Ôrtôdôksa

Ny teny hoe ôrtôdôksa dia ampiasaina hanondroana fireham-pivavahana heverin' ny mpomba azy fa manaraka ny tena izy.

Ao amin' ny fivavahana kristiana dia anisan' ireo fiangonana tatsinanana ny fiangonana ôrtôdôksa izay misampana maro. Ao amin' ny fivavahan-drazan' ny Jiosy dia ahitana ny jodaisma ôrtôdôksa.

Kristianisma ôrtôdôksa

Maro dia maro ireo fiangonana atao hoe "ôrtôdôksa" ka ireto ny sasany aminy:

Fiangonana ôrtôdôksa tatsinanana

Ny Fiangonana ôrtôdôksa tatsinanana na Fiangonana ôrtôdôksa katôlika izay fantatra indrindra amin' ny anarana fohy hoe Fiangonana ôrtôdôksa dia iray amin' ireo fiangonana tranainy indrindra. Fiombonam-piangonana ôrtôdôksa maromaro izay samy niorina araka ny kônsily fito nifandimby izay atao hoe "Fiangonan' ny kônsily fito" izy. Ny ankamaroan' ny Fiangonana ôrtôdôksa tatsinanana dia hita ao Eorôpa Andrefana sy ao Grisia (na Gresy) ary ao Kaokazy.

Fiangonana ôrtôdôksa siriaka

Ny Fiangonana ôrtôdôksa siriaka na "Patriarkata ôrtôdôksa siriakan' i Antiôkia sy ny Atsinanana manontolo" dia isan' ny Fiangonana ôrtôdôksa tatsinanana (Fiangonan' ny Kônsily telo) izay manana ny renivohiny ao Antiôkia (na Antiôka).

Fiangonana ôrtôdôksa teoahedo

Fiangonana ôrtôdôksa teoahedo etiôpiana

Ny Fiangonana ôrtôdôksa etiôpiana na Fiangonana ôrtôdôksa teoahedo etiôpiana dia fiangonana antekalkedôniana niforona tao Etiôpia, mahaleo tena hatramin' ny taona 1959, izay miombona ao amin' ny Fiangonan' ny kônsily telo. Anisan' ny fiangonana kristiana tranainy indrindra maneran-tany izy satria efa niforona tany amin' ny taonjato faha-4. Anisan' ny boky kanônikany ny Bokin' ny Fiakaran' i Isaia sy ny Bokin' ny Jobily ary ny Bokin' i Henôka.

Fiangonana ôrtôdôksa teoahedo eritreana

Ny Fiangonana ôrtôdôksa teoahedo eritreana dia fiangonana antekalkedôniana mahaleotena. Miombona ao amin' ny Fiangonan' ny kônsily telo izy. Teo ambany fahefan' ny Fiangonana etiôpiana ôrtôdôksa io fiangonana io taloha nefa nifarana tamin' ny taona 1993 izany rehefa nahaleo tena izy.

Fiangonana ôrtôdôksa kôptan' i Aleksandria

Ny Fiangonana ôrtôdôksa kôptan' i Aleksandria dia fiangonana ôrtôdôksa tatsinanana, tsy kalkedôniana sady mahaleo tena. Anisan' ny Fiangonan' ny kônsily telo izy.

Fiangonana ôrtôdôksa manaraka fomba tandrefana

Ny Fiangonana ôrtôdôksa manaraka fomba tandrefana dia tsy isan' ny Fiangonana ôrtôdôksa tatsinanana na ny Fiangonana ôrtôdôksa atsinanana.

Fiangonana ôrtôdôksa presbiteriana

  • Fiangonana ôrtôdôksa presbiteriana

Fiombonana ôrtôdôksa atsinanana

Fiangonana ôrtôdôksa atsinanana

Ny Fiangonana ôrtôdôksa atsinanana, izay fantatra koa amin' ny anarana hoe "Fiangonana tsy kalkedôniana" na "Fiangonana tsy kalsedôniana", dia ireo fiangonana kristiana tranainy niorina araka ny Kônsilin' i Nikea (taona 325) sy ny Kônsily voalohan' i Kônstantinôpôly (taona 381) ka indraindray atao hoe "Fiangonan' ny kônsily roa" na "Fiangonan' ny kônsily telo". Tsy isan' ny Fiangonana ôrtôdôksa atsinanana izany ireo atao hoe "Fiangonanan' ny kônsily fito", izany hoe ny Fiangonana ôrtôdôksa tatsinanana.

Jodaisma

Jodaisma ôrtôdôksa

Ny jodaisma ôrtôdôksa dia firehan' ny jodaisma rabinika izay mihevitra ny tenany ho hany mandray tokoa ny finoana sy ny fanaon' ny Jiosy mandala ny Lalàna voasoratra sy ny Lalàna am-bava nampitain' i Mosesy teo amin' ny tendrombohitra Sinay (na Sinaia), miaraka amin' ny fivoasana ireo lalàna ireo.

Jodaisma ôrtôdôksa vaovao

Tags:

Ôrtôdôksa Kristianisma ôrtôdôksaÔrtôdôksa JodaismaÔrtôdôksaFiangonana TatsinananaFiangonana ôrtôdôksaJodaisma ôrtôdôksaKristianisma

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Lisitry ny gazety ao MadagasikaraZefania (mpaminany)Mpitsara ao amin' ny BaibolyBokin'i JosoaAsombolaEkoadôraFady (malagasy)Fisoronana sy fanalana vintana(3241) YeshuhuaMediana (vahoaka)SinaFiteny antandroyBokin' i IsaiaFiteny neerlandeyMponinaFihetseham-poVarotraFandraisanaSoson-drivotraFiteny frantsayFanabeazanaFiteny bengalyAbrahama (patriarka)AllahTantaran' ny Repoblika Demôkratikan' i KôngôMangahazoTorrentAmbohidrabibyFitiavanaLeó SzilárdFaritanin' i MahajangaFiteny singaley39AlaskaRasoherinaMerinaJodeaJesoa araka ny kristianismaAkangaTopisiHawaiiFanalana faditraVoankazo voararaHaisoratraIliya TzarskiOra (tanana tamin'ny Andro Taloha)Patriarka (ao amin' ny Baiboly)James FrancoKansas City, MissouriAdy Arabo-IsraelianaBaolina kitraIsmaelismaFrançois XavierRepoblika Entim-Bahoakan' i SinaMôntenegrôAlohotsyLos AngelesMpanjakan' i IsraelyVoanjoboryBokin' ny mpaminany (Baiboly)EokaristiaFiangonana Malagasy Tranozozoro AntranobirikyAdijadyFanekem-pinoanaMario CastoldiFaritra Matsiatra AmbonyDiakraWaltham, MassachusettsFiteny okrainianaMaria (renin' i Jesoa)Iemena🡆 More