Fifidianana Filoham-Pirenena Ao Madagasikara 2013

Ny fifidianana filoham-pirenena ao Madagasikara tamin' ny taona 2013 dia fifidianana ny filoha voalohan' ny Repoblika Fahefatra.

Noho ny tsy fanekena avy amin' ny Fianakaviambe iraisam-pirenena sy ny fanajanonana ny fanampiana ara-bola vokatr' izany dia nahemotra ho amin' ny 25 Ôktôbra ny fihodinana voalohany amin' ny fifidianana filoham-pirenena. Hatao amin' ny 25 Ôktôbra 2013 ny fihodinana voalohany amin' ny fifidianana ary amin' ny 20 Desambra 2013 ny fihodinana faharoa. Efa niova imbetsaka ny datin' ny fihodinana voalohany: Mey 2011, Septambra 2011, Mey 2012, Nôvambra 2012, Mey 2013, Jolay 2013 ary Aogositra 2013.

Saritany maneho ny safidim-bahoaka
Saritany maneho ny safidim-bahoaka isaky ny faritany. Manga mazava: faritra nifidy an' i Jean-Louis Robinson ; manga maizina: faritra nifidy an' i Hery Rajaonarimampianina

Fifidianana filoham-pirenena

Tamin' ny naha filoha an' i Andry Rajoelina tamin' ny Marsa 2009 dia nambara izany fa hatao afaka 24 volana ny fanaovana fitsapan-kevi-bahoaka handaniana ny lalàm-panorenana vaovao. Lasa filoham-pirenena nandritra ny tetezamita tokoa i Andry Rajoelina tamin' ny 18 Marsa 2009, rehefa nanao famindram-pahefana taminy ny Tafika izay nahazo izany fahefana izany avy amin' i Marc Ravalomanana. Amin' ny maha filoha avon' ny Tetezamita an-Rajoelina dia hitondra ny firenena izy hatramin' ny fifidianana ny filohan' ny Repoblika manaraka. Izy no filoham-pirenena tanora indrindra tamin' ny tantaran' i Madagasikara.

Fametrahana ny kandidatiora

Tamin' ny 8 Avrily hatramin' ny 28 Avrily ny daty fametrahana ny kandidatiora any amin' ny Commission Electoral Spéciale. Tamin' ny 8 Avrily 2013 dia nametraka ny kandidatiorany i Hajo Andrianainarivelo sy i Jean Lahiniriko ary i Roland Ratsiraka.

Tamin' ny 11 Avrily dia i Pierrot Rajaonarivelo sy i Jean-Louis Robinson (TIM) ary i Vahombey no mametraka kandidatiora.

Tamin' ny 15 sy 16 ary 19 Avrily 2013 dia i Saraha Georget Rabearisoa sy i Jean-Pierre Rakoto ary i Sylvain Rabetsaroana avy amin' ny PNJ-Mazava no mametraka kandidatiora.

Tamin' ny 21 sy 22 ary 23 Avrily dia nametraka ny kandidatiorany i Brigitte Rasamoelina (AMP) sy i Julien Razafimanazato (Eto Sehatry ny Daholo be), i Laza Razafiarison (Avotra ho an' ny Firenena), i Camille Vital (mahaleotena) ary i Monja Roindefo.

Tamin' ny 24 Avrily dia nametraka ny kandidatiorany i Joseph Marin Andriamampionona, izay heverina fa kandidà mahaleotena.

Tamin' ny 25 Avrily 2013 dia nametraka ny kandidatiorany i Lalao Ravalomanana (TIM), i Avoko Rakotoarijaona, i Ny Rado Rafalimanana ary i Roger Kolo

Tamin' ny 26 Avrily dia kandidatiora fito no tafapetraka: ny an' i Alain Tehindrazanarivelo (ENINA), ny an' i Patrick Rajaonary, ny an' i Fleury Rabarison Lezava (AREMA), ny an' i Marcel Fleury Rakotomalala, ny an' i Mickael Bréchard Dofo ary ny an' i Tabera Randriamanantsoa.

Tamin' ny 28 Avrily no nahitana fametrahana kandidatiora betsaka indrindra, izany hoe 18: William Noelson, James Francklin Rakotomahanina, Guy Ratrimoarivony, Malala Savaron, Richard Rakotofiringa Razafy, Ratsimbalson Faharo, Stephan Narison, Roseline Emma Rasolovoahangy, Fetison Rakoto Andrianirina, William Ratrema, Dolin Rasolosoa, Zefania Mbohoazy, Patrick Raharimanana, Hasina Rakotoaritsifa, Freddy Tianasoa, Andriamparany Radavidson, Ndakana Antony ary Edgard Razafindravahy.

Taorian' ny fanambaran' i Andry Rajoelina tamin' ny 15 Janoary 2013 mikasika ny tsy fametrahany kandidatiora amin' ny fifidianana hoavy, dia nilaza izy tamin' ny 3 Mey 2013 fa ho kandidà amin' ny fifidianana any aoriana.

Kandidatiora voaray

Namoaka ny lisitry ny kandidà mahazo milatsaka ho fidiana amin' ny fihodinana voalohany ny Commission Electorale Spéciale tamin' ny 13 Mey 2013. Natao ny safidy ankitsapaka mikasika ny laharam-pisehoan' ny kandidà eo amin' ny biletà tokana ary eo amin' ny tabilao ôfisialy.

Nandiso fanantenana an' i Frantsa ny fiovan-kevitr' i Rajoelina ary ny fanekena ny kandidatioran' i Didier Ratsiraka sy ny an' i Lalao Ravalomanana. Misy koa ireo kandidà tsy manaiky izay fanapahan-kevitra izany. Ny antony dia ny tsy fahamenoan' ireo kandidà roa ireo ny fepetra mikasika ny kandidatiora, sy ny fanekena ny kandidatioran' i Rajoelina izay efa tafahoatry ny daty. Tamin' ny 13 Jolay dia nambanan' ny SADC ny sazy ho azon' ny firenena malagasy raha tsy nesorina ireo kandidatiora telo ireo. Tamin' ny 17 Aogositra dia voaesotra miaraka amin' ny kandidatiora dimy hafa ireo kandidatiora ireo. 31 sisa ny kandidà afaka milatsaka hofidina.

Ho solon' ireo olona voaesotra ireo dia nanolotra an' i Hery Rajaonarimampianina ny kandidà Roger Kolo sy Jules-Étienne, izay manao an' i Rajaonarimampianina ho kandidà farany afaka milatsaka hofidiana.

Lisitru ny mpilatsaka hofidiana

Fampielezan-kevitra

Vola maherin' ny 100 tapitrisa ariary isan' andro no lanin' ireo kandidà amin' ny fanaovana fampielezan-kevitra. Telo andro aorian' ny fiantombohan' ny fampielezan-kevitra dia efa hita misongadina ireo kandida izay miezaka ny ho voafidy ho filoha ary ireo kandidà izay misehoseho fotsiny. Araka ny fampahalalana avy amin' ny sasany dia tonga hatrany amin' ny 15 na 20 tapitrisa dôlara na 44 miliara ariary any ho any ny teti-bolan' ireo kandidà tena mpandany vola, izay teti-bola lehibe mihoatra ny teti-bolan' ny ministera sasany. Azo inoana mafy fa hitady ny hamerina izany vola izany ilay kandidà ho lany ho filoha rehefa tonga eo amin' ny fahefana.

Amin' ny lafin' ny haino aman-jery dia eo amin' ny 70 tapitrisa ariary ny vidin' ny pack fampilezan-kevitra eo amin' ny fahitalavitra hoy Midi Madagasikara. Misy koa ireo radiô sy televiziona mandefa mivantana ny dia sy ny fampielezan-kevitry ny kandidà sasany.

Amin' ny lafin' ny fitaterana dia 70 tapitrisa ariary ny hofan' ny angidim-by (helikôptera). Hofaina ihany koa ny fiara karetsaka sy ny fiara fampiasa amin' ny fitateram-bahoaka, ary tonga hatrany amin' ny valo alina ariary isaky ny tapak' andro any ho any ny hofany. Noho ny fanodinana ny hofan' ny taksibe sy ny vola tsy azo vokatr' izany dia mandà miasa ireo mpitatitra raha tsy voaloa mialoha ny hofan' ny fiara. Araka ny lazain' ny mpikarakara fampielezan-kevitra dia manome T-shirt sy solon-tsakafo mahatratra hatrany amin' ny telo arivo ariary isan' andro sy isaky ny olona ny mpampiely hevitra. Iaraha-mahalala koa fa miaina amin' ny vola latsaky ny efatra arivo ariary isan' andro ny 60 % n' ny malagasy.

Eo anoloan' izany fandaniam-bola be izany dia maro ny mpijery izay manontany ny antony tsy nampiasan' ireo kandidà ireo ny volany hanampiana ny mponina mandritry ny fahasahiranana ara-toekarena.

Valin' ny fifidianana

Fihodinana voalohany

Ireo ny kandidà nisongadina tamin' ny fihodinana voalohany:

Fiaviana Archived Novambra 9, 2013 at the Wayback Machine

Araka ny valin-tenin' ny CENIT dia lohalaharana amin' ny fihodinana voalohany i Jean-Louis Robinson. Na dia izany aza, milaza ireo mpanohana ny "revôlisiôna" fa raha atambatambatra ny isa manontolon' ny vaton' ireo kandidà revôlisiônera (E. Razafindravahy, C. Vital, H. Rajaonarimampianina, R. Ratsiraka, H. Andrianainarivelo) dia 55 % amin' ny vaton' ny vahoaka no azony. Ny kandidà Hery Rajaonarimampianina no notohanan' ny filohan' ny Tetezamita Andry Rajoelina amin' ny fomba tsy ôfisialy, ary nilaza ny filohan' ny Tetezamita fa i H. Rajaonarimampianina no ho tohanan' ny antoko TGV amin' ny fihodinana faharoa.

Fihodinana faharoa

Niaraka tamin' ny fifidianana solombavambahoaka ny fifidianana filoham-pirenena. Eran' i Madagasikara dia niorina ireo komity mpanohana ny kandidàn' ny fihodinana faharoa. Araka ny nolazain' i Andry Rajoelina dia eo amin' ny 55 % eo ho eo ny isam-bato manontolon' ireo kandidà manohana ny Tolona Laoranjy izay nanongana ny governemantan' i Marc Ravalomanana tamin' ny volana Marsa 2009.

Nandritra ny famakiana ny vaton' ny fihodinana faharoa dia eo amin' ny 50 % eo ho eo ny tahan' ny fandraisana anjara. Mitarika ny kandidà Hery Rajaonarimampianina mandritry ny famakiana.

Mikasika ny fitarihan' ny kandidà isaky ny faritra :

Noho ny fatahorana ny fisiana hala-bato dia nangataka famakiana vaovao indray ny antoko AVANA sy ireo mpanohana ny filoha teo aloha ary efa 300 no isan' ireo fitarainana napetraka tamin' ny vaomieram-pifidianana.

Tsiahy

Fifidianana Filoham-Pirenena Ao Madagasikara 2013 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Tags:

Fifidianana Filoham-Pirenena Ao Madagasikara 2013 Fifidianana filoham-pirenenaFifidianana Filoham-Pirenena Ao Madagasikara 2013 Lisitru ny mpilatsaka hofidianaFifidianana Filoham-Pirenena Ao Madagasikara 2013 Fampielezan-kevitraFifidianana Filoham-Pirenena Ao Madagasikara 2013 Valin ny fifidiananaFifidianana Filoham-Pirenena Ao Madagasikara 2013 TsiahyFifidianana Filoham-Pirenena Ao Madagasikara 2013Fiarahamonina iraisam-pirenenaRepoblika fahaefatra (Madagasikara)

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Fiakaran' i Kristy any an-danitraBokin' i MikàFiteny mapucheyFiteny ôdiàSpringbôkaRauzanAtenaSonismaKabary am-panambadianaAnjara asa (fitsipiteny)Christian HuygensKolontsaina malagasyBokin'i JosoaMediaWiki1810Mary I an'i AngleteraFiteny okrainianaTanalaGeorges AndriamanantenaTim HooglandSihanakaFisoronana sy fanalana vintanaFiteny kmeraFifohazana ManolotronyBaolina kitraFilipo (diakôna)Rainay any an-danitraFady (malagasy)HaisoratraRanavalona IINy valanaretin'ny coronavirus eto MadagasikaraFizikaJean NarivonyBoulogne-sur-MerAlexis HalletteTômasy avy any AkoinoMpaminanyAbraham LincolnNy Avana RamanantoaninaMurmuriNikeaFanahin' ny vatanaEkoadôraTselatraBorujenAfganistànaJinyRepoblika DôminikanaKilalaoAdy Lehibe VoalohanyEric ClaptonFiteny talisyParisyTigreana (vahoaka)RavinalaTigre (vahoaka)Abisiniana (vahoaka)Andriamanitra (tokana)VikingyDemacio CastellonB. R. AmbedkarFamoahana fanahy ratsyFaritra Matsiatra AmbonyLalana (sikidy)Fiteny espaniôlaJavier Mascherano1957Anjeva GaraVietnamyGestapoElliot Shevel🡆 More