenena.

Sampan' asa

Manana sampan' asa maro ny FFKM izay misahana ny raharaham-pirenena, ny fanabeazana, ny tanora sy ny maro hafa koa.

Ireo zavatra efa atao momba ny fiombonana

Fiaraha-mivavaka

Miara-mivavaka amin' ny fotoana sasantsasany ny fiangonana ao amin' ny FFKM. Endrika isehoan' ny fiombonana koa ny tsy famerenana manao batisa na batemy ny mpino mifindra finoana avy amin' ny fiangonana iray mankamin' ny fiangonana iray hafa samy ao amin' ny FFKM. Iraisana ny fiekem-pinoana ekiomenika (Fanekem-pinoana apôstôlika, Fanekem-pinoana nikeana, Fanakem-pinoan' i Atanazy), ny vavaka nampianarin' ny Tompo, ny hira sasany izay efa nahavitany boky (Miara-mizotra).

Fanana Baiboly iombonana

Efa nisy koa fandikan-teny ny Baiboly niraisan' ireo fiangonana mpikambana ireo, dia ny Baiboly Dikan-teny Iombonana Eto Madagasikara (DIEM) izay ezahana vakina amin' ny fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana.

Fananana ivontoerana momba ny ekiomenisma

Manana toeram-piofanana momba ny ekiomenisma ny FFKM, dia ny Ivontoeram-Pampianarana Ambony momba ny Ekiomenisma (IPAE). Efa tamin' ny taona 2015 no nanorenana izany ivontoerana izany izay natao ho tsangambaton' ny faha-35 taonan' ny FFKM. Tamin' ny 01 Jolay 2019 no nivoaka ny andia-mpianatra voalohany nahazo ny maripahaizana licence miisa 23 izay nisalotra ny anarana hoe "Miombona", ka tao amin' ny Sekoly seminera katôlika ao Faliarivo Ambanidia ao Antananarivo no namoahana azy ireo.

Ny zavatra mbola tsy mamparisika

Ny olan' ny ekiomenisma eran-tany dia miseho ihany koa eto Madagasikara eo anivon' ny FFKM noho ny fiangonana miombona ao samy vokatry ny fielezan' ny fiangonana samihafa avy any ivelany sy samy nitondra ny fampianarany.

Tsy afaka mampiravina ny fahasamihafana ara-teôlôjia

Tsy mbola voakasiky ny ekiomenisma amin' ny fomba lalina ny lafiny ara-teôlôjia, indrindra ny mahakasina ny tenim-pinoana sy ny foto-pampianarana, sns izay ahitana fahasamihafana sarotra aravina. Ny FLM sy ny FJKM, izay samy prôtestanta, no afaka mampifanakaiky ny teôlôjiany, noho ny fampianaram-pinoany tsy mifanalavitra firy vokatry ny maha samy fiangonana nateraky ny refôrmasiona azy ireo.

Tsy miara-mandray eokaristia

Tsy mboka miara-mandray eokaristia na fanasan' ny Tompo, izay marika hita maso ankoatry ny batisa na batemy sady sakramenta roa tokony hiraisan' ny fiangonana kristiana, ny Kristiana ao amin' ny FFKM. Tsy mbola mifampiditra alitara (na ôtely) ny mpitondra fiangonana na dia efa afaka mifampindrana polipitra aza.

Izao, ohatra, ny fanazavana nataon' ny pretran' ny Diôsezy Fianarantsoa, Ratongavao Charles Raymond, ao amin' ny boky nosoratany momba ny ekiomenisma (Abidi-n' ny Ekiomenisma): "Niteraka resa-be teto amin' ny firenena ity lafin-javatra iray ity. Maro tokoa ireo kristianina avy amin' ny Fiangonana hafa, rehefa manatrika vavaka na fankalazana ny eôkaristia aty amin' ny katolika, no maniry ny mba hanatona ny latabatry ny eôkaristia amin' ny fotoanan' ny komonio. Sakramenta maneho ny fiombonam-pinoana ny eôkaristia, ka raha tany mbola tsy tomombana izany noho ny antony maro, dia mbola voarara ny fahafahana mandray ny eôkaristia - ny fanasan' ny Tompo (protestanta) na ny komoniôna masina (anglikanina) - any amin' ny hafa."

Tsy marisika hamaky ny Baiboly DIEM

Na dia efa misy aza ilay Baiboly DIEM dia maro ny mpitondra fivavahana mampiasa ny Baibolin' ny fiangonany amin' ny fotoana anaovana fivavahana iraisam-pinoana.

Fandrosoana vaha olona ara-tsôsialy sy ara-pôlitika

Sôsialy

Mandray anjara amin' ny fanampiana ara-tsôsialy amin' ny alalan' ny rafitra misy ao aminy, sy amin' ny fanairana ny fitondram-pajakana momba ny fiainam-bahoaka ny FFKM.

Pôlitika

Fiombonana hiatrehana ny kôminisma izay nivoy ny tsy fitiavana fivavahana no isan' ny nijoroan' ny FFKM. Lefy hery anefa ny kôminisma nanomboka tamin' ny faharavan' ny vondrom-pirenena mpandala io firehana io tamin' ny fiandohan' ny taompolo 1990. Noho izany dia nifantoka bebe kokoa amin' ny fijerena ny raharaha anatiny eto amin' ny firenena ilay fiombonana.

Mandray anjara amin' ny fandaminana ny disadisa ara-pôlitika sy mandroso fehin-kevitra momba ny raharaha pôlitika sy ny fitantanana ny firenena ny FFKM amin' ny maha mpaminany eto amin' ny firenena azy. Matetika ahazoany fankasitrahana na fanakianana izany.

Boky sy loharano hafa azo anovozan-kevitra

  • Ratongavao Charles Raymond, Abidi-n'ny Ekiomenisma, Edition Ivonea Fianarantsoa, Imprimerie Sait-Paul Fianarantsoa, 2017, 64 p.
  • Raminosoa Marcel (Mpandrindra), Inona moa ny FFPM ?, Antananarivo, 2003, 44 p.
  • Razafintsalama A., Tari-dalana ho an'ny Katôlika momba ny ekiomenisma, Imprimerie Saint Paul Fianarantsoa, 1990.
  • Sophie Blanchy, Jean-Aimé Rakotoarisoa, Philippe Beaujar, Chantal Radimilahy (dir.), Les dieux au service du peuple, Paris, Éditions Karthala, coll. « Religions contemporaines », 2006, 536 p.

Jereo koa

Loharano

Tags:

Fiombonan' Ny Fiangonana Kristiana Eto Madagasikara TantaraFiombonan' Ny Fiangonana Kristiana Eto Madagasikara Ny fiangonana mpikambana sy ny rafitraFiombonan' Ny Fiangonana Kristiana Eto Madagasikara Ireo zavatra efa atao momba ny fiombonanaFiombonan' Ny Fiangonana Kristiana Eto Madagasikara Ny zavatra mbola tsy mamparisikaFiombonan' Ny Fiangonana Kristiana Eto Madagasikara Fandrosoana vaha olona ara-tsôsialy sy ara-pôlitikaFiombonan' Ny Fiangonana Kristiana Eto Madagasikara Boky sy loharano hafa azo anovozan-kevitraFiombonan' Ny Fiangonana Kristiana Eto Madagasikara Jereo koaFiombonan' Ny Fiangonana Kristiana Eto Madagasikara LoharanoFiombonan' Ny Fiangonana Kristiana Eto MadagasikaraAntananarivoEglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina (Madagasikara)EkiomenismaEklesia Episkopaly MalagasyFiangonan'i Jesoa Kristy eto MadagasikaraFiangonana Loterana MalagasyKristianisma eto MadagasikaraMadagasikara

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

FanandroanaFamadihanaAfrikaHaikyuApôkalipsin' i PeteraFitsarana faranyShiqiSihanakaKantoMôlekiolaWuhanFiteny sakalavaLahatra (finoana malagasy)AntalaotraImanoelaVaryKabary famangianaRakibolanaAngatra (aretina)Zon' olombelonaFiteny jeôrjianaAkohoHovaFihavananaSilamoAndriamasinavalonaHasina (zavamaniry)Endrika araka anjara asaBootjack, KaliforniaFaritra DianaRanoBritaina LehibeAntsirabeFianarantsoaArintany mahazatraFisoronana sy fanalana vintanaAljeriaAntankaranaNew YorkApôstôly roa ambin' ny foloMarshall LeffertsFampakaram-badyFiangonana Loterana MalagasyMenakaReniranoVazimbaPlotoFacebookFanagasianaFrantsaKristianismaFanekem-pinoanaKinshasaRova ManjakamiadanaAntandroyFiteny malagasyBayer 04 LeverkusenJosip SkoblarISO 4217Apôkalipsin' i JoanyEvanjelin' ny Roa ambin' ny foloOmbyFizaràn-taonaBaiboly katôlikaAbidy Ara-drafipeo Iraisam-pirenenaFanalan-jazaBokin' i HenôkaTodyVadin' i Mohamady🡆 More