Andriamanitra Ao Amin' Ny Kristianisma

Andriamanitra, araka ny finoana kristiana, dia ilay Andriamanitra tokana resahina aoamin' ny Baiboly.

Nandova ny fiveheverana sasany ao amin' ny jodaisma ny kristianisma noho izy nampiasa ny boky masin' ny jodaisma, dia ny Testamenta Taloha ao amin' ny Baiboly. Nisy fiovany izany fiheverana izany taorian' ny niainan' i Jesoa Kristy teto an-tany izay ataon' ny Kristiana fa zanak' Andriamanitra tonga nofo sady ilay Mesia resahin' ireo mpaminany sady nadrasana hatramin' izay. Niteraka fikorontanan' ny finoana an' Andriamanitra tokana, araka ny ampianarin' ny jodaisma, izany fivoasana vaovao ny Soratra Masina izany, izay tsy ny Testamenta Taloha ihany fa ny Testamenta Vaovao koa sy ny boky sasany atao hoe apôkrifa na pseodepigrafa.

Andriamanitra Trinite

Taty aoriana, tamin' ny taonjato faha-4, dia lanin' ny maro an'isa tamin' ireo eveka nivory nandritra ny Kônsily tao Nikea ny tenim-pinoan' ny Trinite izay mihevitra an' Andriamanitra ho tokana nefa manana persôna telo, dia ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Noraiketina tao amin' ny fanekem-pinoana nikeana izany sady nohamafisina tamin' ny kônsily hafa taty aoriana koa. Andriamanitra ny Ray, Andriamanitra ny Zanaka, Andriamanitra ny Fanahy Masina, hoy izy ireo nefa tokana Andriamanitra. Ny tenim-pinoan' ny Trinite dia miaro ny maha tokana an' Andriamanitra sady mampivohitra ny fananan' io Andriamanitra io persôna telo izay samy manana ny anjara asany tamin' ny famoronana izao tontolo izao sy amin' ny famonjena ny olombelona.

Tsy mora ny mahazo ny tiana ho lazaina amin' ny hoe persôna satria tsy azo lazaina tanteraka ho fomba fiseho samihafan' ilay Andriamanitra tokana izany araka ny hita amin' ny tantaran' ny fampanjakana ny tenim-pinoan' ny Trinite izay nanamelohana fampianarana toy ny môdalisma sy ny dôketisma ary ny maro hafa koa. Niteraka fisamatsamahan' ny kristianisma nandritra ny tantarany hatramin' izao izany toe-javatra izany. Ny Katôlika sy ny ankamaroan' ny Prôtestanta ary ny Ortôdôksa dia mino ny Trinite.

Andriamanitra tsy Trinite

Tsy ny fiangonana kristiana rehetra no manaiky an' izany fiheverana an' i Jesoa sy ny Fanahy Masina ho Andriamanitra izany. Tsy mifanaraka amin' ny mônôteisma ny fampianarana ny Trinite hoy ny antokom-pivavahana kristiana sasany isan' ireo niforona taorian' ny Reformasiona (na Refôrma). Maro ireo fiangonana manohitra ny Trinite ka mihevitra an' i Jesoa ho Mesia fotsiny fa tsy Andriamanitra, ary ny Fanahy Masina ho hery entin' Andriamanitra miasa. Manohana ny atao hoe onitarisma izy ireo, izany hoe tsy persôna telo Andriamanitra fa tokana. Maro ireo fivavahana kristiana niforona taty aoriana izay manohitra ny Trinite, ka isan' ireny ny Vavolombelon’i Jehovah.

Jereo koa

Tags:

Andriamanitra tokanaApokrifan'ny BaibolyBaibolyFahatongavana ho nofo (kristianisma)Jesoa KristyJodaismaKristianismaMesiaMpaminanyMônôteismaPseodepigrafa (protestantisma)Soratra MasinaTestamenta TalohaTestamenta VaovaoZanak'Andriamanitra

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Bokin' i JôsoaFaritra ItasyAngleteraJulius ErvingZanak' Andriamanitra (maro)SokatraKabary famangianaÔseaniaEpistily katôlikaMpampiankina fehezankevitraBetsimisarakaFaritra eto MadagasikaraFiteny rosianaFiraisana ara-nofoHasina (zavamaniry)SeptambraKor'anyBaiboly katôlikaZanaka' Andriamanitra (maro)ForyGottesheimChéronvilliersKevin DurantFitodika mpifanaoFanjanahantanyAnaranaVolahavana GermaineAndriamahatindriarivoBaskin-RobbinsAostralia1992JesoaBrennilisSihanakaAntandroyNew YorkUsclas-d'HéraultFiaran' ny FanekenaAdy Lehibe FaharoaAlahamadibeFisoronana sy fanalana vintanaRasoherinaAudeloncourtFanahy Masina (kristianisma)Tovo J'HaySaint-Laurent-la-ConcheRaminiaTanyISO 3166-1MellacApôstôly roa ambin' ny foloAsorotanyMazdeismaAndevilleAllahTaom-baovao malagasyIsaaka zanak' i AbrahamaFamadihanaSiansaRepoblika Fahefatra (Madagasikara)Vohitr' andrianaKokolampoVanimpotoan' ny Tempoly FaharoaFahaterahanaDavida (mpanjaka)Terry SchmidtRepoblikan' i Madagasikara (1992-2009)TaquaraListe des indicatifs téléphoniques internationaux par pays🡆 More