Ny Empira Masina Rômana Jermanika na Empira Jermanika Masina na Empira Rômana Masina na Firenena Jermanika (Heiliges Römisches Reich Deutscher Nation amin' ny teny alemàna, Sacrum Romanorum Imperium Nationis Germanicæ amin' ny teny latina) dia firaisana ara-pôlitika ny tany ny Eorôpa Andrefana sy Afovoany tamin' ny Andro Antenatenany, ary entin' ny mpitondra rômana jermanika.
Ny Empira Masina Rômana Jermanika dia naorin' i Othon I Lehibe tamin' ny taona 962 sy noravan' i Napoléon I tamin' ny taona 1806. Indraindray izy dia atao hoe Reich voalohany. Nitondra izany anarana izany io empira io nanomboka amin' ny taonjato faha-15. Vokatry ny ezaka maro hamerenana indray ny Empira Rômana Andrefana (izay nosoloan' ny fanjakana maro mahaleo tena) ny famoronana ny Empira Masina Rômana Jermanika. Na dia niovaova ny anarany sy ny sisin-taniny nandritra ny taonjato maro dia nifanandrindrify amin' ny an' ireo fanjakana alemàna izany.
Amban' ny dinastia ôtônianina tamin' ny taonjato faha-10 ny Empira no nanomboka nisy, avy amin' ny Fransia Atsinanana Karôlinjianina. Ilay fitenenana hoe Sacrum imperium dia nisy tamin' ny taona 1184, ary niasa foana tamin' ny 1254. Ilay fanampiny Deutscher Nation (Nationis Germanicæ amin' ny teny latina) dia nipetaka tamin' ny taonjato faha-15. Ny fivelaran' ny tanin' ny Empira Masina dia niovaova foana tamin' ny taonjato manaraka, tamin' izay no nivelatra indrindra, ilay empira nivelatra amin' i Eorôpa Afovoany sy amin' i Eorôpa Atsimo.
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Empira Masina Rômana Jermanika, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.