Fiangonana Katôlika Tatsinanana

Ny Fiangonana katôlika tatsinanana dia fitambaran' ireo fiangonana any Atsinanana izay miombona amin' ny Papa ao Rôma sy manaiky ny fahamboniany, nefa izy ireo manao ny fombam-pivavahana tatsinanana (kôpta, siriaka tandrefana, marônita, siriaka tatsinanana, bizantina, armeniana ary gezy).

Atao hoe "Fiangonana mizaka tena" na "Fiangonana manana ny lalànany manokana" (latina: sui iuris) izy ireo ao amin' ny voambolana katôlika, nefa heverina fa Fiangonana katôlika feno sahala amin' ny Fiangonana latina. Na dia samy tatsinanana aza dia tsy Fiangonana ôrtôdôksa izy ireo. Atao hoe "Fiangonana oniata" na "Fiangonana grika katôlika" na "Fiangonana katôlika manaraka fomba bizantina" koa izy ireo. Raha ny lafiny fombafombam-pivavahana dia tsy mifanalavitra firy amin' ny fomban' ny Kristianisma ôrtôdôksa ny Fiangonana katôlika tatsinanana ka izy manaiky ny fahambonian' ny Papa ihany no tsy maha Ôrtôdoksa azy ireo.

Isan' ny Fiangonana katôlika tatsinanana ny Fiangonana katôlika marônita, kôpta, armeniana, indiana, grika, eritreana ary etiôpiana. Tsy any Atsinana sy ao Eorôpa Atsinanana ihany no ahitana azy ireo fa nanaraka ireo am-pielezana ka misy any Amerika sy Ôseania ary Eorôpa Andrefana koa.

Jereo koa

Tags:

Fiangonana latinaFiangonana ortodoksa tatsinananaKristianisma ortodoksaPapaRômaTontolo Atsinanana

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

GliosidaMiguel de IcazaAsombolaEkiomenismaSektaFiarahamoninaFiangonana Loterana Malagasy(194602) 2001 XR129Fanekem-pinoana apôstôlika1320Wikipedia26 AprilyJodaismaOrville, Pas-de-CalaisAdijadyMozilla FirefoxLufthansaFiteny jeôrjianaFiteny kiorda10 OktobraMpandrindra milinaFoko eto MadagasikaraGeorges AndriamanantenaJitànaGogoFitsaboana nentim-paharazanaRanavalona IIListe des indicatifs téléphoniques internationaux par paysMariusz ŚrutwaSorona masinaElsie EavesBoky fahefatr' i EsdrasaPreux-au-SartZaburRasendrasoaÎle-de-FranceMichael FinckeAndy MurrayWilliam KamkwambaDidy FoloKapveraLehilaly NeanderthalRazakatsitakatrandrianaFanahy Masina (kristianisma)Kônsily Vatikàna IIRepoblika Fahefatra (Madagasikara)Wolfgang Amadeus MozartAngovo azo havaozinaAzerbaijànaFamoronana (araka ny Baiboly)Fiteny ordòFariseoFitiavanaAngatra (lolo)Bokin' ny MpitsaraPelikanaEduard ShevardnadzeKor'anyAlohotsyKrizy ara-pôlitika teto Madagasikara tamin' ny 2009Robin WilliamsLionaKolontsainaSakramentan' ny filaharanaFiteny hindỳRamadanyTetiandroTandrok' Osy (fanandroana)Filazantsara araka an' i Matio🡆 More