Fetin'ny Reny

Ny Fetin'ny Reny dia andro firavoravoana ankalazaina hanomezam-boninahitra sy fanehoam-pitiavana ny reny ao amin'ny firenena maro eto an-tany.

Amin'io fety io dia manolotra fanomezana ny reniny ny zanaka (na zaza na olon-dehibe) ka mety ho mofo mamy izany na voninkazo na zavatra hafa izay namboariny tany an-tsekoly na tao an-trano na novidina teny an-tsena. Miovaova araka ny firenena mankalaza azy ny datin'ny Fetin'ny Reny nefa ny volana Mey no nosafidin'ny firenana maro. Ao Belzika sy ao Kanada ary amin'ny firenena maro hafa koa dia ankalazaina amin'ny Alahady faharoan'ny volana Mey ny Fetin'ny Reny. Ao Frantsa sy ao Monako ary ao amin'ireo firenena afrikana maro miteny frantsay dia mankalaza io fety io amin'ny Alahady farany amin'ny volana Mey, afa-tsy raha mifanojo amin'ny Pentekosta izany Alahady izany izay mahatonga io fety io haroso amin'ny Alahady voalohany ao amin'io volana io. Ny ao Loksamborga dia ankalazaina amin'ny Alahady faharoan'ny volana Jona ny Fetin'ny Reny.

Fetin'ny Reny
Mofomamy ho an'ny Fetin'ny Reny

Tags:

Pentekosta

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

MaltaRazana (finoana malagasy)Michael JacksonÔseaniaAdy an-tranoAfrika AfovoanySkopjeMontevideoDidy FoloAmbatolaonaHelfautFanabeazana aizanaMpanoritraDmitri MedvedevKolontsaina malagasyAleksandriaToetanySaktismaVoayEtonaHaintenyHazokesika1804799Kailua, Honolulu County, HawaiiAppleZebraChristian Huygens426Mississipi (renirano)1800AmpondraDokuWikiHenanNjakatiana1 OktobraVoalobokaPech, AriègeDarryl StarbirdAndry RajoelinaCourrièresGaliôma1405Pontio PilatoFanagasianaTegucigalpaWuhanSaharanpurFamadihana(102816) 1999 VK179Gabe NewellAmbohimasinaIndôneziaEskatôlôjia silamoBetsileoAljeriaSaint-Remy-du-NordLahatra (finoana malagasy)FototenyAsabotsyKiantenyX-SAMPAFahaleovantenaWilliam III an'i AngleteraSarielaRenisoratraFlorenciaSolombavambahoakaSakramentan' ny fanambadianaBodo (mpihira)Firenena MikambanaSakalavaEglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina (Madagasikara)Omby🡆 More