Kristianisma Fanahy Masina

Ny Fanahy Masina, ho an' ny Kristiana, dia ny herin' Andriamanitra izay entiny miasa na iray amin' ny persônany.

Ao amin' ny fiangonana kristiana be mpanaraka sy mitazona ny tenim-pinoana nolovaina hatry ny ela (katôlika sy ôrtôdôksa ary ny ankamaroan' ny prôtestanta) dia tsy hery fotsiny ihany ny Fanahy Masina fa persôna fahatelon' Andriamanitra, manampy ny Ray sy ny Zanaka ao amin' ny Trinite. Ny taranja teôlôjika andinihana sy ampianarana ny amin’ ny Fanahy Masina dia ny Pneomatôlôjia.

Kristianisma Fanahy Masina
Voromailala: simbôlin' ny Fanahy Masina
Kristianisma Fanahy Masina
Eo amin' ny vato ifaharan' ny (ao anatin' ny dome) an' ny Fiangonan' i Md Michael Arkanjely ao Kaunas, Litoania

Ny Fanahy Masina araka ny Baiboly

Ny Fanahy Masina araka ny Testamenta Taloha

Maro ny andinin-tsoratra ao amin' ny Testamenta Taloha izay heverin' ny Kristiana fa milaza ny amin' ny Fanahy Masina. Anisan' izany ny ao amin' ny Bokin' ny Genesisy (Gen 1:2; 2:7), ny ao amin' ny Bokin' ny Salamo (Sal 51 (50): 13; 98 (97): 1), ny ao amin' ny Bokin' i Jeremia (Jer 23: 9), ny ao amin' ny Boky faharoan' i Samoela (2Sam 23: 2-3), ny ao amin' ny Bokin' i Isaia (Isa 11: 1-2), ary ny ao amin' ny Bokin' i Jôela (Jôel 2: 28-29).

Ny andian-teny hoe Fanahy Masina dia fandraisana sy fandikana ny teny hebreo hoe רוח הקודש / ruakh ha-kodesh (midika hoe "fanahy masina") ao amin' ny Baiboly jiosy amin' ny teny hebreo (na Tanakh). Hita ao amin' io Baiboly hebreo io koa ny hoe רוּחַ קָדְשְׁךָ / ruakḥ qodshəka, "ny fanahinao masina" (Salamo 51:11), sy רוּחַ קָדְשׁוֹ / ruakḥ qodshō, "ny fanahiny masina" (Isaia 63:10-11).

  • "Aza manary ahy hiala eo anatrehanao; ary aza manaisotra ny Fanahinao Masina (רוּחַ קָדְשְׁךָ) amiko." (Salamo 51:11, Ny Baiboly).
  • "10 Fa ireo kosa dia niodina ka nanome alahelo ny Fanahy Masiny (רוּחַ קָדְשׁוֹ); dia tonga fahavalony Izy ka niady taminy. Ary ny olony dia nahatsiaro ny andro taloha ela, dia ny tamin' i Mosesy. 11 Aiza Ilay nitondra azy mbamin' ny mpiandry ondriny niakatra avy tamin' ny ranomasina? Aiza Ilay nametraka ny Fanahy Masiny tao aminy, ..." (Isaia/Izaia 63:10-11, Ny Baiboly).

Ny andian-teny izay nadika hoe "fanahin'Andriamanitra" dia miseho koa:

  • "Tsy nisy endrika sady foana ny tany; ny aizina nanarona ny hantsana ary ny fanahin' Andriamanitra nisonenika tambonin' ny rano." (Jenezy 1:2, Ny Baiboly Masina)
  • "Dia noraisin' i Samoela ny tandroka nisy diloilo, ka nohosorany teo afovoan' ny rahalahiny io; ary hatramin' izany andro izany sy tamin' ny andro manaraka, dia nidina tamin' i Davida ny fanahin' ny Tompo Dia niainga Samoela nankany Ramata." (1Samoela 16:13, Ny Baiboly Masina)
  • "Ampianaro hanao ny sitraponao aho; Fa Hianao no Andriamanitro; Aoka ny Fanahinao tsara no hitarihanao ahy amin' izay tany marina." (Salamo 143:10, Ny Baiboly)
  • "Fa handatsaka rano amin' ny tany mangetana aho; sy sakeli-drano eo amin' ny tany karankaina. Handatsaka ny fanahiko amin' ny taranakao aho, sy ny fitahiako amin' ny solofonao." (Izaia 44:3, Ny Baiboly Masina)
  • "Ary rehefa afaka izany, dia handatsaka ny Fanahiko amin' ny nofo rehetra Aho; Dia haminany ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo, ny lahiantitrareo hanonofy, ary ny zatovonareo hahita fahitana." (Jôela 3:1, Ny Baiboly)

Ny Fanahy Masina araka ny Testamenta Vaovao

Atao hoe πνεῦμα / pneũma (midika hoe "fanahy") ny Fanahy Masina amin' ny teny grika. Ny fiangonana tsirairay dia samy manana ny fomba fiheverany ny Fanahy Masina. Tsy vitsy ireo andinin-tsoratra ao amin' ny Testamenta Vaovao miresaka momba ny Fanahy Masina na heverin' ny teôlôjiana fa milaza izany. Isan' izany ny ao amin' ny Evanjelin' i Matio (Mat 28:19; 1:18; 12:31–32), ny ao amin' ny Evanjelin' i Lioka (Lio 1:34-35; 2:25-27), ny ao amin' ny Evanjelin' i Joany (Joa 15:26; 16:8; 1:32-34; 14:15-17; 16:7; 20:21-22), ny ao amin' ny Asan' ny Apôstôly (Asa 15:28; 2:2-4; 2:16-17; 2:38), ny ao amin' ny Epistily faharoa ho an' ny Kôrintiana (2Kôr 13:13; ny toko faha-12 hatramin' ny faha-14), ary ny Epistily ho an' ny Rômana (Rôm 8:1-2; 14.16).

"koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin' ny anaran' ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina" (Mat 28:19, Ny Baiboly)

"Ary ny nahaterahan' i Jesosy Kristy dia toy izao: Rehefa nanaiky Maria, renin' i Jesosy, ho fofombadin' i Josefa, raha tsy mbola nivady izy, dia hita fa nitoe-jaza avy tamin' ny Fanahy Masina izy." (Mat 1:18, Ny Baiboly)

"31 Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Hahazo famelan-keloka ny olona amin' ny ota sy fitenenan-dratsy samy hafa rehetra; fa tsy hahazo famelan-keloka ny olona amin' ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina. 32 Ary na iza na iza no manao teny hanohitra ny Zanak' olona, dia hahazo famelan-keloka ihany; fa na iza na iza no miteny hanohitra ny Fanahy Masina, dia tsy mba hahazo famelan-keloka, na amin' izao fiainana izao, na amin' ny ho avy." (Mat 12:31–32, Ny Baiboly)

"34 Ary hoy Maria tamin' ilay anjely: Hanao ahoana re no hahatanteraka izany, fa tsy mahalala lahy aho? 35 Ary ilay anjely namaly ka nanao taminy hoe: Ny Fanahy Masina ho tonga ao aminao, ary hisy herin' ny Avo Indrindra hanaloka anao; koa ny Masina Izay hateraka dia hatao hoe Zanak' Andriamanitra." (Lio 1:34-35, Ny Baiboly)

"25 Ary indro, nisy lehilahy atao hoe Simeona tao Jerosalema; ary marina sady mpivavaka tsara izany lehilahy izany ka niandry ny fanalana alahelo an' Israely, ary tao aminy ny Fanahy Masina, 26 sady efa nanambaran' ny Fanahy Masina izy fa tsy hahita fahafatesana mandra-pahitany ny Kristin' ny Tompo. 27 Dia nentin' ny Fanahy Masina izy hankao amin' ny tempoly, ka nony nitondra an' i Jeso zazakely ny rainy aman-dreniny hanao araka ny voadidin' ny Lalàna ny aminy," (Lio 2:25-27, Ny Baiboly Masina)

"Fa raha tonga ny Mpananatra, Izay hirahiko ho aminareo avy amin' ny Ray, dia ny Fanahin' ny fahamarinana Izay mivoaka avy amin' ny Ray, dia Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy." (Jao. 15:26, Ny Baiboly)

"7 Fa Izaho milaza ny marina aminareo; mahatsara anareo ny fialàko; fa raha tsy hiala Aho, dia tsy ho avy aminareo ny Mpananatra; fa raha handeha Aho, dia hirahiko hoy aminareo Izy. 8 Fa Izaho milaza ny marina aminareo; mahatsara anareo ny fialàko; fa raha tsy hiala Aho, dia tsy ho avy aminareo ny Mpananatra; fa raha handeha Aho, dia hirahiko hoy aminareo Izy." (Jao 16:7-8, Ny Baiboly)

"32 Ary nilaza marina Joany nanao hoe: Efa hitako ny Fanahy Masina nidina avy any an-danitra toy ny voromailala, ka nitoetra teo amboniny. 33 Ary izaho tsy nahalala azy, fa izay naniraka ahy hanao batemy amin' ny rano no nilaza tamiko hoe: Izay hitanao hidinan' ny Fanahy Masina sy hitoerany eo amboniny no ilay manao batemy amin' ny Fanahy Masina." (Joa 1:32-33, Ny Baiboly Masina)

"16 Ary izaho kosa hangataka amin' ny Ray, ka homeny Mpanafaka alahelo hafa hianareo, mba hitoetra ao aminareo mandrakizay, 17 dia ny Fanahin' ny fahamarinana, izay tsy azon' izao tontolo izao raisina, satria tsy hitany ka tsy fantany, fa hianareo no hahafantatra azy, satria hitoetra ao aminareo sy ao anatinareo izy." (Joa 14:16-17, Ny Baiboly Masina)

"21 Dia hoy indray izy tamin' izy ireo: Ho aminareo anie ny fiadanana! Tahaka ny nanirahan' ny Raiko ahy no anirahako anareo koa. 22 Rahefa nilaza izany izy, dia nitsoka ka nanao tamin' izy ireo hoe: Raiso ny Fanahy Masina:" (Joa 20:21-22, Ny Baiboly Masina)

"28 Sitraky ny Fanahy Masina sy izahay ny tsy hampitondra entana anareo, afa-tsy izao zavatra tsy maintsy tandremana izao: 29 dia ny hifadianareo ny hena natolotra tamin' ny sampy, sy ny rà, ary ny biby nokendaina, mbamin' ny fijangajangana; soa ho anareo ny mifady an' izany. Veloma." (Asa 15:28-29, Ny Baiboly Masina)

"2 Ary nisy feo tonga tampoka avy tany an-danitra, toy ny rivotra mahery mifofofofo, ka nanenika ilay trano niangonany. 3 Ary nisy lela maro mitarehin' afo niseho taminy, izay nizarazara; ary nipetraka tamin' izy rehetra isan-olona izany. 4 Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin' ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan' ny Fanahy Masina azy." (Asa 2:2-4, Ny Baiboly)

"16 Fa izao ilay nampilazaina an' i Joela mpaminany hoe: 17 Ary amin' ny andro farany, hoy Andriamanitra, no handatsahako ny Fanahiko amin' ny nofo rehetra; Ary ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo haminany, Ary ny zatovonareo hahita fahitana, Ary ny lahiantitrareo hanonofy; 18 Ary ny mpanompoko, na lahy na vavy, Dia handatsahako ny Fanahiko amin' izany andro izany, Ka dia haminany izy;" (Asa 2:16-18, Ny Baiboly)

"Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin' ny anaran' i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina" (Asa 2:38, Ny Baiboly)

"Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan' i Jeso-Kristy Tompo, sy ny fitiavan' Andriamanitra, ary ny firaisana amin' ny Fanahy Masina!" (2Kôr 13:13, Ny Baiboly Masina)

"1 Ary amin' izany dia tsy misy fanamelohana ho an' izay ao amin' i Kristy Jesosy. 2 Fa ao amin' i Kristy Jesosy ny lalàn' ny Fanahin' aina no nahafaka ahy tamin' ny lalàn' ny fahotana sy ny fahafatesana." (Rôm 8:1-2, Ny Baiboly)

"Fa tsy mba ny fihinana amam-pisotro no fanjakan' Andriamanitra, fa ny fahamarinana amam-piadanana, mbamin' ny fifaliana ao amin' ny Fanahy Masina." (Rôm 14:17, Ny Baiboly Masina)

Ny Fanahy Masina araka ny boky apôkrifa

Ny fomba fijery ny amin' ny Fanahy Masina, izay tomponandraikitra tamin' ny fitorontoronana tao amin' i Maria araka ny Vaovao Mahafaly sinôptika, dia tsy mitovy amin' ny an' ny Evanjelin' ny Hebreo izay boky apôkrifa neken' ny Nazôreana na Nazarena (Jiosy kristiana tamin' ny taonjato faha-4) izay ahitana ny filazan' i Jesoa fa reniny ny Fanahy Masina, izany hoe vavy. Misy ny mihevitra fa ny maha vavy dia tsy afaka mifanaraka amin' ny fiheverana fa notorontoronina tamin' ny Fanahy Masina i Jesoa, araka ny Evanjelin' i Filipo, ohatra:

    "Misy miteny hoe 'Nitoe-jaza tamin' ny Fanahy Masina i Maria'. Diso hevitra izy ireo. Tsy fantany izay zavatra lazainy. Oviana no nisy vehivavy hitoe-jaza amim-behivavy?".

Fampianaran' ny fiangonana samihafa

Samy manana ny fampianarany ny fiangonana kristiana samihafa. Ao ny mihevitra ny Fanahy Masina ho persôna fahatelon' Andriamanitra, ao ny mihevitra fa herin' Andriamanitra fotsiny ihany izany, ary ao ny mampianatra fa Andriamanitra fahatelo manampy ny Ray sy ny Zanaka izany.

Ny mihevitra ny Fanahy Masina ho persônan' Andriamanitra

Ankapobeny

Ny fiangonana mino ny Trinite dia manao ny Fanahy Masina ho iray amin' ny persôna telon' Andriamanitra tokana. Isan' ireo ny Fiangonana katôlika, ny Fiangonana ôrtôdôksa, ny Fiangonana anglikana ary ny ankamaroan' ny Fiangonana prôtestanta sy ara-pilazantsara. Tsy mitovy tanteraka anefa ny fampianaran' izy ireo. Hita izany tsy fitoviana izany eo amin' ny fanekem-pinoana. Ao amin' ny Fanekem-pinoana apôstôlika (izay tsy ampiasain' ireo Fiangonana tatsinanana, isan' izany ny Ôrtôdôksa) dia tsy ahitana afa-tsy ny hoe "Mino ny Fanahy Masina aho", ka tsy ahafantarana na persôna na Andriamanitra ny Fanahy Masina. Ny Fanekem-pinoana nikeana-kônstatinôpôlitana dia manamafy ny maha Andriamanitra ny Fanahy Masina nefa tsy mampitombo isa an' Andriamaitra izany.

Ny Fanahy Masina ao amin' ny fanekem-pinoana apôstôlika

Voarakitra ao amin' ny fiekem-pinoana apôstôlika izay tokony hinoana momba ny Fanahy Masina, araka izao: "Mino ny Fanahy Masina aho, ny Fiangonana Masina manerana izao tontolo izao, ny fiombonan' ny olona masina, ny famelan-keloka, ny fitsanganan' ny tena amin' ny maty ary ny fiainana mandrakizay." (dikan-teny prôtestanta malagasy).

Ny Fanahy Masina araka ny Fiangonana Tandrefana

Ny Fanekem-pinoana nikeana na niseana dia nisy tovana natao taty aoriana ka nampidirin' ny Fiangonana Tandrefana miteny latina ny teny hoe "sy tamin' ny Zanaka" (grika: καὶ τοῦ Υἱοῦ / kai tou Uiou; latina: Filioque) izay nanova ny tokony hinoana momba ny fifandraisan' ny Fanahy Masina sy ny Zanaka ka lasa mivoaka avy amin' ny Ray sy ny Zanaka ny Fanahy Masina. Nandova izany koa ny fiangonana mino ny Trinite nateraky ny Refôrmasiona prôtestanta araka izao:

"Credo ... Et in Spíritum Sanctum, Dόminum, et vivificántem: qui ex Patre Filiόque procédit. Qui cum Patre, et Filio simul adorátur, et conglorificátur : qui locútus est per Prophétas."

"Izaho mino ny Fanahy Masina, Tompo Loharanon'aina, avy amin' ny Ray sy ny Zanaka; tsaohina sy omem-boninahitra miaraka amin'ny Ray sy ny Zanaka, ary niteny tamin' ny vavan'ny mpaminany." (Dikan-teny katôlika amin' ny teny malagasy).

Ny Fanahy Masina araka ny Fiangonana Tatsinanana

Tsy eken' ny Fiangonana Tatsinanana (anisan' izany ny Fiangonana ôrtôdôksa sy ny Fiangonana armeniana) anefa ny nampitsofohan' ny Fiangonana Tandrefana ilay hevitra hoe "nivoaka tamin' ny Zanaka koa ny Fanahy Masina", izay nomena ny anarana latina hoe Filioque (grika: καὶ τοῦ Υἱοῦ / kaὶ toū Uioū). Anisan' ny zavatra nampisaraka ny Fiangonana Tatsinanana tamin' ny Fiangonana Tandrefana izany taty aoriana. Amin' ny Fiangonana Tatsinanana dia mivoaka avy amin' ny Ray fotsiny ny Fanahy Masina fa tsy amin' ny Zanaka koa.

Izao ny ampahan' ilay fanekem-pinoana:

"Πιστεύομεν εἰς ἕνα ... καὶ εἰς τὸ πνεῦμα τὸ ἅγιον, τὸ Κύριον, τὸ ζωοποιόν, τὸ ἐκ τοῦ πατρὸς ἐκπορευόμενον, τὸ σὺν πατρὶ καὶ υἱῷ συμπροσκυνούμενον καὶ συνδοξαζόμενον, τὸ λαλῆσαν διὰ τῶν προφητῶν·" (Dikan-teny grika)

"Isika mino ... Sy ny Fanahy Masina, Izay Tompo sady Mpamelona; Izay avy amin' ny Ray; Izay itsaohana sy omem-boninahitra miaraka amin' ny Ray sy ny Zanaka; Izay niteny tamin' ny alàlan' ny mpaminany;" (Dikan-teny malagasy)

Ny mihevitra ny Fanahy Masina ho Andriamanitra iray manokana

Fiampangana ho mino Andriamanitra telo

Tamin' ny fotoana niadian-kevitra momba ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina dia nampangaina ho mino andriamanitra telo (triteisma) ireo nanohana ny Trinite.

Fanekena ny fisian' ny Andriamanitra telo

Ankehitriny dia misy ny fiangonana manaiky fa Andriamanitra mahaleo tena fa tsy persônan' Andriamanitra tokana ny Fanahy Masina, tsy iza izany fa ny fiangonana ao amin' ny Hetsika Olomasin' ny Andro Farany, ka ny tena fantatra dia ny Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany. Ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina dia Andriamanitra telo samy manana ny persônany sy ny natiorany tsirairay avy nefa mifameno.

Ny Fanahy Masina dia voalazan' ny fampianaran' ny Olomasin' ny Andro Farany fa mpikambana fahatelo amin' ireo Andriamanitra ireo, sady lazainy fa olona Fanahy tsy manana vatana nofo sy taolana, araka ny fampianarany ao amin' ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (F&F): "Ny Ray dia manana vatana nofo sy taolana azo tsapaina toy ny an' ny olona; ny Zanaka koa; fa ny Fanahy Masina dia tsy manana vatana nofo sy taolana fa vatana Fanahy, fa raha tsy izany dia tsy afaka mitoetra ao anatintsika ny Fanahy Masina." (F&F 130:22).

Ny mihevitra ny Fanahy Masina ho hery fotsiny ihany

Ny fiangonana tsy mihevitra fa ny Trinite dia midika fisian' Andriamaitra telo dia mampianatra fa herin' Andriamanitra ny Fanahy Masina fa tsy persôna no tsy Andriamanitra. Teo amin' ny tantara dia nisy ireo nihevitra ny Fanahy Masina dia iray amin' ny fomba fiseho telon' ilay Andriamanitra tokana, izany no atao hoe môdalisma: ny Ray sy ny Fanahy Masina dia tsy iza fa ilay Andriamanitra tokana tonga nofo tao amin' i Jesoa Kristy ihany. Ankehitriny dia maro ny fiangonana tsy mino ny Trinite izay milaza fa hery entin' Andriamanitra fa tsy persôna ny Fanahy Masina.

Amin' ny Vavolombelon' i Jehovah, sy ny Kristadelfiana, ohatra, dia hery miasa sy hery mandrakizain' Andriamanitra ny "fanahy masina", tsy mitambatra ho Trinite ny Ray sy ny Zanaka (Jesoa) ary ny fanahy masina. Mampiasa sora-madinika ny Vavolombelon' i Jehovah raha manoratra io herin' Andriamanitra io (fanahy masina fa tsy Fanahy Masina) mba hanehoany ny tsy maha persôna sy tsy maha Andriamanitra an' izany.

Vokatra sy fanomezan' ny Fanahy Masina

Vokatry ny Fanahy Masina

Ny vokatry ny Fanahy Masina dia ireo toetra ananan' ny olona na ny fiangonana izay miaina araka ny Fanahy Masina, araka ny voasoratra ao amin' ny Taratasy ho an' ny Galatiana:

"22 Ny vokatry ny Fanahy kosa dia izao: fitiavana, fifaliana, fiadanam-po, fahari-po, hamoram-panahy, hazavam-po, tsy fivadihana, 23 fahalemem-panahy, fahalalana onona: tsy misy izay Lalàna mikasika an' ireo." (Gal 5:22-23, Ny Baiboly Masina).

Fanomezan' ny Fanahy Masina

Ny fanomezan' ny Fanahy Masina dia fanomezana hery mahagaga avy amin' ny Fanahy Masina izay ilaina hahafahana manatanteraka ny iraka ampanaovina ny Fiangonana, fahasoavana omena manokana ho an' ny Kristiana isam-batan' olona mba hahasoa ny hafa.

Ireo fanomezan' ny Fanahy Masina mahazatra, izay atao hoe koa "Fanomezana karismatika" dia ireto: ny tenin' ny fahendrena, ny tenin' ny fahalalana, ny fitomboan' ny finoana, ny fanomezana hanasitrana, ny fanomezana hanao fahagagana, ny faminaniana, ny fanavahana ny fanahy samihafa, ny fitenenana amin' ny fiteny maro ary ny fandikan-teny. Manampy azy ireo ny maha apôstôly, ny maha mpaminany, ny maha mpampianatra, ny fanampiana ny mahantra sy ny marary ary ny fahaiza-mitondra sy mitantana. Ny tanjona dia ny hampahatanjaka ny Fiangonana manontolo.

Resahina ao amin' ny Testamenta Vaovao ireo fanomezana ireo, ka hita izany ao amin' ny Epistily voalohany ho an' ny Kôrintiana (1Kôr. 12:8-10; 12:28), ao amin' ny Epistily ho an' ny Rômana (Rôm. 12:6-8) ary ao amin' ny Epistily ho an' ny Efesiana (Efes. 4:11). Miresaka momba ny fanomezan' ny Fanahy koa ny Epistily voalohany nosoratan' i Petera (1Pet. 4).

Maro ny fikambanana sy ny fihetsiketsehana nanome lanja ny fanomezan' ny Fanahy Masina, dia ny pentekôtisma nanomboka tamin' ny taona 1906 sy ny fihetsiketsehana karismatika nanomboka tamin' ny taona 1960 ary ny fihetsiketsehana karismatika vaovao nanomboka tamin' ny taona 1980.

Jereo koa

Loharano sy fanamarihana

Tags:

Kristianisma Fanahy Masina Ny Fanahy Masina araka ny BaibolyKristianisma Fanahy Masina Fampianaran ny fiangonana samihafaKristianisma Fanahy Masina Vokatra sy fanomezan ny Fanahy MasinaKristianisma Fanahy Masina Jereo koaKristianisma Fanahy Masina Loharano sy fanamarihanaKristianisma Fanahy MasinaAndriamanitra RayAndriamanitra ZanakaKatolisismaKristianisma ortodoksaPersona (teolojia)PneomatolojiaProtestantismaTenim-pinoanaTeolojiaTrinite

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

AmerikaZanak' Andriamanitra (maro)David CameronMpampiankina fehezankevitraMellacThe SimpsonsNew YorkShaktoolik, AlaskaRy Tanindrazanay malala ôTontolo AraboBaolina kitraJodeaHypertext Markup LanguageAndevilleHITA (orinasa)TsirintenyEsther RandriamamonjyFilazantsara araka an' i Lioka1995Repoblika Fahefatra (Madagasikara)IrànaOlombelonaFiangonan' i Jesoa Kristy eto MadagasikaraTamotamoFahaterahanaRadama VoalohanyTendrombohitra GarizimaKabary famangianaIsa haroEpistilyFanandroana malagasyRalamboEklesia Episkopaly MalagasyAndrianaFirenena MikambanaEvekaTsiefaJari LitmanenFihavananaAndriamanitra ZanakaTovo J'HayAngleteraKokolampoAfrikana-AmerikanaCarl Friedrich GaussTantaran' i MadagasikaraVatoLoko litorjikaPaskaNiels HansenTaquaraAsorotanyIsaaka zanak' i AbrahamaAsombolaFahafatesan'i Baby PMalagasy (vahoaka)MazdeismaSakramenta ao amin' ny fiangonana katôlikaJeôgrafian' i MadagasikaraForyAliaksei KuchukKapreôloAlohotsyEpistily katôlikaRepoblikan' i Madagasikara (1992-2009)RavinalaArjentinaZanak' AndriamanitraVolahavana Germaine🡆 More