Ekinôksa

Ny ekinôksa dia fotona ao amin' ny taona izay amakivakian' ny masoandro ny velarana foronin' ny fehiben-tany ao amin' ny habakabaka ka mahatonga ny masoandro hoatry ny mifindra avy amin' ny ila-bolantany atsimo mankamin' ny ila-bolantany avaratra na ny mifamadika amin' izany.

Amin' ny fotoan' ny ekinôksa no mampitovy ny halavan' ny andro amin' ny halavan' ny alina, araka ny fahalalan' ny olona niaina talohan' ny vanimpotoana nampandroso ny siansa. Ny teny hoe ekinôksa dia avy amin' ny teny frantsay hoe equinoxe, izay avy amin' ny teny latina hoe æquinoctium, ka ny hoe æqui- dia avy amin' ny teny latina hoe æquus dia midika hoe "mira" fa ny -noctium kosa dia avy amin' ny teny latina hoe nox, noctis izay midika hoe "alina".

Misy roa karazana ny ekinôksa, dia ny ekinôksa amin' ny lohataona sy ny ekinôksa amin' ny fararano. Ny ekinôksa amin' ny fararano dia mitranga amin' ny volana Marsa (miovaova eo anelanelan' ny 19 sy 21 Marsa) any amin' ny ila-bolantany avaratra, fa amin' ny volana Septambra (miovaova eo anelanelan' ny 21 sy 24 Septambra) kosa aty amin' ny ila-bolantany atsimo. Ny ekinôksa amin' ny lohataona dia mitranga amin' ny volana Septambra (miovaova eo anelanelan' ny 21 sy 24 Septambra) any amin' ny ila-boloantany avaratra, fa amin' ny volana Marsa (miovaova eo anelanelan' ny 19 sy 21 Marsa) kosa any amin' ny ila-bolantany atsimo.

Tags:

Fehiben-tanyMasoandroTeny frantsayTeny latina

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Apôkalipsin' i Joany1912AntefasyHasina (zavamaniry)Misiona Evanjelika Teratany eto MadagasikaraNjakatianaShanghaiKôrea AtsimoFiteny tamilyIndôneziaOmbyAlakaosyTononkaloFehezantenyBiôgrafiaVoankazoFanomezana fiton' ny Fanahy Masina1167Vadin' i MohamadyJosip SkoblarShikohabadApôkalipsin' i PeteraFifohazana (kristianisma malagasy)M.I.A.SihanakaRafitra fitantanana votoatinyDrônaMpampiankin-tenyAristôtyItaliaLalànaSamuel RatanyNtaoloÉmile DurkheimAsa (mpanjakan' i Jodà)Fandroahana fanahy ratsyFivavahana eto MadagasikaraAndrianjakaApôkalipsin' i StefanaRangitaConteville-lès-BoulogneSakarahaEtazoniaISO 3166-1Fiteny kôreaninaSikidy malagasyTestamenta VaovaoKinshasaBootjack, KaliforniaEpistily voalohany ho an' ny KôrintianaBokin' i EzekielaToetanin-jana-pehin-tanyMozikaSakramentan' ny fanambadianaTranonkalaTsinyTetiandro malagasyAntananarivoPoaceaeFanahy Masina (kristianisma)74MôlekiolaAbdellatif FellainiBokin' ny MakabeoFahafatesanaApôkrifan' i JoanyRalaimongo JeanAdijadyFahefana mpanatanterakaFihavananaMerinaFiteny tatara krimeana🡆 More