Filazantsaran' I Maria

Ny Filazantsaran' i Maria na Evanjelin' i Maria dia soratra gnôstika izay angamba nosoratana tamin' ny taonjato faha-2.

Resaka ifanaovan' i Maria sy ireo Apôstôly no mibahan-toerana ao. Adihevitra ara-panahy iharan' ny firehana gnôstika no hita ao. Ao amin' io evanjely io dia mampita tsy an-kinafinafina ny fampianarany amin' ireo mpianany ny Mpamonjy, izany hoe i Jesoa na Jesosy, avy eo tamin' ny fomba miafina tamin' i Maria Magdalena mandritra ny fahitana anaty. Nanaitra mafy an' i Petera na Piera izany satria tsy nino izy fa hampita fampianarana miafina amina vehivavy ny Mpamonjy.

Filazantsaran' I Maria
I Maria Magdalena - nataon'i Caravaggio - taona 1594-1596

I Maria izay lazaina ao amin' io soratra io dia heverin' ny mpandinika maro fa i Maria Magdalena na dia tsy misy porofo mazava aza izany. Voasokajy ao amin' ny evanjely apôkrifa ny Evanjelin' i Maria. Tamin' ny taona 1896 no nahitana ity filazantsara ity tany Ejipta nandritra ny nahitana ny tahirin-tsoratra amin' ny fitenim-paritra kôpta, dia ny fiteny kôpta sahidika.

Lohahevitra

Ny feteza-maty sy ny fiakaran' i Jesoa tany an-danitra ary ny amin' ny fanahin' olombelona araka ny fiheverana gnôstika no lohahevi-dehiben' ilay lahatsoratra. Hita ao amin' io soratra io i Maria Magdalena izay mitarika ny Apôstôly. Maneho ny tsy fitovian-kevitra nisy teo amin' ny fiandohan' ny fivavahana kristiana ity evanjely ity, dia ny fiheverana fa tsy mendrika ny hahazo fanambaràna manokana ny vehivavy. I Sôfia, izay mpandray anjara ao amin' ny tantara sy fampianarana gnôstika, dia mandray anjara koa ao amin' io filazantsara io.

Ny votoatiny

Amin' ny fiandohan' ny fitantarana dia miresaka amin' ny mpianany ny Mpamonjy (i Jesoa na Jesosy izany) ka mamaly ny fanontanian' izy ireo ny amin' ny fomban' ny raha [matiera] sy ny fomban' ny fahotana. Any amin' ny faran' ny resaka dia lasa nandeha ny Mpamonjy ka nandao ny mpianatra izay sahiran-tsaina sady nanahy. Araka ny fitantarana dia niteny tamin' ny teny feno fankaherezana sy famporisihana i Maria. Avy eo nangataka azy i Petera mba hizara amin' izy ireo ny fampianarana manokana azony tamin' ny Mpamonjy:

  • « Hoy i Petera tamin' i Maria: "Ranabavy, fantatray fa tia anao mihoatra ny vehivavy hafa rehetra ny Mpamonjy. Ambarao aminay ny tenin' ny Mpamonjy tadidinao, izay fantatrao (nefa) tsy fantatray na henonay" ». Namaly ny fangatahan' i Petera i Maria ka nitantara ny resaka nifanaovany tamin' ny Mpamonjy ny amin' ny fahitany.
  • Hoy (i Maria): «Hitako tao amin' ny fahitana ny Tompo ka hoy aho taminy: "Tompo, hitako tamin' ny fahitana ianao androany." Namaly ahy izy ka nanao hoe: "Sambatra ianao izay tsy nisalasala tamin' ny fahitana ahy. Satria izay itoeran' ny eritreritra [ny fanahy] dia ao koa no misy ny harena." Hoy aho taminy: "Koa ankehitriny, Tompo, ny olona izay mahita fahitana ve mahita izany fanahy [aina] amin' ny alalan' ny fanahy? »

Tamin' izany resadresaka izany dia nampianatra ny Mpamonjy fa ny "izaho anaty" dia fitambaran' ny fanahy [aina] sy ny fanahy/eritreritra ary eritreritra fahatelo eo anelanelan' ireo roa ireo izay mahita ny fahitana.

Avy eo dia tapaka ny lahatsoratra ary banga ny takila efatra manaraka. Amin' ny tohin' ny fitantarana dia tsy nahatadidy intsony ny resaka nifanaovany amin' ny Mpamonjy i Maria. Fa ny nataony dia nitantara ny fanambaràna azony tao amin' ny fahitany. Maneho ny fiakaran' ny fanahy izay mifampiresaka amin' ny hery efatra [anjely] manao izay hisakanana azy, amin' ny fotoana hahazoany ny fialan-tsasatra farany, ilay fanambaràna.

Tsy ny rehetra no nankasitraka izany fahitana izany:

  • Namaly ireo rahalahy anefa i Andrea ka nanao hoe: "Lazao izay eritreritrareo amin' izay zavatra nolazainy. Satria tsy mino aho fa niteny izany taminy ny Mpamonjy. Satria azo antoka fa momba hevitra hafa izany fampianarana izany." (Maria 9:2)
  • Nanohitra azy [an' i Maria] koa i Petera ny amin' ireo zavatra ireo sady nanontany azy ny amin' ny Mpamonjy. "Niteny mangingina tamim-behivavy ve izy avy eo, fa tsy tamintsika, ary tsy ampahibemaso? Tokony hiverina ve isika ka hiara-hihaino azy [an' i Maria]? Izy ve no tiany noho isika?" (Maria 9:4)

Niaro an' i Maria Magdalena anefa i Levy ka nanameloka ny fanoheran' i Petera azy. Ao amin' ny lahatsoratra dia niseho ho tafintohina i Petera raha nahita fa nisafidy an' i Maria noho ny mpianany hafa i Jesoa mba hanazava ny fampianarany.

Jereo koa

Rohy ivelany

Loharano sy fanamarihana

Tags:

Filazantsaran' I Maria LohahevitraFilazantsaran' I Maria Ny votoatinyFilazantsaran' I Maria Jereo koaFilazantsaran' I Maria Rohy ivelanyFilazantsaran' I Maria Loharano sy fanamarihanaFilazantsaran' I MariaApôstôly roa ambin'ny foloGnôstisismaJesoaJesosyMaria MagdalenaPetera

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Radama IITebay (Ejipta)VolgataRôma TalohaNelson MandelaAdijadyOperaMozikaSamuel RatanyDokuWikiHosodokoKyivEglizy katôlika rômanina5 AprilyAdy Lehibe FaharoaZairaFiangonana Jesosy Mamonjy410Lloyd Kaufman9 MartsaEorôpa AtsimoInternet Explorer1927Bokin' ny SalamoVoronaFamoranaSokySolombavambahoakaMasoandroAngôvoAzôtaPelikanaAntandroyKôngô-BrazzavilleVolanaFanahy Masina (kristianisma)Bokin' i IsaiaFiteny frantsayRMosavy (finoana malagasy)OtrikaretinaMatyPaoly (apôstôly)FrantsaKolontsaina malagasyHaisoratraOnjan-dranoAbkaziaFanekem-pinoana apôstôlika2007Ranavalona ISabelioISO 3166-1Mpisolo (fitsipiteny)Fisaraham-pahefanaMusianMetafizikaBlaogyRepoblika Demôkratika Malagasy1237Fiteny espaniôlaFandraisanaEpifaniaVikingy (vahoaka)10 AprilyTeôlôjiaSakramenta ao amin' ny fiangonana katôlikaAl-BiruniGambiaKor'anyJerosalema AndrefanaApôlinarismaRadama VoalohanyFanahy Masina🡆 More