Ady Hova-Frantsay

Ny Ady Hova-Frantsay (antsoina koa hoe ny Ady Malagasy-Frantsay) dia ny fanafihanana nataon’ ny Frantsay an’ i Madagasikara teo anelanelan’ ny taona 1883 sy 1896 ary nitondra ny fanonganana ny fanjakana Merina, izay nahatonga an’ i Madagasikara ho lasa zanatany frantsay.

Ny hova dia anarana saranga anatin’ ny foko Merina.

Ady Hova-Frantsay
Afisy frantsay momba ny “Ady any Madagasikara”

Ady Hova-Frantsay voalohany

Natafihan' i Frantsa i Madagasikara tamin' ny 1883 ary teo ny fanombohana fantatra ny ady Hova-Frantsay voalohany. Tapitra tamin' ny fanasoniavana ny Fifaneken' i Toamasina tamin' ny Janoary 1886 ny ady. Verin' i Fanjakan'i Madagasikara ny tanànan' Antsiranana (Diego-Suarez) any amin' ny morontsiraka avaratra ary nandoa 10 tapitrisa franc tamin' i Frantsa. Nisy 'Taratasy Fanazavana' niaraka tamin' ilay fifanekena izay manazava lalindalina kokoa ilay fifanekena, kanefa tsy natolotra tany amin' ny Antenimieram-pirenena Frantsay ilay taratasy talohan' ny fanasoniavana ary ny fankasitrahan' i Madagasikara azy. Ilay fifanekena voasonian' ny Fanjakana dia nahafahan' i Frantsa nitondra ny fifandraisan' i Madagasikara tany ivelany, anefa mbola tsy voambara tamin' ny fomba ôfisialy ny fiantoham-piarovana.

Ady Hova-Frantsay Faharoa

Ady Hova-Frantsay 
Basy malagasy (1898), any amin' ny Muséum d'histoire naturelle de La Rochelle

Ny Ady Hova-Frantsay faharoa (amin' ny teny frantsay L'Expédition de Madagascar) dia nanomboka tamin' ny 1894 ary nifarana tamin' ny 1895. Ny fandresen' ny Frantsay no ny fiafaran' ny Ady hova-frantsay faharoa.

Tonga tany Madagasikara ny tafika nalefan' i jeneraly Jacques Duchesne. Notifirina tamin' ny tafondro ary notafihana ireo seranana malagasy amin' ny amorontsiraka andrefana (Mahajanga, 1894) ary atsinanana (Toamasina, 1895). Nametra-tongotra an-tany ireo tarika, fa tonga tamin' ny volana Mey ny taona 1895 ny ankamaroan' ny tafika, izany hoe olona dimy arivo sy iray alina (15 000) ary mpitondra enina arivo. Nandritry ny andro fahavaratra ny fanafihan' ny Frantsay an' i Madagasikara, ary betsaka ny matin' ny aretina taoriana.

Taorian' ny nahatongavan' ny Frantsay, nikomy ireo foko malagasy tanindrana. Maro samihafa ny antom-pikomian' ireo foko malagasy tanindrana: asa anterivozona, governemanta, kristianizasiôna.

Nandroso ihany ny Frantsay nankany Antananarivo, voatery namboatra lalana izy ireo nandritry ny fandrosoany. Tamin' ny 1895, eo antsasa-dalana ny frantsay, any Andriba, be bamba (fortification) anefa tsy dia nisy ady firy. Ampahatelon' ny Frantsay no matin' ny aretina isan-karazany: tazo, disanteria ary fanaviana tifôida. Amin' ny farany, olona enina arivo no maty nandritra ilay fanafihana, frantsay no 4/5 ny izy ireo.

Nanandrana nanohitra ny Frantsay ny tany Tsarasaotra ny tafik' i Rainilaiarivony tamin' ny 29 Jiona 1895, ary tany Andriba tamin' ny 22 Aogositra 1895. Nanandrana nanafika ny "colonne volante" an' i Duchesne i Rainilaiarivony tamin' ny volana Septambra, fa matin' ny tafika frantsay ny mpitifitra havanana malagasy.

Ny miaramila ao amin' Vilay "colonne volante" dia miaramila avy any Afrika Frantsay, avy any Aljeria ary miaramila frantsay ao amin' ny Marine ; nitondra ramole izy ireo hitondra ny entany. Tonga tao an-drenivohitra izy ireo tamin' ny faran' ny volana septambra. Natodika tany amin' ny Rova ny tafondro, mitifitra obus ary nahafaty miaramila merina maro dia maro. Taorian' ny tifitra volaohany, tonga dia mitolo-batana avy hatrany ny Mpanjakavavy.

Nandritra ilay ady, 25 fotsiny no isan' ireo Frantsay matin' ny ady.

Jereo koa

Tsiahy

Tags:

Ady Hova-Frantsay voalohanyAdy Hova-Frantsay FaharoaAdy Hova-Frantsay Jereo koaAdy Hova-FrantsayFanjakan' ImerinaHovaMadagasikaraMerina

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Fitoerana masinaFiteny italianaSarah BernhardtÔrientalisma (siansa)AostraliaAdy Mangatsiaka2008Randriamamonjy FrédéricAziaJudd ApatowAdin' ny Britanika sy ny Frantsay teto MadagasikaraAngatra (aretina)MasoandroHenri RatsimbazafyFanjakan' ImerinaOzbekistànaSatanaGovernemantaVolahavana GermaineKabary famangianaToamasinaFloridaFanahin' ny vatanaRakotozandry DanielDistrika eto MadagasikaraFirenenaMaha virjiny mandrakizay an' i MariaMasikoroFanahyFanalana faditraFanambadianaAl-Nasa'iFilazantsara araka an' i MatioMônakôFokon' i EfraimaZakaiosyZava-mahadomelinaPaoly (apôstôly)Arsidiôsezin' i FianarantsoaTetiandroFiteny frantsayFiangonana Adventista Mitandrina ny Andro FahafitoSaka2011Fanjakan'i BaroaKambin-tsikinaTestamenta VaovaoFiteny aromanianaFiteny loksemborgianaTabernakelyJentilisaVezoNtaoloFiteny tajikyOgandaFoko eto MadagasikaraSoratra Masina1988SakalavaFivarotana andevoFiteny frisianaIngosetiaTolom-bahoaka tamin' ny 19472002AndriamasinavalonaSaryTranon' i DavidaTakatraLosiferaTetiandro litorjika kristianaPôlônia🡆 More