Ny Evanjely armenianan' ny Fahazazana dia evanjely apôkrifa voasoratra taty aoriana lavitra, izay voasoratra tsy talohan' ny taonjato faha-6, izay mitantara ny fahaterahana sy ny fahazazan' i Jesoa.
Ahitana lovantsofina itambarany amin' ny Prôtevanjelin' i Jakôba sy ny Evanjelin' i Pseodô-Matio ary ny Evanjelin' ny Fahazazana araka an' i Tômasy ity evanjely ity.
Naka ny andalan-tsoratra tao amin' ny Testamentan' i Adama io boky io ka mamelatra ao amin' ny toko faha-11 ny ampahan-tantara momba ny fiavian' ireo mpanjaka magy izay voatantara amin' ny fomba be andinindininy sy nanonona voalohany ny anaran' ireo magy ireo, dia i Melkona (na Melkiôra) mpanjakan' ny Persiana, sy i Gaspara (na Gasparda) mpanjakan' ny Hindoa, ary i Baltazara mpanjakan' ny Arabo.
Ireto ny evanjelin' ny fahazazana:
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Evanjely armenianan' ny Fahazazana, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.