I Ekôsy dia iray amin'ireo firenena mitambatra ao amin'ny Fanjakana Mitambatra, izay hita ao amin'ny tapany avarfatr'i Britaina Lehibe, sady ahitana koa ireo tangoro-nosy madinika ahitana ny Hebrides, ny Orcades, ny Shetland.
Ny fanjakan'i Ekôsy dia fanjakana nanana ny fiandrianany izay nifarana tamin'ny 1 Mey 1707 izay nitambarany tamin'ny fanjakan'i Angletera mba hamoronana ny fanjakan'i Britaina Lehibe.Atao hoe Scotland izy amin'ny teny anglisy fa Alba amin'ny teny gaelika ekôsey ary Ecosse amin'ny teny frantsay.
Iray amin'ireo firenena seltika enina i Ekôsy. I Edimbourg norenivohitra ara-bola sy ara-panjakanan'i Ekôsy, nefa ny tanàna lehibe indrindra dia i Glasgow izay be orinasa indrindra ara-tantara. Ny tanàn-dehibe hafa dia i Aberdeen, i Dundee, i Stirling, i Perth ary i Inverness.
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Ekôsy, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.