Aogosto

I Aogosto no emperora rômana voalohany, nanomboka tamin' ny 16 Janoary 27 tal.

Aogosto
Aogosto
Ankapobeny
Anarana Aogosto
Teraka 23 Septambra 63 tal. J.K.
Maty 17 Aogositra 14 tal. J.K.
Fiaviana sy ny andraikitra
Firenena Roma Taloha
Asa :
  • mpanao politika
Fiainana manokana

J.K. mandra-pahafatiny tamin’ ny 19 Aogositra 14 taor. J.K. tao Nôla. Amin' ny teny latina izy dia atao hoe Augustus. Teraka tamin' ny 23 Septambra 63 tal. J.K. tany Rôma tamin' ny anarana hoe Ôktavio, amin' ny teny latinina Caius Octavius, talohan' ny nitondrana ny anarana hoe Imperator Caesar Divi Filius Augustus.

Avy amin' ny fianakaviana manan-karena tao amin' ny sarangan' ny mpiady an-tsoavaly, nianatra tany Rôma araka ny fomban' ny aristôkrasia repoblikana izy; tamin' ny faha-19 taonany, tamin' ny taona 44 tal. J.K., zanaka natsangan’ i Jolio Kaisara dadatoany, fotoana fohy taorian’ ny namonoana an’ ity farany. Niverina tany Italia izy rehefa avy namita ny fiofanana momba ny literatiora sy ny filôzôfia, nahazo ny fanohanan' i Kikero (Marcus Tullius Cicero) nandritra ny fotoana kelikely hahafahany mitaky ny lovany sy ny anarany vaovao, dia namorona niaraka amin' i Marko Antônio sy i Lepido (Lepidus), fotoana fohy taorian' izay, ny triomvirata faharoa, mba handresena ireo mpamono an' i Kaisara. Nasain' i Ôktavio natao sesitany teo akaikin' ny Tendrombohitra Circeo i Lepido, ary avy eo nitarika diabe miaramila hanohitra an' i Marko Antônio, izay resy niaraka tamin' i Kleôpatra VII tamin' ny taona 31 tal. J.K. ao Aktioma. Ny famonoan-tenan’ izy roa ireo tamin' ny taona nanaraka dia namela an’ i Ôktavio ho hany tompon’ i Rôma.

Raha maty Jolio Kaisara (Julius Caesar), ny zanak' anabaviny na rahalahiny atao hoe Ôktavio no nandimby azy. Manamboninahitra nalaza indrindra tamin' ny ady ara-tafika izy; ary rehefa nanjaka izy, dia nataony anarany ny hoe Kaisara Aogosto ("malaza" na "hajaina", izany.) Ary rehefa izany indray, dia novana ny anaran' ny volana rômana Sextilis ("(volana) fahenina") ka natao hoe Augustus, ho fahatsiarovana an' i Kaisara Aogosto. Emperora rômana izy tamin' ny andro nahaterahan' i Jesoa Kristy.

Taorian' ny fandravana ny triomvirata faharoa dia mody namerina ny andrim-panjakana repoblikana i Ôktavio. Na dia an-keviny fotsiny aza ny famerenany indray ny andraikitry ny antenimieran-doholona, ​​​​ny mpitsara ary ny antenimiera mpanao lalàna, amin' ny fampiharana dia nitazona ny fahefana aotôkratika izy ary nanohy mitantana tsy miresaka amin' ny Antenimieran-doholona. Teo anelanelan’ ny taona 31 sy 23 tal. J.K. i Ôktavio, izay lasa nantsoina hoe Aogosto tamin' ny Janoary 27 tal J.K. dia noraisiny tsikelikely, amin' ny fomba ara-dalàna, ny fahefana nomen’ ny Antenimieran-doholona azy mandra-pahafatiny.

Aogosto
Aogosto

Na izany aza dia tsy nety nitondra anaram-boninahitra ny mpanjaka izy ary niantso ny tenany ho Princeps Civitatis ("Voalohany eo an-tanàna"). Ny taona 27 tal. J.K. dia nanamarika ny fahatongavan' ny karazam-pitondrana ara-pôlitika vaovao tany Rôma: ny Empira, izay i Aogosto no mpitarika azy faratampony voalohany, izay nampivangongo amin' ny tenany ny fahefana hibaiko ny tanàna sy ny tafika, ny fahefana hanao lalàna ary hisakana fanapahan-kevitra sady tsy azo kasihim-batana no masina.

Tamin’ ny andron’ i Aogosto dia nanomboka ny fotoana nampanjaka ny fitoniana teo amin' Rôma, izay fantatra amin’ ny anarana hoe Pax Romana, taorian' ny fisaratsarahana ara-pôlitika sy ady an-trano nandritra ny taonjato maro. Tsy norahonan’ ny ady fananiham-bohitra lehibe na fifandonana tamin’ ny mpifanandrina mitovy hery aminy intsony ny tontolo rômana, nandritra ny taonjato roa teo ho eo. Amin' ny ankapobeny dia lasa fiarovana na indraindray natao hanitatrana tany ny ady. Nitombo be ny velaran' ilay Empira tamin' ny fanakambanana an' i Ejipta, i Dalmatia, i Panônia, i Nôriko ary i Retia tao amin' ny fari-tanin' ny Empira ary ny fandresena farany tany Afrika sy Jermania ary Hispania. Afaka nanao izay hahamarin-toerana ny faritra an-tsisintany i Aogosto noho ny fisian' ny fanjakana mpanelanelana ary nahavita nanao fifanaraham-pihavanana tamin' ny Empira Partiana.

Nohavaozin' i Aogosto ny rafitra momba ny hetra, nampandrosoiny ny lalam-pifandraisan-davitra tamin' ny fampidirana tambajotran-toerana ametrahana fitaovam-pitaterana afaka mandimby ny avy niasa (soavaly, sns) isaky ny elanelana, ary nanangana tafika maharitra napetraka tany amin' ny faritany tsirairay, sy niorina teo amin' ny sisin-tany maharitra (atao hoe limes). Nanangana ny mpiambina pretôriana izy, izay natao hiaro azy tany Rôma, ary koa ireo sampan-draharaha manokana izay natao hitantana ny tanànan’ i Rôma, toy ny sampan-draharahan' ny pôlisy miasa alina sy ny an' ny mpamono afo. Tamin' ny nanatanterahany fanavaozana lehibe ara-pitantanana ny renivohitry ny Empira, ny nizaràny azy ho vakin-tanàna vaovao maro, ny niantohany ny fahasalaman' ny trano sy ny ady amin' ny tondra-drano sy ny afo, dia tena nanova ny endriky ny tanàna i Aogosto: ampahany lehibe amin' ny tsangambato teo an-tanàna no naorina sy nohavaozina ary nohaingoina tamin’ ny fotoana nanjakany.

Maty i Aogosto tamin’ ny taona 14 taor. J.K., tamin' ny faha-75 taonany, angamba noho ny antony voajanahary, fa ny tsaho dia nanondro ny mety ho fanapoizinana noho ny famporisihan' ny vadiny Livia. I Tiberio zanany natsangany no nandimby azy tamin’ ny naha-lohan’ ny Empira Rômana azy. Fotoana fohy taorian' ny nahafatesany dia nataon' ny Antenimieran-doholona ho andriamanitra izy, ary nohamafisin' izany tamim-pahombiazana ny fivavahana vao teraka natokana ho an' ny tenany izay niely tsikelikely nanerana ny Empira.

Ny fiainany manokana

I Gaio Ôktavio no rainy. Ny vadiny dia i Klôdia Polkra sy i Skribonia ary i Livia. Ny zanany dia i Jolia Zokiny.

Nisy zavatra nataony izay nahagaga ny sasany. Nisy tempoly natao hoe Tempolin' i Janosy; ary raha nisy ady tamin' ny Rômana dia novohany ny varavarana rehetra tamin' izany tempoly izany, fa nivavaka tamin' ny sampy ny olona. Ary kosa, raha tsy nisy ady dia narindrina ny varavarany rehetra, fa angamba tsy nisy olona nahita azy mirindrina talohan' izany andro izany. Fa raha teraka Jesoa Kristy, izay lazain' ny Kristiana fa Zanak' Andriamanitra, Tompon' ny Fiadanana, dia nandry tsara ny firenena rehetra amin' izao rehetra izao. Tsy nisy ady na tamin' ny Rômana aza, dia narindrin' i Kaisara Aogosto ny varavarana rehetra tao amin' ny Tempolin' i Janosy, ary dia faly ny olona maro.

Jereo koa

Rohy ivelany

Aogosto 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Tags:

Empira RômanaFiteny latinaRôma Taloha

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Bokin' i Amôsa800Faritra BongolavaFamoranaFrantsa1992FamadihanaFiaramanidinaTranoMartin HřídelDavida (mpanjaka)QuébecSikidy malagasyAbidyReniranoMpampiankin-tenyAntesakaRaminiaEtikaLe Renouard1830Abidy Ara-drafipeo Iraisam-pirenenaFiombonan' ny Fiangonana Kristiana eto MadagasikaraTantaran' i Madagasikara1600MadagasikaraSifakaZavakantoPentekôstaFanalan-jazaLinksan' i EoraziaIndiaZanatanin' i Madagasikara sy ny tany miankinaPrôtônaRanomasina adriatikaTsimihetyAlan BallBrexit2009Fiainan-tsi-hitaAndro faranyFinoanaFanalana vintanaNepalyChongqingManalalondoSinemaOigoro (vahoaka)InjenieriaRanomasin'i LigoriaFiangonana Protestanta Vaovao eto MadagasikaraWalter GarganoHesmondAmbohimasinaDōgenTohu wa-BohuEtonaEvanjelisma eto MadagasikaraRononoBaiboly amin' ny teny malagasy11170 (1998 FY34)31 AogositraVolana (fotoana)Tsiranana PhilibertLisitry ny filohan' i MadagasikaraMasay (vahoaka)340Papoa (vahoaka)Fanjakana (Beroroha)BezahaFaritanin' i ToliaraPapoazia-Ginea-Vaovao🡆 More