Vahoaka Bogy

Ny Bogy, fantatra ihany koa amin' ny hoe Boginey na Ogy dia foko iray — ny maro indrindra amin' ny vondrona telo lehibe indrindra amin' ny fiteny sy foko ao Sulawesi Atsimo (ny hafa dia Makassar sy Toraja), any amin' ny faritany atsimo-andrefan amin' i Sulawesi, nosy fahatelo lehibe indrindra any Indônezia.

Ny Bogy tamin' ny taona 1605 dia niova ho amin' ny finoana silamo ka niala tamin' ny animisma. Ny fivavahana lehibe raisin' ny Bogy dia ny finoana silamo, miaraka amin' ny kristianisma arahin' ny vitsy anisa na ny finoan-drazana efa nisy talohan' ny silamo antsoina hoe tolotang.

Vahoaka Bogy
Mpivady Bogy manao akanjo nentim-paharazana nandritra ny mariaziny
Vahoaka Bogy
Sarintany mampiseho ireo faritra misy fonenan'ny Bogy ao amin'ny nosy Sulawesi

Na dia eo aza ny isan' ny mponina eo amin' ny 6 000 000 eo ho eo, dia manan-kery eo amin' ny pôlitika ao Indônezia môderina ny Bogy, ary manan-kery ara-tantara amin' ny Saikinosy Malay sy ny faritra hafa ao amin' ny vondronosy izay nifindran' izy ireo, nanomboka tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-17. Ny filoha lefitr' i Indônezia teo aloha Jusuf Kalla dia Bogy. Any Malezia, manana razambe bogy ny praiminisitra fahenina, Najib Razak, sy ny praiminisitra teo aloha Muhyiddin Yassin.

Miteny fiteny isam-paritra miavaka ny vahoaka bogy ankoatry ny fiteny indôneziana, antsoina hoe fiteny bogy (Basa Ugi), miaraka amin' ny fitenim-paritra samihafa. Ny fiteny bogy dia anisan' ny vondron-teny ao Sulawesi Atsimo; ny fiteny hafa miray fianakaviana aminy dia ny fiteny makasaresy, ny fiteny toraja, ny fiteny mandara ary ny fiteny masenrempolô.

Tags:

AnimismaFinoan-drazanaIndôneziaKristianismaMakassarSilamoSulawesi

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

(105416) 2000 QY161EtazoniaHaitsikerafitenyNosy KanariaQaemiyehZone FrancJorge GonzálezFangitra ara-jeografiaFifohazana (kristianisma malagasy)ZanadralamboEtiôpiaTrixie Gardner, Baroness Gardner of ParkesNy Sôfian' i Jesoa KristyRanomasina MaintyMatioBootjack, KaliforniaFiteny bengalyTaratasin' i LentolosyAtiq RahimiApôkalipsin' i Pseodô-MetôdiôsyPastona (vahoaka)BatismaApôkrifan' i JakôbaSiméon RajaonaRuhollah KhomeiniFiteny alemànaMenalambaDon TaylorFanjakan' ImerinaFanalan-jazaAbbas Ibn FirnasPoopyAntandroyPôlitika eto MadagasikaraMohammad Reza PahlaviAfrikaAljeriaFanahy MasinaHiragasyBritaina LehibeLee Trevino1940Ranomasimbe PasifikaFaritra SofiaEvanjelin' ny Roa ambin' ny FoloAdizaozaLoksemborgaWikibolanaAmerika AvaratraLinus PaulingFifanakalozan-kevitry ny MpamonjyKabary tera-baoSoedaFiteny fôrmôzanaFisoronana sy fanalana vintanaSimôna avy any KirenaPatrick EbertFiteny estônianaBôliviaGaliaFiloham-pirenena sy mpanjakan'i Madagasikara(106689) 2000 WW157Bernard Renau d'Eliçagaray23 JonaMisterin' ny PaskaVohitr' andrianaÔseaniaVolana (fotoana)Masikoro🡆 More