Rain' Ny Fiangonana

Ny Rain' ny Fiangonana na Rain' ny Eglizy na Aban' ny Eglizy dia ireo mpanoratra kristiana teo anelanelan' ny taonjato faha-2 sy faha-7 nanao fampianarana nanana ny fahefany izay mbola tanana hatramin' izao.

Fepetra efatra no namaritan' ny Fiangonana ny mpanoratr' ireo taonjato ireo izay mendrika ny hahazo izany anaram-boninahitra izany:

  • olona niaina tamin' ny vanimpotoana voalohan' ny Fiangonana;
Rain' Ny Fiangonana
Rain' ny Fiangonana
  • olona niaina tanaty fahamasinana;
  • olona nanao asa soratra tsy ahitana fahadisoam-pampianarana sady misy fampahafantarana sy fanamarinana mafonja ny fampianaram-pinoana kristiana;
  • olona nahazo ny fankatoavan' ny Fiangonana.

Ankoatr' izany dia natao hoe nanana fifandraisana voaporofo tamin' ny Apôstôly ny Rain' ny Fiangonana na azo inoana ho izany tokoa ka ny sasany amin' izy ireo dia atao hoe Ray Apôstôlika. Ny Mpanoratra skôlastika no nandimby ny Rain' ny Fiangonana.

Ireo Rain' ny Fiangonana malaza

Ray apôstôlika

Rain' Ny Fiangonana 
I Klemento avy any Roma (papa Klemento I)

Ny Ray apôstôlika dia ireo mpianatra sy mpandimby ny Apôstôly roa ambin' ny folo. Ireo mpanoratra literatiora kristiana tamin’ ny fiteny grika sady maty maritiry ihany, ary ireo tena nalaza tamin' ny taonjato voalohany sy faha-2 no tondroina indrindra amin' ny hoe Ray apôstôlika. Ny soratr' izy ireo dia tsy nampidirina ho isan' ny boky ao amin' ny Baiboly nefa heverina fa fitohizan' ny soratr’ ireo apôstôly mamorona ny kanônan’ ny Testamenta Vaovao sady loharano saro-bidy amin' ny fahafantarana ny tantaran' ny fiangonana.

Ireto avy ireo Ray apôstôlika ireo:

Rain' ny Fiangonana grika

Rain' Ny Fiangonana 
I Klemento avy any Aleksandria

Ireo rain' ny fiangonana nanoratra tamin' ny fiteny grika no atao hoe "Rain' ny fiangonana grika". Ireto ireo Rain' ny fiangonana grika, atao hoe Ray grika, ireo:

Rain' ny Fiangonana latina

Rain' Ny Fiangonana 
Masindahy Aogostino, sary nataon'i Antonio Rodríguez.

Ireo rain' ny fiangonana nanoratra tamin' ny fiteny latina no atao hoe "Rain' ny fiangonana latina". Ireto ireo Rain' ny fiangonana latina izay atao hoe Ray latina ireo:

Rain' ny Fiangonana siriaka

Rain' Ny Fiangonana 
I Efrema Siriana, sary rosiana tamin'ny taonjato faha-16,

Ireo Rain' ny fiangonana izay nanoratra tamin' ny fiteny siriaka no atao hoe "Rain' ny fiangonana siriaka" na "Ray siriaka". Maro amin' ny asa soratr' izy ireo no nadika tamin' ny fiteny grika sy tamin' ny fiteny latina. Ireto avy ireo Rain' ny fiangonana siriaka ireo, izay tsy maro:

Rain' ny Fiangonan' ny tany efitra

Rain' Ny Fiangonana 
Masindahy Paoly avy any Tebay, sary nataon'i José de Ribera, taona 1640.

Ny Rain' ny Fiangonan' ny tany efitra dia ireo Rain' ny fiangonana izay niaina tany amin' ny tany efitr' i Egipta. Na dia tsy dia nanoratra maro tahaka ireo Rain' ny fiangonana hafa aza izy ireo dia nisy akony lehibe teo amin' ny fivavahana kristiana ny zavatra nosoratany. Maro amin' ny zavatra nolazain' izy ireo no voangoana ao amin' ny boky atao hoe Apophthegmata Patrum ("Tenin' ny Rain' ny Fiangonan' ny tany efitra"). Ireto ny Rain' ny fiangonana tany an' efitra:

Ny fandalinana momba ny Rain' ny Fiangonana

Ny taranja sy ny haisoratra momba ny Rain' ny Fiangonana dia atao hoe patristika sy patrôlôjia. Ny teny hoe patristika sy patrôlôjia dia samy avy amin' ny teny grika hoe patḗr na teny latina hoe pater (izay samy midika hoe "ray").

Ny patristika

Ny patristika dia taranja andalinana ny fiainana sy ny asa ary ny fampianaram-pinoanan' ny Rain' ny Fiangonana, izany hoe ny tantaran'izy ireo. Matetika dia mifangaro ny hevitry ny hoe patristika sy patrôlôjia.

Ny patrôlôjia

Ny patrôlôjia kosa dia teny enti-manondro ny fitambaran' ny asa soratry ny Rain' ny Fiangonana, ary io teny io dia manondro koa ny fitambaran' ny asa soratra andalinana ireo asa soratra ireo. Avahana noho izany ny patrôlôjia latina sy ny patrôlôjia grika. Ny patristika dia misy karazana literatiora maro (fanaovana hevi-teny, toriteny, sns) izay miorina kokoa amin' ny Baiboly, "fahefana fara tampony" izay halalinina amin' ny heviny ara-bakiteny sy ara-tantara ary indrindra amin' ny heviny ara-panahy (alegôrika).

Jereo koa

Tags:

Rain' Ny Fiangonana Ireo Rain ny Fiangonana malazaRain' Ny Fiangonana Ny fandalinana momba ny Rain ny FiangonanaRain' Ny Fiangonana Jereo koaRain' Ny Fiangonana

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Lloyd KaufmanMarovatoUEspainaFisaraham-pahefanaSinaFamadihanaFanambaràna ny hevitry ny nofyOnjan-drano1954Fiangonana ôrtôdôksa tatsinananaKôngô-BrazzavilleAntandroyRepoblika Fahefatra (Madagasikara)Pôlinezia Frantsay748MetafizikaVikingy (vahoaka)Vanim-potoana kristianaSlôvakiaFiteny tiorkaHindoismaSoavalyFiteny katalànaArjentina19421960FitampohaFidangan' ny vidim-piainanaAnjara (finoana)Filazantsara sinôptikaNy Avana RamanantoaninaMôsikaoZairaFivavahan-drazana malagasyFiteny grikaHoditraJerosalema Andrefana6 AogositraAndrianaIndiaSakramenta ao amin' ny fiangonana katôlikaAndriamasinavalonaTeôlôjiaBatismaFiangonana kalkedônianaFanambadianaAveloWikipedia amin'ny teny malagasyFilazantsaraFanavaozana prôtestantaBaolina kitraMasoandro17 MartsaNelson MandelaVolanaTantaraHarin-karena faobeFiteny romantsaEzekiela1737Lisitry ny firenenaGoogleDavid N'GogKônfesySabelio1855Bokin' ny SalamoOlombelonaSekolyLisitr' ireo mpanjaka merina🡆 More