Bokin' I Daniela

Ny Bokin' i Daniela na Bokin' i Daniely dia boky hita ao amin’ ny Baiboly hebreo sy ao amin’ ny Testamenta Taloha ao amin’ ny Baiboly kristiana.

Amin’ ny voalohany ny boky dia mitantara ny amin’ ny zatovolahy hebreo efatra izay samy avy ao amin’ ny fanjakan’ i Jodà, indrindra fa i Daniela (na Daniely), izay lasa babo avy tany Jerosalema ka nasesitany tany Babilonia tamin’ ny taona 606 tal. J. K. Lasa mpiasam-panjakana tao Babilôna i Daniela sy ireo namany telo rehefa hitan’ ny mpanjaka ny fahendreny. Tsy nivadika tamin’ ny finoana an’ Andriamanitra anefa izy ireo na dia teo ny fanerena samihafa nahazo azy mba hanompo sampy ary na saika ho namoizany ny ainy aza izany. Resin’ ireo Mediana sy Persiana ny Babilôniana nefa nanohy ny asany tao amin’ ny fanjakana ihany i Daniela.

Bokin' I Daniela
I Daniela mamaly ny antson' ny mpanjaka, sary nataon' i  Briton Rivière, 1892

Amin’ ny tapany faharoa ny boky dia mitantara ny fahitana maro izay nasehon' Andriamanitra an' i Daniela sy ny hevitr’ ireo fahitana ireo araka ny nambaran' ny anjely taminy.

Sady bokin-tantara no bokim-paminaniana ny Bokin' i Daniela. Ny boky manontolo dia maneho ny fifehezan’ Andriamanitra ny tantaran’ ny zanak' olombelona sy izao tontolo izao.

Fanoratana sy fandraisana ny boky

Fanasokajiana ny boky

Ao amin' ny Tanakh, ny Bokin' i Daniela dia voasokajy ao amin' ireo boky atao hoe Soratra (Ketuvim) fa ao amin' ny Baiboly kristiana kosa dia isan' ireo bokim-paminaniana izy.

Fotoana nanoratana sy mpanoratra

Ny lovantsofina jiosy dia manao ny mpaminany Daniela ho nanoratra io boky mitondra ny anarany io. Ny mpikaroka ankehitriny anefa dia milaza fa tsy fantatra ny nanoratra an’ io boky io ka mety ho olon-tokana na maro. Tokony ho tamin’ ny taonjato faharoa tal. J. K. tamin’ ny andron’ ireo Makabeo, izay nahabetsaka ny karazan-dahasoratra apôkaliptika, no nanoratana ny boky.

Fandraisana ho boky filamatry ny finoana

Voaray ho isan’ ny boky filamatra (boky kanonika) ao amin’ ny Baiboly hebreo ny Bokin’ i Daniela tamin’ ny taona 90 taor. J. K. Ny tovan' ny Bokin' i Daniela hita ao amin’ny Baiboly katolika sy Baiboly ortodoksa (indrindra ny toko faha-13 sy faha-14) dia ampahany voasokajy ho filamatra faharoa (deoterôkanônika) ao amin’ ireo Baiboly ireo fa boky apôkrifa mahaleo tena kosa ho an’ ny Jiosy sy ny Prôtestanta.

Fiteny nanoratana ny boky tamin’ny voalohany

Voasoratra amin’ ny fiteny telo ny Bokin’ i Daniela tranainy voatahiry. Misy tapany amin’ ny boky izay voasoratra amin’ny fiteny hebreo (1.1 – 2.4a sy 8 – 12) sy arameana (2.4b – 7.28). Ireo ihany no mamorona ny Bokin’ i Daniela ao amin’ ny kanônan’ ny Baiboly hebreo sy ny Baiboly prôtestanta sady sokajin’ ny Katôlika sy ny Ôrtôdôksa ho prôtôkanônika. Ny ampahany deoterôkanônika ao amin’ ny Baiboly katolika sy Baiboly ôrtôdôksa dia voasoratra amin’ ny fiteny grika.

Ny anaran' ilay boky

Amin'ny teny hebreo dia atao hoe ספר דָּנִיֵּאל / Sefer Dānî'ēl ny Bokin'i Daniela. Ao amin' ny Septoajinta izy dia atao hoe Δανιήλ / Daniêl.

Fizaràn' ny Boky

Azo zaraina roa ny Bokin’ i Daniela ao amin’ ny Baiboly protestanta sy ao amin’ ny Tanakh. Ny fizaràna voalohany dia tantara fa ny fizaràna faharoa kosa dia faminaniana apokaliptika. Miampy fizaràna fahatelo izany ao amin’ ny Baiboly katôlika, dia ireo soratra fanampiny tsy hita na ao amin’ ny Baiboly prôtestanta na ao amin’ ny Tanakh.

Tsy mitovy noho izany ny isan’ ny toko ao amin’ ny Baiboly katôlika na ny Baiboly ôrtôdôksa sy ao amin’ ireo Baiboly hafa. Ao amin’ ny Baiboly prôtestanta sy Baiboly hebreo, ny Bokin’ i Daniela dia misy toko roa ambin’ ny folo fa ao amin’ ny Baiboly katôlika sy Baiboly ôrtôdôksa kosa dia misy toko efatra ambin’ ny folo.

Ankoatr’ izany, ny toko faha-3 dia misy tohiny izay tsy voasoratra amin’ ny fiteny hebreo na arameana ihany koa, dia ny "Tononkiran’ i Hazarià" (3.24-49) sy ny "Tononkiran’ ireo ankizilahy telo" (3.50-90).

Ny tantaran' i Daniela sy ireo namany telo (Dan. 1 – 6)

Ireto ireo naman' i Daniela: i Sadràka sy i Mesàka ary i Abednego. Tsy anarana hebreo ireo fa babiloniana fa ny anarana hebreon’izy ireo dia Hananià sy i Misaela ary i Hazarià. Ny anarana babilonianan’ i Daniela dia i Beltesatsara (na Beltesazara). Ny tantara dia miseho ao Babilona tamin’ny andron’ i Nebokadnetsara (Nebokadnezara na Nabokôdônôzôra) sy i Balsatsara (na Belsazara, izay ataon’ ny boky hoe zanak’ i Nebokadnetsara) sy i Dariosa (izay lazain’ ny boky fa Mediana nandimby azy). Matetika no iharam-pisedrana mahery vaika izy efadahy nefa mivoaka mpandresy foana manoloana ireo fahavalony noho ny famonjen’ Andriamanitra azy ka miaiky ny herin’ Andriamanitra koa noho izany na ny jentilisa aza.

I Daniela sy ireo namany tao an-dapan' i Nebokadnetsara (Dan. 1)

Ny Babilôniana fahizay dia nino fa ny mpahay majika sy ireo milaza tena ho mpilaza ny ho avy dia manana fahefana hamantatra ny ho avy tokoa. I Nebokadnetsara, mpanjakan' i Babilôna, dia nanapa-kevitra ny hamantatra raha manan-kambara aminy ireo Jiosy efadahy voababo ireo, mba hilaza aminy ny ho avy.

Ny nofy voalohan' i Nebokadnetsara: ilay sarivongana (Dan. 2)

  • Ny nofin’ i Nebokadnetsara sy ny nanontaniany ny hevitr’ izany tamin’ ireo mpanandro (2.1-13)
  • Nambaran’ Andriamanitra an’ i Daniela ny hevitr’ ilay nofy (2.14-25)
  • Ny amin’ ilay sarivongana marefo tongotra (2.26-45)
  • Fiekem-pinoan’ i Nebokadnetsara (2.46-49)

Ny sarivongana ao amin’ ny nofin’ i Nebokadnetsara dia maneho ireo fanjakana efatra nifandimby, dia ny Babiloniana sy ny Mediana sy ny Persiana ary ny Grika.

Bokin' I Daniela 
I Nebokadnetsara, natao'i William Blake, anelanelan'ny taona 1795 sy 1805

Tsy nety nivavaka tamin' ilay sarivongana (Dan. 3)

  • Nampanao sarivongana tsy maintsy hivavahana i Nebokadnetsara (3.1-7)
  • Tsy nivadika i Sadràka sy i Mesàka ary i Abednegô ka natsipy tao anaty afo (3.8-23)
  • Tononkiran' i Hazarià tao anaty afo (3.24-49): tapany tsy hita ao amin’ ny Baiboly hebreo syny Baiboly prôtestanta satria tsy voasoratra tamin’ ny fiteny hebreo na arameana tany amboalohany.
  • Tononkiran’ ireo zatovolahy telo tao anaty afo (3.50-90): tapany tsy hita ao amin’ ny Baiboly hebreo sy Baiboly prôtestanta satria tsy voasoratra tamin’ ny fiteny hebreo na arameana tany amboalohany.
  • Ny famonjen’ Andriamanitra azy telolahy avy tao amin’ ny afo (3.91-97 ao amin’ ny Baiboly katôlika sy Baiboly ôrtôdôksa fa 3.24-30 kosa ao amin’ ny Baiboly prôtestanta sy ny Baiboly hebreo)
  • Niaiky ny halehiben’ Andriamanitra i Nebokadnetsara (3.98-100 ao amin’ ny Baiboly katôlika sy Baiboly ôrtôdôksa fa 3.31-33 ao amin’ ny Baiboly prôtestanta sy hebreo).
Bokin' I Daniela 
Ilay fanasam-ben' i Belsatsara, sary nataon' i Rembrandt, taona 1635-1638

Ny nofy faharoa: ilay hazo lehibe (Dan. 4)

  • Ny nofin’ i Nebokadnetsara (4.1-15)
  • Nambaran’ i Daniela ny hevitr’ ilay nofy (4.16-24)
  • Tanteraka izay zavatra hita tao amin’ ny nofy (4.25-30)
  • Sitrana i Nebokadnetsara (4.31-34)

Ny fanasan' i Belsatsara sy ny soratra teo amin' ny rindrina (Dan. 5)

  • Fanasam-be nataon' i Belsatsara (5.1-4)
  • Ireo soratra tsy fanta-kevitra (5.5-9)
  • Nampiantso an' i Daniela i Balsatsara (5.10-16)
  • Nambaran' i Daniela ny hevitr' ilay soratra dia tanteraka izany (5.17-30)
Bokin' I Daniela 
I Daniela tao an-davaky ny liona, nataon'i Peter Paul Rubens, 1615.

I Daniela tao an-davaky ny liona (Dan. 6)

  • Ny vela-pandrika nataon’ ireo fahavalon’ i Daniela (6.1-10)
  • Ny vavak’ i Daniela (6.11-16)
  • Nalatsaka tao an-davaky ny liona i Daniela (6.17-19)
  • Nivoaka avy tao an-davaky ny liona i Daniela (6.20-25)
  • Ny fiekem-pinoan’ ny mpanjaka Dariôsa (6.26-29)

Ireo fahitan' i Daniela (Dan. 7 – 12)

Ny toko faha-7 hatramin’ ny faha-12 dia mitantara ny fahitana maro nataon’ i Daniela momba izay zavatra hitranga amin’ i Israely sy amin’ izao tontolo izao. Ny fahitan’ i Daniela sasany dia mitovy hevitra amin’ ny nofin’ i Nebokadnetsara ao amin' ny toko faha-2. Na dia izany aza dia tsy nanambara ny hevitry ny zavatra rehetra hitan’ i Daniela ny boky. Ny fahitana sy ny faminanian’ i Daniela dia niseho tamin’ ny andron’ i Balsatsara sy i Dariôsa mpanjaka mediana ary i Kirôsy mpanjaka persiana.

Bokin' I Daniela 
Ny fahitan' i Daniela ny amin' ny bibidia efatra, sary nataon' i Matthäus Merian, 1630.

Ireo fanjakana efatra hotsarain' Andriamanitra (Dan. 7)

  • Ny fahitana momba ireo biby efatra (toa liona sy bera sy leoparda ary biby mahatsiravina hafa) (7.1-8): ny liona dia ny Babiloniana, ny bera (na orsa) dia ny Mediana, ny leoparda dia ny Persiana, ny biby mahatsiravina dia ny Seleokida (Grika).
  • Fahitana ilay Antidahy sy ny Zanak’ olona (7.9-14)
  • Ny hevitry ny fahitan’ i Daniela (7.15-28)

Ilay fahavalo mampahory ny olon' Andriamanitra (Dan. 8)

  • Ny fahitana ny amin’ ilay odrilahy sy ilay osilahy (8.1-14)
  • Nanazava ny hevitr’ ilay fahitana ny anjely Gabriela (8.15-27)

Ny herinandro fitopolo (Dan. 9)

  • Ny vavaka nataon’ i Daniela (10.1-9)
  • Ny anjely Gabriela manazava ny amin’ ny faminaniana iray (10.20-27)
  • Faminanian’ i Jeremia izany (jereo: Jer. 25.11-12 ; 29.10)

Ny androm-pahatezerana sy ny andro farany (Dan. 10)

  • Fahitana ny amin’ ilay lehilahy mitafy lamba rongony (10.1-9)
  • Fisehoan’ ny anjely tamin’ i Daniela (10.10-19)
  • Filazana ny faminaniana (10.20-21)

Ny zavatra mbola hiseho (Dan. 11)

  • Ireo ady voalohany nifanaovan’ ny fanjakana atsimo sy avaratra (11.1-20): ny Seleokida sy ny Lagida izany
  • Ny amin’ny mpanjaka iray hafa: I Antiôkôsy Epifanesy (11.21-39)
  • Ny hiafaran’ ilay mpanenjika (11.40-45)

Ny andro farany (Dan. 12)

Ny tantaran' i Sozana sy ny sampin' i Babilôna (Dan. 13 – 14)

Bokin' I Daniela 
I Sozàna sy ireo antidahy, sary nataon' i Gerrit van Honthorst, taonjato faha-17

Ity fizaràna ity, izay tsy voasoratra tamin’ ny fiteny hebreo na arameana fa tamin’ny fiteny grika, dia tsy noraisin’ ny Prôtestanta sy ny Jiosy any Palestina ho kanônika ao amin’ ny Baiboliny. (Jereo: Tantaran' i Sozana sy I Bela sy ilay Dragona)

I Sozàna sy ny fitsarana nataon' i Daniela (Dan. 13)

  • I Sozana, vehivavy nitandro ny fahamendrehany (13.1-4)
  • Raiki-pitia amin’ i Sozana ny loholona jiosy roalahy (13.5-14)
  • Niampanga an’ i Sozana ho ratsy fitondran-tena ireo loholona ireo (13.15-43)
  • Asehon’ i Daniela fa tsy meloka i Sozana (13.44-64)

I Bela sy ilay bibilava nivavahan' ny Babilôniana (Dan. 14)

  • I Daniela sy ireo mpisoron’ i Bela (14.1-22)
  • Namono an’ ilay bibilava i Daniela (14.23-30)
  • Nalatsaka tao an-davaky ny liona i Daniela (14.31-42)

Jereo koa

Tags:

Bokin' I Daniela Fanoratana sy fandraisana ny bokyBokin' I Daniela Ny anaran ilay bokyBokin' I Daniela Fizaràn ny BokyBokin' I Daniela Jereo koaBokin' I DanielaAndriamanitra (tokana)BabilônaBaibolyDanielaFahababoana tany BabilonaFanjakan' i JodàFanompoan-tsampyJerosalema (Andro Taloha)MedianaPersianaTanakhTestamenta Taloha

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Wayback MachineAdy Lehibe FaharoaBokin' ny Mpaminany 12A. J. P. TaylorTantaran' ny Repoblika Demôkratikan' i KôngôRy Tanindrazanay malala ôAndriamasinavalonaVahoaka jermanikaKevin DurantFinlandyFanambadianaDebianDisneyLouisianaMagic JohnsonLalànaTsofokaHermann LeyZanak' Andriamanitra (maro)AlahamadibeForyEvekaNew YorkIsmaelaEorôpaFiteny betsileoTsirinteny sara-droaTaquaraWikiAmbongoKor'anyCLambamenaKalandrie litorjika katôlika rômaninaJared CohonFiangonana Protestanta Vaovao eto MadagasikaraAdimizanaJeôgrafian' i MadagasikaraSikidyFahaterahanaFiteny malagasyMalagasy (vahoaka)PaskaMandravasarotraFiangonana Loterana MalagasyFiraisana ara-nofoApôstôly roa ambin' ny foloFiangonana Batista Biblika eto MadagasikaraVolana (fotoana)KolikolyBokin' i HenôkaFanekem-pinoana apôstôlikaVohitr' andrianaAlakaraboBokin' i DanielaFokon' i IsraelyDidy FoloZôdiakaTorontoEglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina (Madagasikara)Repoblika Fahefatra (Madagasikara)VolaFanandroana malagasyAnjara (finoana)KalanoroEpistily katôlikaHasina (hery tsy hita maso)Vanimpotoan' ny Tempoly FaharoaAndriamahatindriarivoKapveraFiteny anglisyWilliam KamkwambaFilazantsara araka an' i LiokaIndiaFlorent Bezara🡆 More