Madagasikara Eglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina

Ny Eglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina (EKAR) eto Madagasikara dia isan' ny Fiangonana katôlika maneran-tany izay eo ambany fitarihana ara-panahin' ny Papa ao Rôma.

Misy mpivavaka maherin' ny 6 000 000 io fiangonana io, izany hoe iray ampahefatry ny mponin' ny Nosy. Misy arsidiôsezy dimy sy diôsezy iraika amby roapolo ny eto Madagasikara. Fivavahana kristiana voalohany eto Madagasikara ny Fiangonana katôlika raha ny habetsahan' ny mpino no jerena. Mampiavaka ny Fiangonana katôlika ireo trano fiangonana goavam-be izay nalaina tahaka indrindra tamin' ny fiangonana vahiny amin' ny endriny sy ny bikany. Marihina fa misy lakroa avokoa ny Fiangonana katôlika.

Madagasikara Eglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina
Katedralin' Andohalo

Ny trano fiangonana katôlika tranainy indrindra eto Madagasikara dia ao amin' ny nosy Sainte Marie tokony ho 150 km ao ampita avaratr' i Toamasina.

Ny tantarany

Faha mpanjaka

Ny katôlisisma dia efa nisy nitondra teto amin' ny Nosy hatramin' ny faran' ny taonjato faha-16, sady efa nisy ny nanandrana nanao asa misiôna tamin' ny taona 1540 avy eo tamin' ny nahatongavan' ny Dôminikanina tamin' ny taona 1580 ary ny Zezoita tamin' ny taona 1610. Tsy nahitam-pahombiazana kely izany raha tsy tany amin' ny taona 1642.

Tonga ny moanina (na monka) lazarista tamin' ny taona 1643 ka tamin' ny 1643 no naorin' ny Papa Orbano VIII ny Prefektiora Apôstolikan' i Madagasikara. Nofaranan' izy ireo anefa ny misiônany aty Madagasikara tamin' ny taona 1674 noho ny haratsian' ny toetany sy ny tsy fitiavan' ny mponina azy ireo.

Maro ny misiônera katôlika frantsay nisy namono tamin' ny taona 1674, ary taorian' io dia norarana ny fivavahana katôlika tamin' ny fanombohan' ny taonjato faha-19. Maty martira tamin' ny taona 1832 i Henri de Solages ary heverina fa rain' ny Eglizy katôlika malagasy izy. Misy toerana fanaovana fivahiniana masina natokana ho azy ny ao Toamasina.

Niorina tamin' ny taona 1844 ny Misiôna Zezoita eto Madagasikara (frantsay: Mission Jésuite de Madagascar) ary ny trano fiangonana voalohany dia niorina tamin' ny taona 1857. Tamin' ny taona 1861 dia nanomboka nihamaro ny mpino katôlika teto Madagasikara noho ny nanambaràn-dRadama II ny fahalalahan' ny fivavahana.

Faha fanjanahan-tany

Lasa zanatanin' i Frantsa i Madagasikara tamin' ny taona 1897 nefa tsy nanohana ny misiôna katôlika i Galliéni (1896-1905) izay tsy nanavakavaka fivavahana, noho izy nampanjaka ny maha fanjakana laîka. Amin' ny ankapobeny anefa dia nahazo vahana ny katôlisisma ka somary sahirana noho ny fanenjehan' ny Zezoita azy ny Prôtestanta, dia ireo Zezoita izay nampifangaro ny raharaha pôlitika sy ny raharaham-pivavahana ka nanao ny Prôtestanta ho sakaizan' ny Anglisy sy ho fahavalon' ny Frantsay. Maro ireo mpino prôtestanta niala amin’ ny fiangonany noho ny tahotra. Tamin' ny nanapahan' ireo governora manaja ny maha fanjakana laîka an' i Frantsa vao niverina nalalaka indray ny safidy momba ny fivavahana. Tamin' ny taona 1938 no nahavitana printy ny Baiboly katôlika voalohany amin' ny teny malagasy.

Niroborobo tokoa ny Fiangonana katôlika teto Madagasikara tamin' ny andron' ny fanjanahan-tany na dia teo aza ny fandroahana ireo misiônera frantsay. Ny andry niorenany moa dia ramatoa Victoire Rasoamanarivo (1848-1894), vehivavy nahery fo tokoa tamin' ny fijoroana vavolombelon' ny finoana. Tsy niasa irery anefa izy fa nampian' i Frera Rafiringa Raphael Louis tamin' izany. Marihina fa izy ireo dia samy nasandratra ho olontsambatra avokoa. Teo ihany koa ny fifaninanana tamin' ny Fiangonana prôtestanta ka tsy mora tamin' ireo Katôlika tany amboalohany ny nifikitra tamin' ny fiangonany.

Teo anelanelan' ny taona 1896 sy 1898 ny Fiangonana katôlika dia nanomboka nametraka fandaminana ary tamin' ny taona 1925 dia nisy ny fanosorana pretra teratany malagasy voalohany. Efa nahatratra 100 000 ny mpino katôlika tamin' ny taona 1900. Tamin' ny taona 1939 no voahosotra ny pretra malagasy voalohany, dia i Ignatius Ramarosandratana, izay nohosorana ho eveka tany Rôma, tamin' ny andron' ny Papa Pio XII. Tamin' ny taona 1947 dia novonoin' ny mpitondra pôlitika tamin' izay ny katekista Lucien Botovasoa . Tamin' ny taona 1969 dia nanana ny kardinaliny manokana amin' izay ny Fiangonana katôlika eto Magadasikara, dia tsy iza fa i Jérôme Louis Rakotomalala.

Tamin' ny fahaleovanten' i Madagasikara

Naorin' ny Papa Joany XXIII ny Nonsiatora Apôstôlika eto Madagasikara tamin' ny 23 Septambra 1960. Nitsangana ny Fiombonan' ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (FFKM) tamin' ny taona 1980, izay nanery ny Fanjakana malagasy mba hanomboka hampihatra ny demôkrasia amin' izay tamin' ny taona 1991 tamin' ny alalan' ny fihetseham-bahoaka ka ny mpitarika tamin' izany fanovana izany dia ny Kardinaly Armand Gaétan Razafindratandra.

Namangy an' i Madagasikara ny Papa Joany Paoly II tamin' ny taona 1989 ary ny kardinaly Pietro Parolin, Sekreteram-Panjakana ao Vatikàna, dia nitsidika an' Antananarivo tamin' ny taona 2017

Tamin' ny taona 2017 dia nitsikera ny fanaovana pôlitika nisy hatrizay teto Madagasikara ny Fiangonana katôlika ka betsaka ny fanafihana nahazo ireo toeram-pitokanana sy ny fikambana pretra.

Ny solontenan' ny Papa eto Madagasikara, ny Nonsy Apôstôlika, hatramin' ny 13 Avrily 2015, dia ny Mgr Paolo Rocco Gualtieri.

Antontan' isa

Madagasikara Eglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina 
Katedralin' Antsirabe

Mitana anjara asa lehibe tokoa ny Fiangonana katôlika, indrindra eo amin' ny lafiny fahasalamana sy fanabeazana eto Madagasikara. Araka ny firaketan' ny Fiangonana tamin' ny 2003 dia nisy:

  • akanin-jaza miisa 749 izay misahana zaza madinika miisa 44167;
  • sekoly ambaratonga voalohany miisa 2479 izay ahitana mpianara miisa 332 811;
  • sekoly ambaratonga faharoa miisa 372 izay ahitana mpianatra miisa 88 959.

Tamin' ny faran' ny taona 2004 dia izao ny tarehimarika momba ny Eglizy katôlika eto Madagasikara:

  • paroasy miisa 317;
  • pretra miisa 1 134;
  • relijiozy miisa 3 771;
  • toeram-pampianarana miisa 3 316;
  • fikambanana mpanao asa soa miisa 349;
  • mpino katôlika miisa 4 582 644 izay 23,59 %n' ny mponina eto amin' ny Nosy.

Tamin' ny taona 2007 ny eto Madagasikara dia nahitana:

  • paroasy miisa 315;
  • eveka miisa 27;
  • pretra diôsezanina miisa 556;
  • pretra amin' ny fikambanana hafa miisa 673;
  • moanina miisa 420;
  • relijiozy miisa 4 100.

Rafitra

Arsidiôsezy sy diôsezy

Mizara ho arsidiôsezy dimy sy diôsezy roa amby roapolo ny Eglizy katôlika eto Madagasikara ka ireto avy izany:

Arsidiôsezin' Antananarivo

Ireto ireo diôsezy ao amin' ny Arsidiôsezin' Antananarivo:

Arsidiôsezin' Antsiranana

Ireto ireo diôsezy ao amin' ny Arsidiôsezin' Antsiranana:

Arsidiôsezin' i Fianarantsoa

Ireto ireo diôsezy ao amin' ny Arsidiôsezin' i Fianarantsoa:

Arsidiôsezin' i Toamasina

Ireto ireo diôsezy ao amin' ny Arsidiôsezin' i Toamasina:

Arsidiôsezin' i Toliara

Ireto ireo diôsezy ao amin' ny Arsidiôsezin' i Toliara:

Ny mpitantana

Kardinaly nifandimby:

  • Kardinaly Razafindratandra Armand Gaëtan (hatramin' ny taona 2010)
  • Kardinaly Tsarahazana Désiré

Eveka:

  1. Ambanja: Mgr Rosario Vella
  2. Ambatondrazaka: Mgr. Antoine Scopelliti
  3. Ambositra: Mgr. Rakotonarivo Fidelis
  4. Antananarivo: Mgr. Razanakolona Odon Marie Arsene
  5. Antsirabe: Mgr. Jean Pascal ANDRIANTSOAVINA
  6. Antsiranana: Mgr. Ramarson Benjamin Marc
  7. Farafangana: Mgr. Rakotonirina Charles-Remy
  8. Fenoarivo Atsinanana: Mgr. Rakotomamonjy Marcellin
  9. Fianarantsoa: Mgr. Rabemahafaly Fulgence
  10. Ihosy: Mgr. Ranaivomanana Philippe
  11. Mahajanga: Mgr. Randrianasolo Joseph Ignace
  12. Mananjary: Mgr. José Alfredo Caires de Nobrega
  13. Miarinarivo: (Mgr. Razakarivony Raymond) Mgr. Randrianarisoa Jean Claude
  14. Morombe: Mgr. Zygmunt Robaszkiewicz
  15. Morondava: (Mgr. Donald Joseph Leo Pelletier) Mgr. Raharilamboniaina Fabien
  16. Port-Bergé: Mgr. Toasy Armand
  17. Toamasina: (Mgr. Rakotondrabe René Joseph ) Mgr. Tsarahazana Désiré
  18. Tôlagnaro: Mgr. Jean Pierre Dominique Zévaco
  19. Toliara: Mgr. Rabeony Fulgence
  20. Tsiroanomandidy: Mgr. Gustavo Bombin Espino

Ny Kônferansa Episkôpaly

Filoha

  • Arseveka Jérôme Rakotomalala (1965 - 1966);
  • Arseveka Gilbert Ramanantoanina, SJ (1966 - 1971)
  • Mgr Albert Joseph Tsiahoana (1971 - 1974)
  • Kardinaly Victor Razafimahatratra , SJ (1974 - 1986)
  • Mgr Albert Joseph Tsiahoana (1986 - 1992)
  • Mgr Jean-Guy Rakodondravahatra , MS (1992 - 1996)
  • Kardinaly Armand Gaétan Razafindratandra (1996 - 2002)
  • Arseveka Fulgence Rabeony , SJ (2002 - 2006)
  • Mgr Fulgence Rabemahafaly (2006 - novembre 2012)
  • Mgr Désiré Tsarahazana, arseveka, nanomboka tamin' ny Novembra 2012.

Jereo koa:

Rohy ivelany

Loharano sy fanamarihana

Tags:

Madagasikara Eglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina Ny tantaranyMadagasikara Eglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina Antontan isaMadagasikara Eglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina RafitraMadagasikara Eglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina Jereo koa:Madagasikara Eglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina Rohy ivelanyMadagasikara Eglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina Loharano sy fanamarihanaMadagasikara Eglizy Katôlika Apôstôlika RômaninaArsidiôsezyDiôsezyFiangonana katôlikaLakroaMadagasikaraPapaRôma

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

FivavahanaInstagramRené DescartesRanavalona IIDokuWikiAdaoroVoronaparadisaFilazantsara araka an' i LiokaFanekem-pinoana nikeanaAngatra (lolo)Fiangonan' i Jesoa Kristy eto MadagasikaraBoky faharoan' i Samoela8AndriamisaraKolontsainaMatioRay aman-drenyAriaryWayback MachineFiteny hindỳMatoanteny mpanampyVondrona WagnerEkolojiaJay Wright ForresterMpisolo tena (fitsipiteny)TsirintenyTwitterOhabolanaPapelika (vorona)Abdul KizmazISO 3166-1Ranomasin' i AzovVintana (finoan-drazana malagasy)FariseoKôbaltaAlahasatyMichael FinckeRSSMiksa DériBodismaMichał Pazdan(194602) 2001 XR129FanisanaZermaniômaSilamo eto MadagasikaraMozilla FirefoxRanomasimbe PasifikaOlombelonaFitiavanaGœrsdorfFiteny kikôngô1361Tantala (metaly)Voltora eorazianaAlemainaFiteny persanaFamoronana (araka ny Baiboly)RasendrasoaZanahary (finoan-drazana malagasy)Firaisana ara-nofoSorona masinaEl Dorado, ArkansasAndriamangariraKor'anyZaburRanomasinaKaremyFory🡆 More