Ankarana

Ankarana dia ny faritra feran' ny ony Sambirano avy eo amin' ny saikanosy Ampasimena (ilany andrefana) sy i Bemarivo any Vohimarina (ilany atsinanana) mianavaratra hatrany Antsiranana.

Any Ankarana no faritra nisy ny Antankarana tamin' ny vanimpotoana fara-mpanjaka.

Tantara sy fomban-drazana

Tamin' ny taonjato faha-19, dia nialokaloka tao afovoan' ny tandavan-tendrombohitra ireo mpanjakan' ny Antankarana mba handositra ireo foko any afovoan-tany. Mbola maro ireo lava-bato misy ny fasan' ny mpankalan' izy ireo. Ny mpanjaka antakarana Tsialana II izay maty tamin' ny Oktobra 1924 ihany no tsy nety nalevina araka ny fomban-drazana.

Raha ny amin' ny faritry ny tandavan-tendrombohitra Ankarana manokana, noho ny fahamasinan' ilay toerana ho Antankarana dia misy ny fady manokana (mitsimpona, mihaza...), ankoatra ny fady iraisan' ny Malagasy rehetra. Anisan' ny voarara ny fihinanana henan-kisoa na henan-dambo na ny mihinana voanjobory. Fady koa ny manao firaisana ara-nofo na mamamany na angery ao. Tsy mahazo miditra ao anaty zohy ny vehivavy tonga fotoana. Voarara tsy hiditra ao amin' ny lava-bato ny olona avy amin' ny foko afovoan-tany (Merina) noho ny ady nisy tamin' izy ireo sy ny Antankarana.

Tags:

AntankaranaAntsirananaBemarivoSambiranoVohimarina

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

IndôneziaRSS1887Boky ara-tantara (Baiboly)AziaWashingtonFSão PauloWiki FoundationBodo (mpihira)Testamenta VaovaoÔliva (zavamaniry)Ady MangatsiakaMpampiana-dalànaFomban-drazanaFiteny finoàJean-Joseph RabeariveloWikimaniaAntankaranaMulbagalAnaranaHasina (fizarazaràna)1 JonaEorôpa AndrefanaHasinaJames Dewey WatsonCurrent eventsZanatsoratraWAndriamanitra RaySakaAdama sy Eva1977Fiangonana Adventista Mitandrina ny Andro FahafitoBibilavaFandraisanaAsorotanyLahatra (finoana malagasy)LaîkaNy Sôfian' i Jesoa Kristy1870KroazadaLloyd KaufmanWiki CommonsTovana (fitsipiteny)SilamoJean NarivonyTanyViennaFamoranaFikambanana Iraisam-pirenena ny FrankôfôniaMaha virjiny mandrakizay an' i MariaAnjelyApôkalipsy voalohan' i JakôbaAntandroyMasikoroBolokySaolyAmpiposahana (faritra)Apôkalipsy kôptan' i PaolyBritaina LehibeMir Alisher NavoïLady GagaAlarobiaFiteny antankaranaKabary tera-bao1973Thabo MbekiVietnamy🡆 More