Dokotera Andrianangaly

Ranavalonjafy, zanakavavin-dRasavolahy zandriny dia nanangana ho zanaka ny Dr Andrianangaly, 12 Vtra, isan’ ny nianatra ho Dokotera mpitsabo voalohany tamin’ ny Dr Davidson sy niara-niasa taminy; izy no ray niteraka ny Dr Andrianaly.

Any Sambaina izy no milevina. Andrianaly (1840-1886)

Andriandambonavalona, ilay zanak’ Andriandambozozoro tao Sambaina dia maro anaka ka ny zanany vavimatoa dia Razakatsihono, nitondra fanjakana, ary ny zanany lahy dia Rasavolahy zokiny (milevina ao Ambatovinaky Antananarivo) sy Rasavolahy zandriny (milevina any Ambohidrano andrefana).

Dokotera voalohany nahavita fianarana tany Edimburg, Angletera Andrianaly; rehefa tafaverina dia noraisin’ ny fanjakana ho dokotera mpitsabo. Tamin’ ny 14 aprily 1881 no nampakatra ho vady an-dRasendranoro, rahavavin-dRanavalona III izy. Nisy fiampangana azy ho nandronjin-doha an-dRasendranoro, izay heloka mahafaty; tsy novonoina anefa izy fa nalefa sesitany tany Ambohimandroso - Tsienimparihy-Betsileo. Tamin’ ny 1885 dia nakarina taty Antananarivo izy natao mpitsabo miaramila tany Manjakandrianombana, izay indray vao nitsabo marary tao an-tranony tao Ambatovinaky - Antananarivo. Maro ny olona nanatona azy fa tsara fanahy izy sady mahay. Maty tampoka tamin’ ny 23 jolay 1886, ary nalevina ao amin’ ny fasany ao Ambatovinaky ihany.

Tags:

Sambaina

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Harena an-kibon' ny tanyGoaikaBodisma vajraianaLibànaFatrana500Safet SušićThucydidesshantouRepoblika Demôkratikan' i Kôngô901Ravalomanana MarcEtikaVavaka dimy fanao isan' andro (silamo)Zanatanin' i Madagasikara sy ny tany miankinaSiciliaLa RéunionMistery masinaBetsileoSan-MarînoCalonne-RicouartRadama VoalohanyFikambanana Iraisam-pirenena ny FrankôfôniaMaorisyRalaimongo JeanLegiomaDroza'''Thierry Chartroux'''Repoblika Demokratika MalagasyFanambadianaAbu Dhabi (emirata)Fitrandrahana alaAdaloLalan-jazaAleksandriaRenisoratraHaisoratraSakamalaoFanahy (kolontsaina malagasy)Anglô-Saksôna (vahoaka)SalvadôroItaliaJohn Adams50 CentAviréVaryAntiziônismaEmpira Neô-AsirianaLalana (sikidy)DarceyBokin' ny EkleziastikaRofiaFanjakan' AndriamanitraFiteny jeôrjianaFanalana vintanaSaryGabe NewellRaminiaKôngô-BrazzavilleFiangonana ôrtôdôksa tatsinananaEvanjelisma eto MadagasikaraBokin' i IsaiaHazokesikaFiloham-pirenena sy mpanjakan'i Madagasikara1805Steam (serivisy)MontangesTetiandro🡆 More