Foko Andriantompokoindrindra

Ny Andriantompokoindrindra dia andriana merina, taranak' Andriantompokoindrindra, zanaka lahimatoan-dRalambo.

Niteraka telo lahy Andriantompokoindrindra, ka ny zanany lahimatoa atao hoe Ratompoinandriana sy ny zanany faharoa Andriandambo ary ny taranany dia napetrany eo avarabohitra, fa ny zanany faralahy Andriamahatsiravina sy ny taranany kosa dia namponeniny eo atsimombohitra.

Taranak' Andriantompokoindrindra

Ny Andriantompokoindrindra dia iray amin' ireo anaram-pirazanan' andriana merina. Ireo taranak' Andriantompokoindrindra tokoa mantsy dia nosokajian-dRalambo ho "Andriantompokoindrindra" ny firazanany. Ary amin' Andriantompokoindrindra vavy no hakana ny vadiben' ny mpanjaka nanomboka tamin' Andrianjaka. Ny taranak' Andrianjaka dia tsy mahazo manjaka raha tsy avy amin' izay vadibe avy amin' ny foko Andriantompokoindrindra.

Fombany

Fanambadiana

Ny Andriatompokoindrindra koa dia malaza amin' ny fanaovana lova tsy mifindra, ka na ny zanaky ny mpirahavavy aza dia mivady aminy. Izany no nataony dia mba hitazomana ny hasin' andriana ao aminy indrindra moa fa aminy no hakana ny vadiben' ny andriamanjaka.

Mahakasika ny fanambadiana hatrany dia amin' ny taranak' Andriantompokoindrindra no hakana ny vadiben'ny andriamanjaka araka ny fifanarahana teo amin' Andriantompokoindrindra sy Andrianjaka. Tsy dia voahaja loatra anefa io fifanarahana io tato aoriana indrindra nanomboka taorian' Andriamasinavalona, ary dia nohadinoina tanteraka izany nanomboka tamin' ny mpanjaka Radama I, ka nahavery fanjakana taty aoriana.

Fahafatesana

Ny Andriantompokoindrindra dia tsy mba mandray razana (faty), eny fa na ny razan' ny havany akaiky izao aza (ray sy reny, mpiray tampo, zanaka) koa raha miamboho ny havany dia antsoiny ny karazan' olona atao hoe "Raiamandreny" avy eny Ambohimalaza nantsoiny hampandro sy hamono lamba ary hanitrika ao ampasana ny razan' Andriantompokoindrindra iray. Mahafaty ny hasin' ny velona hono ny fikitihana faty. Miavaka tokoa izany satria ireo karazan' andriana hafa, toy ny Zanakandriana, Zazamarolahy sy Andriamasinavalona dia mampandro sy mamono ary manitrika ao ampasana ireo fatin' ny havany, ary fahizay aza dia ireo karazan' andriana atao hoe Zanadralambo no mpamono razan'andriamanjaka. Ny fasana ao Ambohimalaza moa dia maro no tsy idiram-binanto.

Manana ny fomba mampiavaka azy tokoa ny Andriatompokoindrindra: Ahitana ireny trano kely atao hoe "tranomanara" ireny eo ambonin' ireo fasany ao Ambohimalaza, ary araka ny lovantsofina dia Andriantompokoindrindra razambeny no nahitana ny fanorenana ireny trano ireny satria tsy tiany ny fasany sao hiakaran' ny alika hono raha tsy misy ireny, ary Andrianjaka dia mba naka tahaka fotsiny izany fa tsy tompony.

Ny Andriantompokoindrindra koa no manao ny karazan-dihy antsoina hoe "soratra" rehefa foraina ny zanakandriana.

Taranaka jiosy sa arabo?

Maro amin' ireo Andriantompokoindrindra no milaza ankehitriny fa taranaka jiosy ary misy fihavanana amin' ny taranak' i Ali Tawarat, razan' ny Anakara ao Vohipeno. Satria tokoa mantsy i Ali Tawarat dia tsy mba nanjaka tamin' ny foko antemoro fa nanotrona sy nanolotsaina ary nitazona ny fomban-drazana teo akaikin' ireo Anteony i Ali Tawarat sy ny Anakara taranany. Tamin' ny foko antemoro tokoa mantsy dia ny Anteony ihany no tena andriana ary ny Anteony hatrany no akana ny Ampanjaka, fa vao tamin' ny fitroaran' ny Ampanabaka vao samy nanana ny ampanjakany manokana na ny Anteony, na ny Anakara na ny Ampanabaka. Ny Anteony, andriana antemoro anefa dia milaza fa Arabo silamo avy any Lameka (na Maka) any Arabia i Ramakararo razamben' ny Anteony.

Koa mampieritreritra tokoa arak' izany ny mahampihavana akaiky an' i Ali Tawarat (Andrianalitavaratra) sy ny Andriantompokoindrindra satria araka ny lovantsofina antemoro, i Ali Tawarat dia tsy mba nanjaka satria tsy manana zo ho amin' izany izy amin' ny maha-ombiasy azy, ka sao io fihavanana amin' i Ali Tawarat sy Andriantompokoindrindra io no isan' ny manazava ny lovantsofina sasany izay milaza fa tsy nampanjakaina mihintsy i Andriatompokoindrindra? Ny valiny dia samy Andriana Jiosy, i Andriatompokoindrindra sy Ali Tawarat (Andrianalitavaratra). Ary marika ny naha-mpanjaka an' Andriantompokoindrindra ny fisian' ny mpanolotsainany roambinifolo sy ny satroka jaky, ny lamba jaky, ny fehikibo jaky teo aminy, ary ny miaramila marobe niaraka taminy.

Jereo koa

Tags:

Foko Andriantompokoindrindra Taranak AndriantompokoindrindraFoko Andriantompokoindrindra FombanyFoko Andriantompokoindrindra Taranaka jiosy sa arabo?Foko Andriantompokoindrindra Jereo koaFoko AndriantompokoindrindraAndrianaAndriantompokoindrindraMerinaRalambo

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Kanaana (faritra)TopisiFanalana faditraForyBaiboly katôlikaTorkiaTantara ny Andriana eto MadagasikaraToni MorrisonTanibeAviavyMatioMofo atodyZanahary (finoan-drazana malagasy)Eglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina (Madagasikara)Frederick BrooksAndrianamboninolonaBarselonaWikipediaArmeniana (vahoaka)1957SaolyFiteny kmeraNizeriàKolkataFiteny velonaAdizaozaFiteny anglisyChristian HuygensFanisanaFianarantsoaFiteny kanadaFifohazana AnkaramalazaPentekôstaJerôbôama INaoroVikingyFiteny soahilyFiteny serbaHong KongTokyoSiansa ara-tsôsialyWikiaLitorjiaSarivongan' ny FahafahanaDanemarkaFatranaFanahy Masina (kristianisma)Fiteny romanianaPaskaRepoblika Demôkratika AlemànaLansing, MichiganFiteny zazakyVoatabiaConstantin CernăianuFaritra eto Madagasikara1962Eino SoinioFahavirijinianaBaraMosavy (finoana malagasy)Loon-PlageNjakatianaCorrado BöhmFaritany AmerikanaFiteny arameanaFoko eto MadagasikaraTrinite🡆 More