Ny Evanjelin' ny Fahazazana araka an' i Tômasy dia soratra apôkrifan' ireo Kristiana voalohany.
Tany amin' ny taonjato faha-3 no mety nanombohana nanoratra azy sady nampiasa loharano tranainy indrindra. Hita taratra ao ny hevitra avy amin' ny Gnôstika sy ny hevitra hafa koa avy amin' ireo Ebiônita. I Ireneo avy any Logdanoma dia miresaka ny amin' ny Evanjelin' i Tômasy iray izay sokajiany ho soratra gnôstika, ka mety ho ny Evanjelin' i Tomasy izay nahitana ny lahatsoratra manontolo tany Nag Hammadi tao Ejipta tamin' ny taona 1945. Io boky io dia fanangonan-dresak' i Jesoa izay voasoratra tamin' ny vanim-potoana mitovy amin' ny nanoratana ireo Evanjely kanônika sady tsy misy ifandraisany amin' ity fitantarana ny fahazazan' i Jesoa ity sady vosoratra aoriana lavitra.
Mitantara io boky io fa nampanidinin' i Jesoa ny vorona tanimanga ary nataony jamba izay olona tsy nankasitrahany. Mitantara ny fitaizana an' i Jesoa sy ny fianarany mamaky teny koa io evanjely io. Tantarainy ny fampiasan' i Jesoa ny herin' Andriamanitra ao aminy izay nampiasainy kokoa amin' ny fanasitranana fa tsy amin' ny famonoana (ao amin' ny lahatsoratra tokoa dia namono zaza roa i Jesoa vokatry ny hatezerany).
Fitantarana hita amin' ny lovantsofina mozilmana sy amin' ny fitantarana arabo momba ny fahazazan' i Jesoa/Isa. Ny perikôpa momba ny "vorona tanimanga" dia hita ao amin' ny sorata 3:49 sy 5:110 ao amin' ny Kor'any.
Ity boky apôkrifa ity dia tsy tokony hafangaro amin' ny Filazantsaran' i Tômasy, na amin' ny Bokin' i Tômasy na amin' ny Asan' i Tômasy.
Ireo evanjelin' ny fahazazana
Boky amin' ny anaran' i Tômasy:
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Evanjelin' ny Fahazazana araka an' i Tômasy, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.