Vahoaka Daiaka: Vondrona teratany teratany any Kalimantan

Ny Daiaka na Daia dia vahoaka tompon-tany ao amin' ny nosy Bôrneô, monina ao amin' ny ati-tany indôneziana sy maleziana any Azia Atsimo-Atsinanana.

Isan' ny atao hoe vahoaka aostrôneziana izy ireo. Miteny amin' ny fiteny malaiô-pôlieziana izy ireo. Ny endrika ara-batan' ny Daiaka dia vokatry ny fifangaroana hatramin' ny ela teo amin' ny vahoaka sinoa sy maley ary negritô.

Vahoaka Daiaka: Fiforonan-teny, Fisokajiana anatiny ny vahoaka daiaka, Kolontsaina
Tanora daiaka (ao amin' ny vondrona Ibàna)

Fiforonan-teny

Ny teny hoe daiaka dia fanagasiana ny teny maley hoe daiak (izay mety hiseho amin' ny endrika hoe dayu koa), izay midika ara-bakiteny hoe "dia" izany hoe "olon-dia". Ireo mponina amorontsiraka no nampiasa ity teny ity hanondroany ireo mpoina tsy nandray ny fivavahana silamo.

Fisokajiana anatiny ny vahoaka daiaka

Mizara ho vondrona fito ny Daiaka, araka ny fomba itenenany ny fiteny malaiô-pôlineziana. Ireo fizaràna ireo dia mbola mizara zana-bondrona maro dia maro indray. Ireto ny vondrona fito:

  1. ny Ngajo;
  2. ny Apô Kaiàna (tafiditra ao ny Ôragna Olo);
  3. ny Ibàna (Daiaka an-dranomasina na Hivàna);
  4. ny Bidaioha (na Daiaka an-tanety) na Klemantàna;
  5. ny Kadazàna sy ny Dosona ary ny Moroty;
  6. ny Ponàna;
  7. ny Ôty Danoma

Ny Ponàna sy ny Klemantàna ary ny Keniaha no vahoaka tranainy indrindra ao Bôrneô. Ny Kaiàna sy ny Moroty ary ny Ibàna no tonga taty aoriana.

Ny Ibàna, izay atao hoe Diakan-dranomasina, dia jiolahin-tsambo taloha sy mpaka tany malaza, ary mety izy ireo no Daiaka tonga farany tao Bôrneô. Izy ireo ihany no vondrona daiaka monina amin' ny faritra amorontsiraka. Mitovy fomba aman' endrika amin' ny Maley izay tonga tao Bôrneô tamin' ny taonjato faha-12 izy ireo. Nanova ny finoan' ny Ibàna ho amin' ny fivavahana silamo ny Maley, nefa tsy nanary ny fomban-drazany sasany; manao fanabadian' ny tsy mitovy finoana izy ireo, sady nisy fianraikany lehibe tamin' ny fiteny maley ny fiteniny.

Ny vondrona daiaka hafa, indrindra ny Kaiàna sy ny Ponàna, dia nitahiry kokoa ny fomban-drazany. Mivavaka amin' andriamanitra maro izy ireo.

Kolontsaina

Fomba amam-panao taloha

Vahoaka Daiaka: Fiforonan-teny, Fisokajiana anatiny ny vahoaka daiaka, Kolontsaina 
Fapisehana karandoha sy fitaovam-piadiana azo tamin' ny fihazana lohan' olona tany aloha

Malaza ho mpihaza lohan' olona ny Daiaka taloha, araka ny finoany ara-pivavahana, nefa efa tsy misy intsony izany ankehitriny na dia misy fampisehoana an' izany ho hitan' ny mpizaha tany. Ny Ibàna no nandao ity fomba ity talohan' ny foko daiaka hafa rehetra angamba noho izy ireo monina amorontsiraka ka nandray ny fomba amam-panao indiana sy miozolmana. Nalaza koa ny Daiaka amin' ny fampiasany karandoha notapahina atao fisotroan-drano na zavatra hafa.

Fivavahana ankehitriny

Ny fivavahana kristiana sy silamo dia nanapotika ny kolontsaina nentim-paharazana ka niteraka fikorontanana ara-toekarena. Maro amin' ny mponina ao amin' ireo vondrona daiaka ireo no mbola mino sy mivavaka amin' ny fanahy isan-karazany (animista) sady nanaisora ny ravaka mavesatra fanao amin' ny sandry sy ny ranjo ary ny sofina (izay nalaza tamin' ny taonjato faha-19) izay nosoloany fihaingoana hafa toy ny bigody.

Fiteny

Ny Daiaka dia miteny amin' ny fiteny isan' ny sapana malaiô-pôlinezianan' ny fianakaviam-piteny aostrôneziana, izay mitsinjara ho vondrom-piteny toy izao:

  • vondrom-piteny baritô;
  • vondrom-piteny kaiana-morika;
  • vondrom-piteny daiaka an-tanety;
  • vondrom-piteny malaîka;
  • vondrom-piteny malaiô-pôlineziana avaratra-andrefana;
  • vondrom-piteny solaoesiana.

Tany onenan' ny Daiaka

Vahoaka Daiaka: Fiforonan-teny, Fisokajiana anatiny ny vahoaka daiaka, Kolontsaina 
Ny Repoblikan' ny Fanjakana Mikambana ao Indônezia

Ny Daiaka Lehibe (Dayak Besar) dia anaran' ny tany federaly tao amin' ny Republik Indonesia Serikat ("Repoblikan' ny Fanjakana Mikambana ao Indônezia") izay niserana ihany, nekana fisiana tamin' ny 27 Desambra 1949 taorian' ny Konferensi Meja Bundar ("Kônferansan' ny Latabatra boribory"), izay nosoloana ny Negara Kesatuan Republik Indonesia ("Fanjakana Tokan' ny Repoblikan' i Indônezia") tamin' ny 17 Aogositra 195. Izany tany izany dia mifanandrify amin' ny faritani' i Kalimantàna afovoany ankehitriny.

Tags:

Vahoaka Daiaka Fiforonan-tenyVahoaka Daiaka Fisokajiana anatiny ny vahoaka daiakaVahoaka Daiaka KolontsainaVahoaka Daiaka Tany onenan ny DaiakaVahoaka DaiakaAzia Atsimo-AtsinananaBôrneôFiteny malaiô-pôlinezianaIndôneziaMaley (vahoaka)MaleziaRepoblika Entim-bahoakan'i SinaVahoaka aostrôneziana

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

AziaSôfia (gnôstisisma)KôntinentaAlikaErwin WurmAl-ShahrastaniAnsel AdamsRepoblika MalagasyOmbyShahram NazeriHermann HesseGabônaFilazantsara araka an' i LiokaZanatsoratraFifanakalozan-kevitry ny MpamonjyFilaza mandidyHypertext Markup LanguageBodo (mpihira)Sugar Land, TexasMôralyBokin' i JeoFanambaràna Iraisam-Pirenena momba ny Zon' OlombelonaFaingo mihantonaFanandroana malagasyIreneo avy any LogdanomaTobilehibe FarihimenaZavakantoFiarakodiaPaiso (voany)TobilehibeTeôlôjiaFahasalamanaPistisy SôfiaKabary am-panambadianaTantaran' i MadagasikaraCarl Gustav JungSodànaGordie HoweWikimaniaAdama sy EvaVavaka dimy fanao isan' andro (silamo)Ny Sôfian' i Jesoa KristyHasina (fizarazaràna)Roger ByrneFaritra Amoron' i ManiaEpistily ho an' ny RômanaOva-matoantenyBokin' i IsaiaVolana (fotoana)Zanak' OlonaSongosongoPatrick EbertBokin' i DanielaBôliviaKômôroFaritra BoenyFifandraisan-davitraFahitalavitraAndriamasinavalonaThomas MannParakyVanim-potoana kristianaVietnamyKatesizin' ny Fiangonana KatôlikaAlahasatyLee TrevinoApôkalipsy voalohan' i JakôbaLalan-jazaWikiDavida (mpanjaka)FahaleovantenaTambintenyMadagasikara zanatany frantsaySinaFiteny sanskrity🡆 More