Apôkrifan' Ny Testamenta Vaovao

Ny apôkrifan' ny Testamenta Vaovao dia soratra nataon' ny Kristiana, izay mitantara an' i Jesoa sy ny fampianarany, ny toetran' Andriamanitra, na ny fampianaran' ireo Apôstôly sy ny fiainan' izy ireo.

Ny sasany amin' ireo soratra ireo dia nanaovan' ny Kristiana tonon-tsiahy, nefa nanomboka tamin' ny taonjato faha-5 dia nisy ny fifanarahan' ny maro izay nametra ny Testamenta Vaovao ho boky kanônika 27. Amin' ny Fiangonana katôlika rômana sy ny Fiangonana ôrtôdôksa ary ny ireo Fiangonana prôtestanta amin' ny ankapobeny dia tsy anisan' ny Baiboly ireo boky apôkrifa amin' ny Testamenta Vaovao ireo.

Famaritana

Ny teny hoe "apôkrifa" dia midika hoe "zavatra ampirimina" na "zavatra afenina", avy amin' ny mpamari-toetra latina tamin' ny Andro Antenatenany hoe apocryphus, "miafina" na "tsy kanônika", izay avy amin' ny teny grika hoe ἀπόκρυφος / apokryphos, "manjavozavo", "maizina", avy amin' ny matoanteny hoe ἀποκρύπτειν / apokryptein, "manafina". Avy amin' ny tovona grika hoe "apo" izay midika hoe "lavitra" sy ny matoanteny grika hoe "kryptein" iazay mlidika hoe "manafina", "miafina'.

Io teny mahafaobe io dia matetika ampiasaina hanondroana ireo boky noheverin' ny Fiangonana ho mahasoa, nefa tsy avy amin' ny tsindrimandrin' Andriamanitra. Noho izany, ny filazana ny asa soratra gnôstika ho "apôkrifa" dia mamitaka satria tsy hosokajîn' ny mpino ôrtôdôksa ao amin' ny sokajy mitovy izy ireo. Matetika no nampiasain' ny Rain' ny fiangonana grika ny teny hoe "antilegômena", na "tenenina manohitra”, na dia nisy boky kanônika aza notoherina koa, toy ny Apôkalipsy nosoratan’ i Joany tany Atsinanana.

Matetika ny manam-pahaizana no mampiasa ny teny hoe "pseodepigrafa", izany hoe mitondra anara-mpanoratra sandoka, satria mpanoratra tsy mitonona anarana no nanoratra an' ireo asa soratra izay nampiditra ny anaran' ny apôstôly tamin' ny asasorany, toy ny ao amin' ny Filazantsaran' i Petera, na ny Apôkalipsy etiôpianan' i Henôka: saika ny boky rehetra ao amin' ny Testamenta Taloha sy Vaovao, izay antsoina hoe "apôkrifa" ao amin' ny Prôtestanta dia pseodepigrafa. Ao amin' ny Katôlika sy ny Ôrtôdôksa, izay antsoin' ny Prôtestanta hoe "apôkrifa", dia ahitana ny boky deoterôkanônika: amin' ny Katôlika, ny teny hoe "apôkrifa" dia mitovy hevitra amin' izay antsoin' ny Prôtestanta hoe pseodepigrafa, io teny farany io amin' izany dia saika ampiasain' ny manam-pahaizana manokana.

Ny boky voasokajy ho apôkrifan' ny Testamenta Vaovao

Apôkalipsy apôkrifa

Asan' ny Apôstôly

Epistily apôkrifa

  • Epistilin' i Barnabasy
  • Epistilin' i Klemento
  • Epistilin' i Kôrintiana ho an' i Paoly
  • Epistilin' i Ignatio ho an' ny Smirniana
  • Epistilin' i Pôlikarpo ho an' ny Filipiana
  • Epistily ho an' ny Laôdikeana
  • Epistily ho an' i Seneka Zandriny
  • Epistily fahatelo ho an' ny Kôrintiana

Evanjely apôkrifa

Evanjelin' ny Jiosy kristiana

Evanjelin' ny Fahazazana

Evanjely tsy kanônika hafa

  • Evanjelin' i Markiôna
  • Evajelin' i Manika
  • Evanjelin' i Apelesy
  • Evanjelin' i Bardaisana
  • Evanjelin' i Basilidesy

Evanjely mirakitra ny tenin' i Jesoa

Evanjelin' ny fijalian' i Jesoa

Lahatsoratra gnôstika

Resaka nifanaovana tamin' i Jesoa

Lahatsoratra ankapobeny momba an' i Jesoa

Lahatsoratra setiana momba an' i Jesoa

Kisarisary momba ny ritoaly

Anjaran' i Maria

  • Fodian' i Maria
  • Torimason' ny Renin' Andriamanitra
  • Fidinan' i Maria

Soratra hafa tsy voasokajy

  • Fanorenana apôstôlika
  • Bokin' i Nepo
  • Kanônan' ny Apôstôly
  • Zohin-karena
  • Liretatiora klementina
  • Didake
  • Litorjian' i Jakôba
  • Fivalozan' i Ôrigenesy
  • Vavak' i Paoly
  • Fanangonan-tenin' i Seksto
  • Fiziôlôga
  • Bokin' ny Tantely

Ampaham-boky

  • Evanjelin' ny Mpamonjy
  • Ampahan-tsoratry ny Naasena
  • Ampahan-tsoratr' i Faioma
  • Evanjelin' i Ôksirinko
  • Evanjelin' i Egertôna

Soratra very

  • Evanjelin' i Eva
  • Evanjelin' ny Faritany efatry ny Lanitra
  • Evanjelin' i Matiasy
  • Evanjelin' ny Fitopolo
  • Evanjelin' i Tadeo
  • Evanjelin' ny Roa ambin' ny folo
  • Fitadidian' ny Apôstôly (Memoria Apostolorum)

Saika natao ho isan' ny kanôna

Jereo koa

Tags:

Apôkrifan' Ny Testamenta Vaovao FamaritanaApôkrifan' Ny Testamenta Vaovao Ny boky voasokajy ho apôkrifan ny Testamenta VaovaoApôkrifan' Ny Testamenta Vaovao Jereo koaApôkrifan' Ny Testamenta VaovaoApôstôly roa ambin' ny foloBaibolyJesoaKanônan' ny BaibolyKatolisismaKristianismaKristianisma ortodoksaProtestantismaTestamenta Vaovao

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Kabary tera-baoAberdeen, South DakotaSaonjo1971Sakramenta ao amin' ny fiangonana katôlika2003FamoranaSampan-teny21 MeyWikipedia amin'ny teny malagasySekolyMasedônia AvaratraHajjiabad, HormozganAotrisyMicrosoft Windows439Tononkira FanaperanaMalagasy (vahoaka)TetiandroFiteny alemànaVintanaBokin' i Daniela1603IndiaMianmara1942Fokon' i DanaNy Avana RamanantoaninaBootjack, KaliforniaKristianismaSaryPaoly (apôstôly)FandraisanaAngatra (aretina)Al-BiruniREvekaMôralyToliaraBokyLisitr' ireo mpanjaka merinaVikingy (vahoaka)AntevatoFivavahan-drazana malagasyDokuWikiMontanaAngôvoFiteny frantsayTranombakokaTantaran' ny kristianismaFiteny malagasyZanahary (finoan-drazana malagasy)748AntananarivoRivodozaAlahamadyTanyMahabad, IsfahanDanilo GallinariForyNelson MandelaFiangonana Protestanta Vaovao eto MadagasikaraTôngaRadama VoalohanyFiainana aorian' ny fahafatesanaAbkaziaApôlinariôsy avy any LaôdikeaFiteny katalànaAdimizanaJerosalema AndrefanaFiangonana Jesosy MamonjyIsaNikodaRadama IIHindoismaKamerona🡆 More