Bokin' I Ezekiela

Ny Bokin' i Ezekiela dia boky ao amin' ny Tanakh (Baiboly hebreo) sy ny Testamenta Taloha ao amin' ny Baiboly kristiana.

Milaza fitsarana sy fandrahonana ny Israelita ny faminaniana raha mbola tsy rava ny Fanjakan' i Jodà, fa faminaniana ny fanamelohana ireo firenena mpampahory ny vahoakan' Andriamanitra sy fanantenana ny hiverenan' ny voninahitr' i Israely kosa no votoatin' ny faminanianana nandritra ny Fahababoana tany Babilôna. Ho tsaraina amin' ny asa nataony avy ny olombelona tsirairay sady hisy ny fitsanganan' ny maty ho velona. Haorina fanindroany ny Tempoly. Izany dia fahitana apôkaliptika.

Bokin' I Ezekiela
Ny fahitan' ny mpaminany Ezekiela, sary natao' i Gustave Doré, taona 1883.
Bokin' I Ezekiela
Ny Lohasahan' ny taolana maina, sary nataon' i Quentin Metsys the Younger, taona 1589.

Isan' ny atao hoe Mpaminany lehibe ao amin' ny sokajin' ny Bokin' ny mpaminany ao amin' ny Baiboly ny Bokin' i Ezekiela, fa isan' ireo atao hoe Nevi'im aharonim ("Mpaminany taoriana") izy ao amin' ny fizaràna faharoan' ny Tanakh (Baiboly hebreo) atao hoe Nevi'im.

Ny fanoratana ny boky

I Ezekiela

Mpisorona tao Jerosalema i Ezekiela. Nentina natao sesitany tany Babilônia koa izy niaraka tamin' ireo Jiosy hafa avy any Jodà tamin' ny fotoan' ny Fahababoana, tamin' ny andron' i Dariôsy Lehibe mpanjakan' i Persia tany amin' ny taonjato faha-6 tal. J.K.

Bokin' I Ezekiela 
Ny kisarin' ny Tempoly, sary nataon' i Charles Chipiez, taonjato faha-19.

Nofidin' Andriamanitra ho mpaminany ho an' ireo babo tany Babilôna sy ireo sisa tavela tao Jerosalema izy. Nanomboka tokony ho tamin' ny taona 597 tal. J.K. nandritra ireo taona faramparan' ny Fanjakan' i Jodà sady nifarana tamin' ny 570 tal. J.K. ny asa faminaniany. Ataon' Andriamanitra hoe "zanak' olona" i Ezekiela.

Ny mpanoratra ny boky

Ny lovantsofina dia manao an' i Ezekiela ho nanoratra ny Bokin' i Ezekiela. Ny mpikaroka sasany anefa milaza fa tsy olon-tokana no nanoratra io boky io fa olona maro tamin' ny fotoana samihafa. I Pohlmann dia milaza fa ny toko voalohany hatramin' ny faha-33 dia nosoratan' ilay mpaminany fa ny faha-34 hatramin' ny 48 dia soratra fanatevenana taty aoriana natao tao Babilôna.

Ny anaran' ilay boky

Amin'ny teny hebreo dia atao hoe ספר יְחֶזְקֵאל / Sefer Yĕkhezqiēl ny Bokin'i Ezekiela. Ao amin'ny Septoajinta izy dia atao hoe Ἰεζεκιήλ / Iezekiêl.

Ny firafitry ny boky

Ny fizaràn' ny boky

Azo zaraina dimy ny Bokin' i Ezekiela:

  • Hitan' i Ezekiela ny voninahitr' Andriamanitra (1 – 3)
  • Manakiana sy mandrahona an' ny Israelita i Ezekiela (4 – 24)
  • Hotsarain' Andriamanitra ny firenen-kafa nampahory an' i Israely (25 – 33)
  • Fampiononana sy fampanantenana ny vahoakan' Andriamanitra (34 – 39)
  • Ny ho endriky ny Tempoly faharoa sy ny firenen' i Isiraely amin' ny hoavy (40 – 48)

Ireo lohahevi-dehiben' ny boky

  • Ny fahitana ny amin' ny kalesin' Andriamanitra;
  • Faminaniana manameloka an' i Jerosalema;
  • Faminaniana manameloka ny firenena hafa;
  • Ny amin' i Gôga sy i Magôga;
  • Ilay Lohasahan' ny taolam-paty;
  • Ny fahitana momba ny Tempoly.

Jereo koa

Loharano

Tags:

Bokin' I Ezekiela Ny fanoratana ny bokyBokin' I Ezekiela Ny anaran ilay bokyBokin' I Ezekiela Ny firafitry ny bokyBokin' I Ezekiela Jereo koaBokin' I Ezekiela LoharanoBokin' I EzekielaBaibolyFahababoana tany BabilônaFanjakan' i JodàFanjakan'i Israely (Samaria)Fitsanganan-ko velonaFitsarana faranyLiteratiora apôkaliptikaTanakhTempolin'i JerosalemaTestamenta Taloha

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

MôsikaoFiangonan' i Jesoa Kristy eto MadagasikaraNaoroOsama Bin LadenTantaran' ny Repoblika Demôkratikan' i KôngôTsimihetyVolahavana GermaineNina HartleyBokin' ny FitomanianaAhidamboTetiandro malagasyPôlôniaFiteny bezanozanoHasina (hery tsy hita maso)GovernemantaIrànaFanjanahantany15 AprilyKristôlôjiaBokin' ny GenesisyAbdellatif FellainiRanavalona IAndrianampoinimerinaAntandroyPapaRanavalona IIIDavida (mpanjaka)Jean-Joseph RabeariveloAntesakaKatesizin' ny Fiangonana KatôlikaHasinaRasoherinaFatranaX-SAMPAZon' olombelona1 MartsaAndriamanitra (tokana)Franco RocchiDiôsezin' i Fenoarivo-AtsinananaFiarahamoninaJoany ApôstôlyMpampiankin-tenyAterinetoFisoronana sy fanalana vintana1624Radama IIFanjakan' ImerinaFehezankevitra (fitsipiteny)Kristianisma eto MadagasikaraFiainana ara-panahyMpampiankina fehezankevitraNosy EuropaMari-piatoanaFaritra Melaky23 DesambraMpisorona jiosyFanjakana MitambatraFanatontoloanaRajoelina AndryFindayAbidy Ara-drafipeo Iraisam-pirenenaOperaEuroWolfgang OverathIndôneziaOlombelonaPastoraForyFangitra ara-jeografia🡆 More