Eogenio Iii

I Eogenio III dia papa faha-165 (taona 1145 hatramin' ny 1153).

I Bernardo Paganelli di Montemagno no anarany talohan' ny naha papa azy. Teraka tao Pise tamin' ny faramparan' ireo taona 1080 izy ary maty tamin' ny taona 1153. Mpianatr' i Md Bernard de Clairvaux (izay fantatra amin' ny anarana hoe Md Bernard) izy ary abe tao amin' ny mônastera sistersianan' i Saint-Anastase ao Rôma tamin' ny nahavoafidy azy ho papa tamin' ny taona 1145 ka nanomezana azy ny anarana hoe Eogenio III (atao hoe Eugène III amin' ny teny frantsay, Eugene III amin' ny teny anglisy, Eugenio III amin' ny teny italiana ary Eugenius III amin' ny teny latina). Izy no papa voalohany niorim-ponenana tao Vatikàna.

Eogenio Iii
Ny papa Eogenio III

Fotoana fohy taorian' ny nahalany azy ho papa dia nifandona tamin' ireo Senatera rômana izay nitaky ny tsy hananan' ny papa fahefam-panjakana izy, ka nahatonga azy handao an' i Rôma. Nanao nifampiraharaha tamin' ny Senatera izy ka tafaverina taminy indray ny fahefana hifehy ny kaomininan' i Rôma, nefa taorian' ny fiverenany tao dia voatery nisesy tany indray izy noho ny nataon' ny antokon' ny mpomba ny fanavaozana notarihin' ilay Italiana Arnaldo da Brescia (frantsay: Arnaud de Brescia).

Nankany Frantsa i Eogenio III ka tao izy no nanomana ny kroazada faharoa izay namporisihiny tamin' ny alalan' ny toritenin' ny Md Bernard (tamin' ny taona 1146). Nanohy ny fanavaozana natombok' i Gregôrio VII izy, nampiantso sinaoda tao Paris sy Reims any Frantsa ary tao Trier any Alemaina (frantsay: Trèves) izy, ka tamin' izany no nankatoavana ireo fepetra natokana hampanjakana indray ny fifehezan' ireo mpitondra fivavahana sady hampielezana ny finoana. Tamin' ny taona 1148 dia niverina any Italia i Eogenio III ka nitarika sinaoda tao Crémone sady nanongana an' i Arnaldo da Brescia.

Maty tao Tivoli (any amin' ny faritanin' i Rôma ankehitriny) tamin' ny 8 Jolay 1153 i Eogenio III. Nasandratra ho olonysambatra izy tamin' ny 3 Oktobra 1872.

Jereo koa

Tags:

Fiteny anglisyFiteny frantsayFiteny italianaFiteny latinaPapaRômaVatikàna

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Lorain, OhioFiteny maratyMpanampy (fitsipiteny)MenalambaFilazantsara araka an' i MarkaDadabe NoelyVolkanoBranko OblakBokin' i EzraCarl von LinnéLisitry ny zavatra madinidinika 15001-16000Boky faharoan' ny Tantara(3089) OujianquanLôtaBroneyIndustry, Kalifornia7 AprilyTeknôlôjiaKolontsaina malagasySergio MusmeciFiakaran' i Kristy any an-danitraVoninahitra (fivavahana)Commonwealth ny firenena mahaleotenaSakramentan' ny fivalozana sy ny fampihavanana1973Fanahy Masina (kristianisma)Filazantsara miafin' i MarkaHasina (hery tsy hita maso)Tovana (fitsipiteny)Bryan CoreyFanekem-pinoana apôstôlikaSão Bernardo do CampoKabary famangianaAlandurEsnesFossé, ArdennesJyrki NieminenSakramentaRanomasina8 AogositraKabaryEvekaLiberiaLloyd KaufmanArtinsBoky deoterôkanônikaSainte-Catherine-lès-ArrasRatsiraka DidierDennis PulestonSigfrid EdströmLuis E. EchávarriArkôntikaCurrent eventsVincenzo RosatiGiampiero MainiVerrey-sous-DréeBibyTononkaloJiosyLisbon, North DakotaDoalisma (finoana)Matoanteny mpanampyGabônaApôstôly roa ambin' ny foloAlex JofféFred WackerTrygve LieKristianisma eto MadagasikaraVolafotsyFiteny kôpta sahidikaSaint-Sébastien, CreuseMary Shelley🡆 More