Dox (Jean Verdi Salomon Razakandrainy)

I Dox na koa fantatra tamin'ny anarana hoe Jean Verdi Salomon Razakandraina dia teraka tamin'ny 13 Janoary 1913 tao Manankavaly.

I Dox na koa fantatra tamin'ny anarana hoe Jean Verdi Salomon Razakandraina dia teraka tamin'ny 13 Janoary 1913 tao Manankavaly. Azo lazaina ho anisan'ny poety malagasy fanta-daza indrindra amin'izao andro izao i Dox.

Sary:Dox Jean Verdi Salomon Razakandrainy.jpg
Dox na Jean Verdi Salomon Razakandrainy
Dox
Ankapobeny
AnaranaDox
Teraka13 janoary 1913
Maty14 jona 1978
Fiaviana sy ny andraikitra
FirenenaMadagasikara
Asa :Mpanoratra sy mpanao hosodoko
Fiainana manokana
Seha-pitiavanaVadiny : Razanabololona Perle

Biôgrafia

Teraka tamin'ny 13 janoary 1913 tany Manankavaly izy, fony nitana ny "Trano fitsaboana boka" tany It. Dr Samuël Salomon rainy, fa ny faritanin'Antsirabe no tena fiaviany.

Sekoly maro no nianaran'i Dox: sekolim-panjakana tao Antsirabe, sekoly protestanta tao Ambohijatovo avaratra, Ambohimanoro, Collège Paul Minault. Tao amin'ity Kolejy farany ity no nanombohany nanoratra raha nandray anjara tamin'ny gazety nifanaovan'izy samy mpianatra tao izy, ka tamin'izay no nakany ny solon'anarana hoe "Dox" (mifanohitra amin'ny hoe "paradoxe" , hoy izy, no nakany an'io noho izy tsy mba tia "paradoxe" ).

Tao amin'ny gazety Fandrosoam-baovao sy Tatsinanana no nisantarany fisehoana sy nitohizany nanoratra taona vitsivitsy. Tao aorian'izay no nanomboka nisesy ny famoahany boky, ao koa ireo tantara fampiseho ambony lampihazo efa vita boky na tsy mbola nivoaka boky, ry ireo dikana teatra malaza frantsay izay vao i Dox no nanandrana nandika azy amin'ny teny malagasy vita poezia.

Nampianatra tany Antsirabe i Dox, ary tamin'izany no nahafantarany an'i Razanabololona Perle izay tonga vadiny tamin'ny taona 1943. Nipetraka tao Mandoto izy ireo talohan'ny nifindrany tao Antananarivo indray noho ny antony ara-pahasalamana.

Taom-pahoriana ho an' i Dox ny folo taona nanomboka teo satria maty tamin'ny novambra 1945 ny zanany voalohany. Nodimandry tamin'ny Febroary 1949 ny zanany fahatelo, ary iray volana taorian'io dia nandao koa ny rainy tamin'ny martsa 1949. Tsy ela taorian'ireo, tamin'ny 1954, no nodimandry i Razanabololona Perle vadiny.

Maty tamin'ny 14 Jona 1978 tao Antananarivo i Dox, ary milevina ao amin'ny fasan-drazany ao Anjanapara Antsirabe.

Tsara ho fantatra fa disoan'ny olona matetika ny fanoratra ny anarany. Razakandraina no tena izy fa tsy Razakandrainy. Ny hevitr'izany anarana izany dia mifototra amin'ny hoe andrandraina, araky ny filazan'i Dox azy.

Ny mampiavaka azy

Nidonam-pahoriana maro i Dox tamin'ny fiainany (maty ny zanany voalohany tamin'ny novambra 1945, ny fahatelo tamin' ny janoary 1949, io taona ihany koa no maty ny rainy, ary lasa ny vadiny, Razanabololona Perle, tamin'ny jolay 1954).

Tsy mahagaga raha maro ireo tononkalony no mihira ny fahafatesana sy ny fiononana.

Fa ny fitiavana no azo lazaina ho manan-toerana lehibe indrindra ao amin'ny soratr'i Dox: fitiavana manan-tarehy manokana anefa, fa tsy mba irony rediredim-pitia mitory fangorintsin'ny nofo eo anoloan'ny tiana, fa ny fihetseham-po aman-tsaina eo anoloan'ny tiana sy ny mety ho tiana na ny fitsikerana fihetseham-pom-pitiavana.

Ny fomba fanoratr'i Dox dia manana izay toetrany manokana izay koa: tsotra nefa mifono - ary hita mikaroka - hevi-dalina voalaza amin'ny teny misy sary sy loko.

Dox dia :

-manoratra tononkalo mendrika "sonnet" 4-4-3-3 izany hoe ny andininy roa voalohany andalana efatra ary ny andininy roa faharoa andalana telo

-mpanankato "bohemien" izany hoe mandehandeha

-nikalo ny zava-boahary

Ny asa-sorany

Ny boky sy amboaran-tononkalo navoakany :

  • Ny Hirako (1940),
  • Izy mirahavavy (1946),
  • Hira va (1948),
  • Solemita (1949),
  • Rakimalala (1955),
  • larivo (1956),
  • Voninkazon'ny Tanteraka (1956),
  • Ny Fitiavany (1957),
  • Apokalipsy,
  • Izy mirahalahy (1958),
  • Fahatsiarovan-tena (1958),
  • Amina Batsola (1958),
  • Mavo handray fanjakana (1958),
  • Telomiova (1960)

Marihina etoana fa maro ireo tononkalony izay navadika ho hira, toy ny « Ny hirako » nataon'i Ramaroson William, niaraka tamin'ny mpilalao mozika « Sorajavona ». Ny amboaran-tononkalo nosoratany tamin'ny teny frantsay dia mitondra ny anarana hoe "Chants capricornien" ary novitainy tamin'ny 1971. Tsy natonta anefa izy io raha tsy tamin'ny 1991 ary naverina natonta indray tamin'ny 1995.

Ny tantara fampiseho ambony lampihazo :

  • Solemita (1949)
  • Apokalipsy (1957)
  • Estera (1958)
  • Ombalahibemaso
  • Ombalahy savika ombalahy (1958).

Ireo dikana teatra malaza frantsay nataony :

  • Le Cid - Corneille
  • Andromaque - Racine
  • Tononkalon'i Victor Hugo sy Ronsard
  • Romeo and Juliette - Shakespeare (nadika avy tamin'ny teny anglisy)

Ny zanany

Niteraka dimy i Dox :

-Fontaine Ratiaray Solohery Salomon,

-Elie Ramasindraibe Salomon,

-Josué Andrianandraina Salomon,

-Roger Andriamamparanony Salomon (Dede Salomon eo amin'ny sehatry ny zavakanto),

-Paulette Rasoamampianina Salomon.

Ny zanany atao hoe Ratsitolora Arthur Salomon sy Rahantavololona Aimee Salomon dia ireo maty fony mbola zaza menavava.

Ilay mpanoratra fantatry ny maro amin'ny anarana hoe Hanitrony, izay filohan'ny sampana Havatsa-UPEM any Frantsa, dia tsy zanak'i Dox fa zafikeliny ary zanak'i Roger Andriamamparanony Salomon.

Rohy ivelany

Sokajy hafa

AstronomiaBiolojiaHay TanyEkolojiaFahasalamànaFizika • Informatika • KajySimiaFanisanaMatematikaToe-tsaina
TantaraFambolena • Taozava-baventy • Governemanta • LalànaMaritrano • Fitsaboana • Politika • Raharaham-bahoaka • Raharaha • Rindran'asa • Teknolojia
Arkeôlojia • JeografiaFitenyFikarohana momban'ny fitenyAnganoFiaraha-moninaToe-Karena
Fomban-drazana • Fivavahana • Foto-pinoana • Fiangonana
Fialamboly • Fizahan-tany • Haisoratra • Asa-tanana • Fialam-boly • HosodokoInternetLalaoMozika • Nahandro • Opera • Filazam-baovao • Sarimihetsika • Sokitra • Tononkalo • Fisokajiana araka ny lohateny • Disiplina akademika • Alimanaka • Tabilao ny Tsiahy • Tantaram-piainana (biôgrafia) • Toro Lalana

This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Dox (Jean Verdi Salomon Razakandrainy), which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply. (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 3.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
#Wikipedia® is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.