Ny fifohazam-panahy na fifohazana kristiana na revivalisma dia hetsika ara-pivavahana izay mikendry ny fihavaozana ara-panahy sy ny hamohazana ny finoana matory sy tsy mitombo ary mandeha am-pahazarana.
Izany hetsika izany dia niseho eny antsefatsefaky ny tantaran' ny prôtestantisma ary niseho matetika sady matanjaka izy ireo ao Etazonia nanomboka tamin' ny taonjato faha-19. Manome lanja ny fitiavam-bavaky ny tsirairay izay fohazina hiala amin' ny finoana heverina fa lefy hery ireo hetsika ireo.
Ny fifohazam-panahy dia famerenana amin' ny laoniny ny fiangonana mba hanam-pifandraisana velona amin' Andriamanitra taorian' ny fotoana nampitontongana ny fitondran-tena. Ny fiovam-pon' ny olona maro amin' ny fotoana iray dia heverin' ireo mpitarika ny hetsika fa hisy vokany ara-pitondran-tena.
Araka ny fandinihana ataon' ny Kristiana dia avy amin' ny tantara ao amin' ny Baiboly ny hevitry ny hoe fifohazana na fifohazam-panahy. Izany dia momba ny fitontongan' ny firenena sy ny fanarenana azy teo amin' ny tantaran' ny Zanak' i Israely. Ohatra amin' izany ny tantaran' ny Fanjakan' i Israely sy ny Fanjakan' i Jodà izay manasongadina ny vanim-potoan' ny fitontonganan' ny firenena sy ny fifohazana tamin' ny fanapahan' ireo mpanjaka hendry sy ny an' ireo mpanjaka ratsy fanahy. I Jôsia (na Jôsiasa) no mpanjaka voalaza ao amin' ny Baiboly fa nanorina indray ny Tempoly sady namerina amin' ny laoniny ny fivavahana amin' i Iahveh tamin' ny nandravany ny fivavahan' ny Jentilisa (na mpanompo sampy).
Raha momba ny Fiangonana tamin' ny Andro Vaovao dia iadian' ny mpahay tantaram-piangonana hevitra sady ezahiny fantarina ny vokatry ny fifohazam-panahy tao Etazonia sy tamin' ny firenana hafa. Nandritra ny taonjato faha-18 sy faha-19 dia niatrika fifohazam-panahy maro dia maro ny vahoaka tao Etazonia nanodidina ny taona 1727, 1792, 1830, 1857 ary 1882. Anisan' ireo fifohazam-panahy niseho vao tsy ela tamin' ny taonjato faha-20 ny Fifohazam-panahy galoà tamin' ny taona 1904 sy 1905, ny Fifohazam-panahin' i Azusa Street tamin' ny taona 1906, ny Fifohazam-panahin' ny Balokole (ao Afrika) tamin' ireo taona 1930 izay natombok' i Simeon Nsibambi, ny Fifohazam-panahin' ny Vahoakan' i Jesoa (anglisy: Jesus people na Jesus movement) tao Etazonia tamin' ny taompolo 1970, ny Fifohazam-panahin' i Bario tamin' ny taona 1971 ary ny Fifohazam-panahy tao Silý tamin' ny taona 1909, izay niely any Amerika Atsimo, any Amerika Avaratra, any Afrika ary any Azia, teo amin' ny Prôtestanta sy ny Katôlika.
Tantaran' ny fifohazam-panahy maneran-tany
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Fifohazam-panahy, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.