Sikidy Fahatelo

Ny Fahatelo, araka ny fanaovana sikidy malagasy, dia ny tsanganan-tsikidy fahatelo, iray amin'ny tsanganan-tsikidy enina ambin'ny folo, izay apetraka any amin'ny farany ambony sy laharana fahatelo avy ankavanana ao amin'ny fàfana itambaran'ny tsanganan-tsikidy rehetra.

Isan'ireo atao hoe renin-tsikidy ny Fahatelo, ka ny tsanganana, izay samy renin-tsikidy, eo alohany (ankavanana) dia ny Tale sy ny Maly ary ny hafa manarakarala azy (eo ankavia) dia ny Bilady, ny Fianahana, ny Abily, ny Alisay ary ny Fahavalo. Ny tsanganana valo manaraka (Fahasivy, ny Ombisa, ny Haja, ny Zanahary, ny Asorotà, ny Tovolahy, ny Lalana ary ny Trano na Kiba) dia lazaina hoe tera-tsikidy. Misy vaniny efatra toy ny tsanganan-tsikidy malagasy rehetra ny Fahatelo ka misy "lohany" sy "tratrany" sy "valahany" ary "tongony".

Fahzoana ny Fahatelo

Ny Fahatelo dia mety hiseho ao amin'ny iray amin'ireo sora-tsikidy enina ambin'ny folo toy ny Tareky (1 1 1 1), ny Jama na Asombola (2 2 2 2), ny Asorasady (2 2 1 1), ny Alahasady (1 1 2 2), ny Alitsimay (2 1 1 2), sns.

Aorian'ny fahazoana ny Maly no ahazoana ny Fahatelo: Manao tokom-boan-tsikidy efatra ny mpisikidy. Anesorany tsiroaroa mandra-pahasisa iray na roa ny tokom-boan-tsikidy voalohany, dia alainy izay voa sisa (tokana na roa) ka apetrany eo ankavanan'ny lohan'ny Maly mba hamoronany ny lohan'ny Fahatelo. Ampihariny amin'ny tokom-boan-tsikidy faharoa indray izany fihetsika izany mba hahazoany ny tratran'ny Fahatelo izay apetrany eo ambanin'ny tratrany. Ampiharina fanintelony amin'ny toko manaraka indray izany mba hahazoana ny vaniany. Ampihariny amin'ny tokom-boan-tsikidy fahefatra farany dia azo ny tongotry ny Fahatelo.

Hevitry ny hoe Fahatelo

Ny Fahatelo dia anarana iantsoana ny ny rahalahy na ny olona tsy manatrika nefa resahina na ny olon-kafa, amin'ny sikidy malagasy.

Fanakambanana ny Fahatelo

Ny fanakambanana ny lohan'ny Tale sy ny an'ny Maly sy ny an'ny Fahatelo ary ny an'ny Bilady no ahazoana ny tsangananaFianahana. Ny fanakambanana ny tratran'ny Tale sy ny an'ny Maly sy ny an'ny Fahatelo ary ny an'ny Bilady no ahazoana ny tsanganana Abily. Ny fanakambanana ny vanian'ny Tale sy ny an'ny Maly sy ny an'ny Fahatelo ary ny an'ny Bilady no ahazoana ny tsanganana Alisay. Ny fanakambanana ny tongotry ny Tale sy ny an'ny Maly sy ny an'ny Fahatelo ary ny an'nyBilady no ahazoana ny tsanganana Fahavalo. Ny fampifanampiana soratry ny Tale sy ny an'ny Maly no ahazoana ny soratry ny Lalana.

Jereo koa

Tsanganan-tsikidy

Tags:

Sikidy Fahatelo Fahzoana ny FahateloSikidy Fahatelo Hevitry ny hoe FahateloSikidy Fahatelo Fanakambanana ny FahateloSikidy Fahatelo Jereo koaSikidy FahateloAbilyAlisayAsorotà (sikidy)BiladyFahasivy (sikidy)Fahavalo (sikidy)Fianahana (sikidy)Kiba (sikidy)Lalana (sikidy)Maly (sikidy)Ombiasa (sikidy)Renin-tsikidySikidy malagasyTale (sikidy)Tera-tsikidyTovolahy (sikidy)Zanahary (sikidy)

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Fiangonana zandrinyMahavavy AvaratraAsabotsyMari-pana1973Peter StebbingsTwitterApôkrifan' ny BaibolyCarl von LinnéZambiaLoyall, KentuckySakalavaSaint-Jean-sur-RichelieuEpistily faharoa ho an' ny KôrintianaTeknôlôjiaFiangonan' i Jesoa Kristy eto MadagasikaraTsovasa (vahoaka)IaldabaôtaKabary am-panambadiana1866Bokin' i HabakokaDokotraFianarana ny fanatontoloanaUniontown, AlabamaRaúl CastroTorkiaWayback MachineMartin Luther KingRadama VoalohanyFrank LebœufEpistily ho an' ny KôlôsianaLa Ferté-ChevresisMadagasikaraFiteny malagasyFosaKarolina AvaratraSalamo faha-152 hatramin' ny faha-155Forcelles-Saint-GorgonRSSAdizaozaBaiboly Dikanteny Iombonana Eto MadagasikaraMpampiankina fehezankevitraBokin' ny olon-kendryYorba Linda, KaliforniaFilôzôfiaKabary famangianaTahirim-Bolan' ny Firenena Mikambana ho an' ny AnkizyKafe (fisotro)Rova ManjakamiadanaBodo (mpihira)Oram-panalaSaint-Pierre-de-MonsAnganoHasina (hery tsy hita maso)AlandurAmbohidrabibyCharles Franklin KetteringFanavakavaham-bolon-koditraEpistilyChamprond-en-GâtineLewis RickinsonNorroy-lès-Pont-à-MoussonAterinetoKanonan'ny BaibolyKolontsaina ao GabônaMponinaFaritra DianaJames JoyceMpiandry tsaraHypertext Markup Language🡆 More