Betsaida

I Betsaida dia tanàn-dehibe tany Galilea izay niorina tao ampita avaratra-atsinanan'ny farihin'i Tiberiada (na Tiberiasy) tsy lavitra ny toerana ivarinan'ny ony Jordana (na Joridany).

Renivohitry ny faritany tapahin'i Filipo zanak'i Heroda (taona 4 tal. J.K. hatramin'ny taona 34 taor. J.K.) i Betsaida.

I Betsaida araka ny Baiboly

Tanàna nonenan'ny apostoly Petera sy i Andrea rahalahiny ary i Joany sy i Jakoba Zokiny rahalahiny i Betsaida, araka ny voasoratra ao amin'ny Testamenta Vaovao. Araka ireo Evanjely sinoptika dia mety nanana trano fonenana tany Kafarnahoma (na Kapernaomy) eny ampitan'i Jordana i Petera. Avy ao Betsaida koa i Natanaela sy ny apostoly Filipo araka ny Evanjelin'i Joany. I Petera sy i Andrea sy i Joany ary i Jakoba Zokiny dia mpanjono teo amin'ny farihin'i Tiberiada hatramin'ny nihaonany tamin'i Jesosy izay nilaza tamin'izy ireo ny tokony handaozany izany raharahan'izy ireo izany mba hanaraka azy hitory ny vaovao mahafaly amin'ny olombelona rehetra.

Araka ny Filazantsara dia tao amin'ny farihy Tiberiada teo akaikin'i Betsaida no nitsangantsanganan'i Jesosy teny ambony rano. Araka ny Evanjelin'i Marka (Mar. 8.23 snm) dia nanasitrana lehilahy jamba tao Betsaida tamin'ny alalan'ny fametrahan-tanana i Jesosy.

Tags:

Farihy TiberiadaGalilea (faritra)Heroda LehibeJordana (ony)

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Huai'anFitiavan-tanindrazanaNefilimaFaritra AtsinananaAbdellatif FellainiFiangonana Loterana MalagasyAbaréAlahamadyRalamboNanjingRanavalona IIIFitampohaViratyRadama IIApôkalipsin' i JoanyAfrikaPalestininaHerman Francis MarkLambamenaBokin' ny GenesisyKaremy2020Lisitry ny zavatra madinidinika 60001-61000(89128) 2001 UP7FrantsaMaltaFivavahanaBergicourtKasaokaPedro II an'i BrazilaAndrianaLeonid BrezhnevEkôsyLouisianaNiassaFiloham-pirenena sy mpanjakan'i MadagasikaraFahoriana lehibeMarôkaISO 4217Ranavalona IIKalamAtômaLeopold II, mpanjakan' i BelzikaFrancisco Javier Muñoz LlompartPôlitika eto MadagasikaraOrsa pôlaraLisitry ny zavatra madinidinika 1-1000L'Express de MadagascarFiteny albaneyThe Beatles283Tanindrazana, Fahafahana, Fandrosoana11 FebroaryFiteny pôlôneySômaliaEglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina (Madagasikara)AostraliaLevy (zanak' i Jakôba)Kabary famangianaArsène WengerAlakaosyBokin' ny mpaminany (Baiboly)ElisaMeksikaDidy FoloSochiTaboryFilioque1782🡆 More