I Laôsy na Laôsa dia firenena ao Azia Atsimo-Atsinanana.
Ny renivohiny dia i Vientiane. Ny tanàna lehibe indrindra dia ny renivohiny. Mirefy 236 800 km2 ny velarantaniny ary miisa 6 500 000 ny mponiny araka ny fanisana natao tamin' ny taona 2012. Ny faritr' ora dia +7.
I Laôsy no hany firenena ao amin' ny Saikanosy Indôsinoa tsy manana morontsiraka. Be tendrombohitra i Laôsy, ary ny ampahany be amin' ny taniny dia rakotra ala, ahitana hazo sarobidy isan-karazany. Ny korian-drano dia mifandray amin' ny ony Mekong izay iray amin’ ireo ony lavabe any Azia.
Maro dia maro ny karazam-bahoaka hita ao Laôsy. Ny ankamaroan' ny mponina any dia Bodista sady tambanivohitra (80 %).
Miompana amin' ny fambolena ny toekaren' i Laôsy. Ao amin' ireo faritra be tany lonaka manodidina an' i Mekong no anatanterahana ny karazam-boly toy ny kafe, ny katsaka, ny landihazo, ny legioma, ny paraky ary ny vary.
Firenena ao Azia:
Afganistàna - Arabia Saodita - Armenia - Azerbaijàna - Bangladesy - Bareina - Botàna - Broney - Emirata Arabo Mitambatra - Filipina - Iemena - India - Indônezia - Iràka - Iràna - Israely - Japàna - Jôrdania - Kambôdia - Katara - Kazakstàna - Kirgizistàna - Kôety - Kôrea Atsimo - Kôrea Avaratra - Laôsy - Libàna - Maldiva - Malezia - Mianmara - Môngôlia - Nepaly - Ômàna - Ozbekistàna - Pakistàna - Palestina (fanjakana) - Rosia - Sina - Singaporo - Siria - Srilanka - Tailandy - Taioàna - Tajikistàna - Torkia - Torkmenistàna - Vietnamy.
Kôntinenta eto an-tany
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Laôsy, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.