Fisoronana Sy Fanalana Vintana

Ny fisoronana sy fanalana vintana, eo amin' ny fanandroana malagasy, dia karazana sorona sy fanalana faditra, ka atao hampitombenana sy hanamafisana ny vintana efa tsarana sy ny vintana mifanambina ny fisoronana vintana, ary atao hanesorana na hanalefahana ny herin' ny vintana ratsy na ny vintana mahery na ny vintana mifandratra kosa ny fanalana vintana; izany dia tanterahina amin' ny alalan' ny fitondrana zava-manana aina na tsy manana aina, na amin' ny alalan' ny tsy fanaovana na tsy fitondrana na tsy fametrahana ao an-trano na ao an-tanàna zavatra voatondro manokana, sns arakaraka ny vintana.

Ny ombiasa sy ny mpanandro no afaka mamaritra mazava ny zavatra ho entina na hatao na tsy hatao mba hisoronana na hanalana ny vintana. Mamaritra ny toetra sy ny hoavin' ny olona ateraka na ny zavatra tanterahina tandrify azy mantsy ny vintana nefa azo ovana izany, raha tsy mahafa-po na raha atahorana hitera-doza, amin' ny alalan' ny fanalana vintana. Marihina fa indraindray dia tsy miavaka tanteraka ny fisoronana sy ny fanalana vintana.

Ireo vintana tokony hisoronana sy tokony halana

Ireo vintana tokony halana

Ny vintana ratsy sy ny vintana mahery ary ny vintana mifandratra dia tokony hanaovana fanalàm-bintana. Noho izany dia voakasiky ny fanalana vintana ny tonon' andro sy ny vintana rehetra, nefa tsy ny tonon' andro rehetra ao amin' ny volana mitondra ny anaram-bintana malaza ho ratsy na mahery no ratsy na mahery.

Misy tsara sy ratsy ny vintana na ny tonon' andro. Arakaraka ny zavatra kasaina hatao no mety hahatsara na haharatsy ny tonon' andro iray, na dia mety ho tsara na ratsy amin' ny ankapobeny aza. Ohatra, ny vintana Alakaosy dia vintana malaza ho ratsy, nefa andro tsara anandratana ody ny tsinam-bolan' ny volana Alakaosy (vava Alakaosy) izay atao hoe Alakaosibe. Na dia vintana ratsy amin' ny ankapobeny aza ny Alahasaty dia heverina fa tonon' andro tsara ny vody Alahasaty satria ny zaza teraka amin' io dia inoana ho tratra antitra ary tonon' andro tsara ho fisantaran-javatra sy fampakaram-bady koa ny amin' io.

Misy ny vintana mahery sy ny vintana maivana. Ny renivintana rehetra dia inoana fa vintana mahery. Misy koa anefa zanabintana inoana fa mahery. Malaza ho vintana mahery indrindra ny Alahamady (renivintana) sy ny Alakaosy (nefa zanabintana). Vintana mahery ihany koa ny Adizaoza (zanabintana) sy ny Asorotany (renivintana) sy ny Adimizana (renivintana) ary ny Adijady (renivintana). Ny Alohotsy anefa dia inoana ho vintana maivana. Tsy tsara hoazy anefa ny vintana maivana.

Ny vintana iray eo amin' ny zoron-trano na lafin-trano iray sy ny vintana iray hafa izay eo amin' ny zoron-trano na lafin-trano mifanatrika amin' io (manome zoro 180°) dia lazaina hoe "mifandratra" na "mifanoto" na "mifaniho" . Ny Alahamady mifandratra amin' ny Adimizana, ny Adaoro mifandratra amin' ny Alakarabo, ny Adizaoza mifandratra amin' ny Alakaosy, ny Asorotany mifandratra amin' ny Adijady, ny Alahasaty mifandratra amin' ny Adalo, ary ny Asombola mifandratra amin' ny Alohotsy.

Ireo vintana tokony hisoronana

Ny vintana tsara dia mahatonga ny olona ho tojo fahasoavana matetika eo amin' ny fiainany ka tsindraindray ihany no mba sendra zava-dratsy. Tsy misy anefa vintana tsara tanteraka ka izay no mahatonga azy ireo isoronana mba hahatanteraka ny hatsarany.

Ny vintana mifanambina dia ireo vintana tsy mifandratra fa mifameno.

Fisoronana sy fanalana vintana

Alahamady

Ny Alahamady no volana sy vintana voalohany amin' ny fanandroana malagasy. Mifandratra amin' ny Adimizana ny Alahamady.

Ny Alahamady no vintana mahery indrindra. Andro mahery ny vava Alahamady ka ny zaza teraka amin' io dia alam-bintana fandrao misavika ny andriana, ka raha ankohonan' ny Andriana dia tsy avela hiara-mitoetra aminy. Ny olona teraka vonto Alahamady dia ampitehirizina amponga telon-jehy sy ampiompina gisa fotsy mivady mba ho tratra antitra. Ny songosongo, izay tokony ho fadina koa, no fanalana faditra ny Alahamady.

Inoana ho vintan' andriana sady vintana maha mpanjaka ny Alahamady. Tonon'andro tsara ny vody Alahamady ka ny olona teraka amin' io dia ho tonga lehibe sy hanan-karena ary ho tratra antitra. Ny tsinana' Alahamady (Akahamadibe) koa no ataon' ny Ntaolo malagasy ho firavoravoana.

Adaoro

Ny Adaoro no vintana sy volana faharoa. Mifandratra amin' ny Alakarabo ny Adaoro.

Tsy azo arao ny manotina trano eo noho izy andron' afo sady adrom-baratra. Ny olona teraka vava Adaoro dia atahorana amin' ny afo ka tsy maintsy alam-bintana amin' ny alalan' ny fitondran-dreniny azy mandositra avy anaty trano ahitra kely nodorana. Tokony miravaka vakana tsileondoza ny olona teraka amin' ny volana na tonon' andro Adaoro. Fadina ny mandrava ny akanim-borona.

Andro ambin-karena ny Adaoro ka eo no tsara ivoahana raha hila harena.

Adizaoza

Vintana sy volana fahatelo ny Adizaoza. Mifandratra ny Alakaosy sy ny Adizaoza.

Amin' ny ankapobeny dia vintana mahery ny Adizaoza. Tonon' andro mahery ny vava Adizaoza ka ny olona teraka aminy dia miozanozana sy sahozanina raha tsy alam-bintana, ka ho lasa mahantra rehefa lehibe. Ny vody Adizaoza dia malefaka kokoa ka ny vehivavy teraka amin' izany dia ho maro anaka nefa malahelon-karena, fa ny lehilahy kosa tsy hambinina amin' ny fihariana. Ny valala tsimbolavola no fanalana faditra sady fadina ny misambotra azy.

Fotoana tsara ampakaram-bady ny Adizaoza. Ny vakana tongarivo no tokony iravahana.

Asorotany

Vintana sy volana fahefatra ny Asorotany. Mifandratra amin' ny Adijady ny Asorotany.

Mety ho kamboty mbola zaza izay olona ateraka eo. Andro mahery ny Asorotany. Atahorana no maty kely ny zaza teraka amin' ny vava Asorotany, fa raha tsy izany dia ho tratra antitra ihany izy, nefa amin' izany tsy tezain' ny ray aman-dreniny izy fa omena ho tezain' ny havana. Ny olona teraka vody Asorotany dia atahorana ho maty kely, ka raha tsy maty izy dia hanan-karena sy holava andro iainana.

Tolorana tany mbola kely ny zaza teraka Asorotany. Fadina ny mandry na mitsilany eny an-tanety. Rehefa mandeha dia atao izay hahatongavana aloha na aorian' ny malo-dohasaha.

Andro tsara anaovana famadihana sy anorenana fasana ny Asorotany.

Alahasaty

Ny Alahasaty no vintana sy volana malagasy fahadimy, andro mahery sy ratsy. Mifandratra amin' ny Adalo ny Alahasaty.

Lazaina ho vinta-mpamosavy sy andron' ody ny Alahasaty. Ny olona teraka vava Alahasaty dia mety ho mpamosavy na ho mpitana ody mahery raha teraka misasaka alina. Mety ho momba na ho vitsy anala izay olona ateraka eo. Mety ho basy vava na petsam-bava koa ny olona teraka eo. Tokony miambozona tsiambohitrinimanana izay olona ateraka eo ary alàm-paditra amin' ny zavatra miloko mainty. Tsy azo atao ny misaron-doha sy ny misikina lamba mainty.

Tononandro tsara anandratana ody sy sampy anefa ny vava Alahasaty ka tsy tsara anaovana zavatra hafa. Mety ho lasa olona ambony ny zaza teraka Alahasaty amin' ny andro alina.

Asombola

Vintana sy volana fahenina ny Asombola. Mifandratra amin' ny Alohotsy ny vintana Asombola.

Ny zazavavy teraka Asombola, raha tsy mahay taozavatra sy mahazo volabe, dia ho mpijangajanga, sarotra mahazo vady. Tsy tsara analana volon-jaza sy amoràn-jaza ny Asombola. Ny vary be an-daona (farimbon-telo) no fanalana vintana.

Vintam-bola sy vintan' ny olona tia harena ny Asombola. Ny zazalahy teraka vava Asombola dia ho mpivarotra ary hahazo volabe. Ny zazavavy kosa ho mpanao taozavatra sy ho mpila harena. Ny zaza teraka vody Asombola dia ho mpila vola sy hanan-karena. Tsara hanombohan-javatra na ampakaram-bady ny vody Asombola.

Adimizana

Ny Adimizana no vintana sy volana fahafito. Ny Adimizana dia mifandratra amin' ny Alahamady.

Vintana mahery ny Adimizana nefa mety ho tsara na hahafaty mbola kely. Ny zazavavy teraka vava Adimizana dia atahorana ho maty kely na nefa mety ho tratra antitra sy hanan-karena. Ny zazavavy teraka Adimizana dia tsy marin-tokantrano. Andevenana vatokilonjy ny eo ambany varavarany mba ho marin-toerana izay ateraka eo. Ny hazandrano no fanalana faditra. Vitaina alohan' ny filentehan' ny masoandro izay zavatra atao.

Tsy iharan' ozona ny olona teraka eo. Andro fanitaram-pahaizana amam-pahalalana koa ny Adimizana.

Alakarabo

Ny Alakarabo no vintana sy volana fahavalo. Mifandratra amin' ny Adaoro ny vintana Alakarabo.

Ny mosavinkena, izay tsy tokony hohanina, no fanalana faditra, ary ny masombola no vakana tokony hiravahana mba hampitombo harena.

Vintana tsara ny Alakarabo satria androm-bokatra, tsara ho an' ny fambolena sy ny fiompiana. Ny zazavavy teraka vava Alakarabo dia ho maro anaka fa ny zazalahy kosa ho tratra antitra. Toy izany koa ny zazavavy sy ny ny zazalahy teraka vody Alakarabo. Tokony misoronana akondro vokatra ny olona amin' ny vava Alakarabo amin' ny maha vintam-bokatra azy.

Alakaosy

Ny Alakaosy dia vintana fahasivy ao amin' ny fanandroana malagasy. Mifandratra amin' ny Adizaoza ny Alakaosy.

Vintana mahery indrindra ny Alakaosy. Raha tsy alam-bintana ny zaza teraka aminy dia atahorana hahafaty izay lehibe noho izy ka ahohoka ho faty, apetraka eo am-bavahadim-balan' omby, ka raha trsy maty voahitsaky ny omby dia afaka ny vintany. Ny vehivavy mbola tokony hiteraka dia tsy mihinan-kanina amin' ny vava Alakaosy mba tsy hiteraka Alakaosy. Ny zaza teraka vava Alakaosy dia hanoto ray aman-dreny, ka ahohoka ho faty na alam-bintana mba ho tratra antitra sy ho lehibe ary ho mpanan-karena. Tsy mifankaiza firy amin' ny vava Alakaosy ny vody Alakaosy. Ny volon' akoho tsy hita reny no fanalana faditra ny Alakaosy ka fadina amin' ny fiainana amin' ny fiainana andavan' andro.

Atao hoe Alakaosibe ny vava Alakaosy ao amin'ny volana Alakaosy. Amin'ny vava Alakaosy amin'ny volana Alakaosy no andro fanandratana ody sy sampy. Manao sorona ny mpitahiry ody mahery sy sampy. Mety ho mpitondra fanjakana ny olona teraka Alakosy nefa tsy hitovy talenta amin' ny olona teraka Alahamady.

Adijady

Vintana sy volana fahafolo ny Adijady. Mifandratra amin' ny Asorotany ny Adijady.

Ny zaza teraka vava Adijady dia ho vitsy teny, noho izany dia tokony alam-bintana fandrao mijadina loatra ka tsy miteny. Ny vatan' akondro main' ila no fanalana bintana ny Adijady ary fadina ny maikasika na mandingana vatan' akondro.

Amin' ny ankapobeny dia vintana mafy nefa tsara ny Adijady ka tsara anorenana zavatra tiana hateza satria "mijadina mafy". Ny zavatra tian-ko mafy sy mateza no santarina amin' io andro io, toy ny fampidiram-pananana sy biby hompiana ary vola hotehirizina. Tonom-bintana fanorenan-trano sy fampakaram-bady ary fampidirana harena koa ny Adijady. Heverina ho tsara vintana ny zaza teraka amin' ny vonto Adijady. Heverina ho tsara vintana ihany koa ny zaza teraka amin'ny vody Adijady.

Adalo

Vintana sy volana faharaika ambin' ny folo ny Adalo. Mifandratra amin' ny Alahasaty ny vintana Adalo.

Vintan-dranomaso sy alahelo ny Adalo. Atahorana ho maty kely ny zaza teraka vava Adalo. Ny zaza teraka vody Adalo dia tsara vintana ihany ka ho tratra antitra na dia manan-toetra malahelohelo aza. Tsy tsara ny manombola fanamboaran-javatra eo. Volon-katsaka entin-drivotra no fanalana faditra ny Adalo ary fadina ny mandingana izany amin' ny fiainana andavanandro.

Alohotsy

Vintana sy volana faharoa ambin' ny folo ny Alohotsy. Mifandratra amin' ny Asombola ny vintana Alohotsy.

Vintan' olona tsy mahatombin-toerana ny Alohotsy. Atao hoe volam-padina ny volana Alohotsy noho izy iomanana amin' ny Alahamadibe. Tandremana mba tsy haràtra amin' ny hety na antsy ny zazamadinika fa tsy ho mety sitrana, ka noho izay tsy alana volo na hoho na ampiasana zava-maranitra. Ny olona maty ao amin' ny volana Alohotsy dia alevina mangingina. Amin' ny vava Alohotsy sy ny vody Alohotsy dia tsy misy manao taozavatra. Ny zaza teraka vava Alohotsy dia tsy ho marim-ponenana fa mifindrafindra na toerana na zavatra hafa. Ny akofa no fanalana vintana ny Alohotsy ary fadina amin' ny fiainana andavanandro ny mandraoka akofa.

Ny zaza teraka vody Alohotsy dia ho salama ihany. Tsara ny ijany ny manorin-trano sy ny mampaka-bady amin' ny andro Alohotsy, nefa tsy maintsy misorona vatokaranana sy hazo harahara na famaho alevina eo atsinanan' ny andry avaratra tandrify ny Alohotsy mba tsy hihetsiketsika.

Jereo koa

Loharano sy fanamarihana

Tags:

Fisoronana Sy Fanalana Vintana Ireo vintana tokony hisoronana sy tokony halanaFisoronana Sy Fanalana Vintana Fisoronana sy fanalana vintanaFisoronana Sy Fanalana Vintana Jereo koaFisoronana Sy Fanalana Vintana Loharano sy fanamarihanaFisoronana Sy Fanalana VintanaFanalana faditraFanandroana malagasyOmbiasaVintana

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Mey21 MeyToliaraZhuge LiangQasr-e QandFiteny frantsayDox (Jean Verdi Salomon Razakandrainy)AntevatoAdy an-tranoFivavahana iranianaPaoly (apôstôly)Fiteny nôrvezianaTetiandroAbkaziaFaraoSoavalyFinlandyIndiaFanandevozanaEpifaniaSamuel RatanyFiteny siriakaBokin' i DanielaTontolo iainanaAzia andrefanaLetôniaKabary tera-baoMohamadyVintana (finoan-drazana malagasy)JibotỳFifohazana Ankaramalaza17 MartsaPenguinFiteny latinaBokyRaki-pahalalanaJerosalemaTononkalo5 AprilyFanjanahantanyFiteny aromanianaJodaismaTôngaFanahyMicrosoft WindowsRôma Taloha1744AterinetoItaliaKalsiômaJean NarivonyAzerbaijànaLisitry ny teny ampiasaina amin' ny haitenyBiriky200618261974Madagasikara zanatany frantsayFilôzôfia1190FANJAKAN’ I MADAGASIKARAFahitalavitraMahabad, IsfahanOnjan-dranoFiteny hebreoPellevoisinKyivAmbitsySeha-pihariana faharoa1035FiarahamoninaKor'any🡆 More