I Bodoharisoa Razafindrazaka, izay fantatra amin' ny anarana hoe Bodo, dia mpanakanto malagasy teraka tamin' ny 21 Jolay 1966.
Tamin'ny fotoana nampaaza azy izy dia fantatra amin' ny hoe "La Diva de la Chanson malgache".
Taona 1986: nanomboka nihira izy ka nandray anjara tamin' ny fifaninana iray tamin' ny onjam-peo tsy miankina "TOP 16 sur la 2", ka laharana fahatelo izy tamin' izany. Ny taona 1987 izy vao nahazo ny laharana voalohany tamin' ilay hira noforoniny mitondra ny lohateny hoe "Miandry anao" ka nahazoany ny loka fivahinianana any ampitan-dranomasina. Tany no namoronany an' ilay hirany malaza hoe "Hody".
Taona 1989: Niaka-tsehatra voalohany, niarahana tamin' i Solo sy Hery (tao amin' ny tarika Njila).
Taona 1991: Namoaka ny raki-kira "Neny" izy, izay mirakitra ny hira noforoniny sy i Naivo toa ny "Fony aho", ny "Misy farany"*, ny "Dada", ny "Neny", ny "Mpanarato", ny "Mba ento aho", ny "Fisarahana", ary niara-niseho sehatra tamin' i Poopy sy i Landy ary ny tarika Johary. Ankoatra izay dia nianatra nilalao tantara an-dapihazo ihany koa izy.
Taona 1992: Niara-nihira tamin' i Bessa sy Lola izy ka nampalaza azy ireo tamin' izany ilay hira hoe "Mba te hiantefa", "Hafa ihany i Mama","Ndao hihira" sns. Fantatra teo amin' ny sehatry ny rock malagasy ihany koa izy ary niara-niasa tamin' ilay mpamoron-kira amin' ny teny anglisy Sonny Clark izay namorona ny hirany nalaza tamin' izany toa an' i "Mum is in and Dad is out", "Go dancing tonight" na koa "Political skirmish" sy "Heart breaker".
Taona 1993: Namoaka ny raki-kirany voalohany i Bodo, mitondra ny lohateny hoe "Sombinaiko", ka nalaza tamin' izany ny "Bianco", ny "Ry foko", ny "The regret is never before" sy ny maro samy hafa.
Taona 1994: Voafidy hisolo-tena an' i Madagasikara nandritry ny jeux de la francophonie izay natao tany Frantsa, izay nahazoany ny medaly volafotsy tamin' ny alalan' ilay hira noforoniny hoe "Diversités" sy "Solitaire". Io taona io ihany koa no namoahany an' ilay raki-kira faharoa "Solitaire-Diversités" izay mirakitra ireo hira nampalaza azy toy ny "Mba rahoviana", ny "Foiko ho anao" na koa "Ny fahitana anao" ary nahazo ny loka tamin' ny Gasitsara.
Taona 1995: Nofidin' i Dama ao amin' ny tarika Mahaleo i Bodo hiaraka hihira aminy ilay hira hoe "Mimoza". Voafidy ho Ambasadaoron' ny Unicef ihany koa izy, nandimby toerana an' i Henri Ratsimbazafy.
Taona 1996: Namoaka ny double album "Za'Tomany" sy "Fotsiny" i Bodo ary nanao ny "Tour de Mada 96".
Taona 1997: Namoaka ny raki-kira evangelika "Tsangambato" izy ary niseho sehatra voalohany tao amin' ny Palais des Sports niaraka tamin' i Poopy.
Taona 1998: Nilatsaka hofidiana ho solombavambahoaka i Bodo.
Taona 1999: Nivoaka ny raki-kira "Mamiko", izay mirakitra ny "Safidy" sy ny "Modia" ary ny "Ataoko akory".
Taona 2000: Niavaka teo amin' ny sehatry ny cabaret i Bodo tamin' ny fahaizany miangaly ny hiran' i Whitney Houston, Mariah Carey na koa i Céline Dion. Niaka-tsehatra tao amin' ny Palais des Sports niaraka tamin' i Njakatiana.
Taona 2001: Nivoaka ny raki-kira "Ndao Handihy", mirakitra ny "Tsy izany" sy ny "Hiverina aho".
Taona 2003: Voafidy ho isan' ny mpitsara ny casting Pazzapa izay nokarakarain' ny Radio Televiziona Anaamanga (RTA) izy, ary namoaka ny raki-kirany "Aina miray" izay nisy ny "Ankino", hira nalaza indrindra tamin' ny taona 2003 sy 2004.
Taona 2005: Nivoaka ny rakikira "Mety ve", ary nosafidin' ny RTA ho reny mpiahy ny Pazzapa izy. Nandray anjara tamin' ny Che Bel Canto andiany faha-roa tao amin' ny Palais des Sports Mahamasina niaraka tamin' i Kix, i Tovo J'Hay, i Luc, i Mahery, ary i Jeannot.
Taona 2006: Niditra teo amin' ny sehatry ny sarimihetsika malagasy ary nilalao tamin' ilay horonan-tsary hoe "Poizina" izy.
Taona 2007: tamin' ny volana Febroary, nanakaiky ny andro fankalazana ny fetin' ny mpifankatia dia niaraka nanao fampisehoana i Bodo sy i Poopy, folo taona taty aoriana tao amin' ny Palais des Sports, andro vitsivitsy alohan' ny fampisehoana dia efa guichet fermé, ary maro ny nitaraina fa tsy tafiditra ka dia niverina niaka-tsehatra indray izy roa ny volana Septambra ary namoaka an' ilay raki-kira vaovao "Tia Foana". Namoaka raki-kira "Izaho sy i Neny", izay raki-kira manokana ho an' ny Reny ihany koa i Bodo.
Taona 2009: niteraka ny zanany Olontsoa izy.
Taona 2010: Namoaka ny raki-kira "Kilalaonao" sy DVD "Kilalao" izy.
Taona 2012: Namoaka ny raki-kira "Ny Fitiavana avy Aminao", ary dia nisantatra ny coulisse on Tv tao amin' ny TV plus Madagascar.
Taona 2013: Nivoaka ny raki-kira "Accoustique " namerenany ny hira nampalaza azy amin' ny endriny akostika.
Taona 2015: Nivoaka ny raki-kira vaovao "Tsy Miova Aho" nanamarihany ny 25 taona nihirany.
Taona 2015: Niara-niasa tamin' i Michel Randria izy (mpitendry gitara fanta-daza any ivelany) ary namoaka ny raki-kira akostika "Ain't Misbihavin" teo amn' ny sehatra iraisam-pirenena.
Taona 2016: Fampisehoana nanamarika ny fiainanay notontosaina tao amin' ny CC ESCA, izay natrehin' ny dadany no navoakany ho fahatsiarovana tamin' ny alalan' ny DVD "Satria tiako Dada"
CD 1
CD 2
Kilalaonao CD
Kilalaonao VCD
DVD 1:
DVD 2:
Album International en Duo purement acoustique avec Michel Randeria (gitara)
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Bodo (mpihira), which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.