Senegaly

I Senegaly dia firenena ao Afrika Andrefana, manana morontsiraka ao amin' ny Ranomasimbe Atlantika, manana velarana mirefy 196 722 km².

I Dakar no renivohiny. Manodidina tanteraka an' i Gambia i Senegaly. Iva ny tanin' i Senegaly, izay vakivakin' ny ony Sénégal (mirefy 1 600 km, manasaraka azy amin' i Maoritania ao avaratra) sy ny ony Gambia (ao atsimo).

Senegaly
Sainan' i Senegaly
Senegaly
Toerana misy an' i Senegaly eto amin' izao tontlo izao
Senegaly
Sarin-tanin' i Senegaly

Ny tapany avaratr' i Senegaly dia ao amin' ny faritr' i Sahel, izay rakotra hivoka anirian-kazo madinika, ny tapany atsimo kosa dia rakotra alan-jana-pehin-tany mikitroka sy mando. Manana toetanin-jana-pehin-tany i Senegaly. Atao hore Senegaley ny vahoakan' io firenena io.

Ahitana vondrom-poko maro ny vahoaka senegaley, ka ny lehibe aminy dia ny Vôlôfo, ny Folany ary ny Malinke. Ny fivavahana silamo no fivavahan' ny vahoaka maro anisa any.

Miopana amin' ny fambolena sy ny fiompiana ny toekaren' i Senegaly, indrindra ny fambolena voanjo. Anisan' ny asa fiveloman' ny maro any koa ny jono. Monina a-morontsiraka ny ankamaroan' ny mponina, indrindra any amin' ny faritra afovoany misy fambolena voanjo. Anisan' ny olana eo amin' ny fambolena ny haintany. Mampandroso ny fambolena voatabia sy vary ary fary koa ny any Senegaly. Mandroso koa ny sehatry ny fizahàn-tany.

Zanatany frantsay taloha i Senegaly izay nahazo ny fahaleova-tenany tamin' ny taona 1960. Ny fiteny frantsay, ny fiteny oôlôfo, ny fiteny serere, ny fiteny mande ary ny fiteny folany no fiteny ôfisialin' i Senegaly.

Jereo koa

Firenena ao Afrika:

Afrika Atsimo - Alzeria - Angôla - Benino - Borkina Fasô - Borondy - Bôtsoana - Ejipta - Eritrea - Esoatiny (Soazilandy taloha) - Etiôpia - Gabôna - Gambia - Ganà - Ginea - Ginea Bisao - Ginea Ekoatôrialy - Jibotỳ - Kamerona - Kapvera - Kenia - Kômôro - Kôtidivoara - Lezôtô - Liberia - Libia - Madagasikara - Malaoy - Malỳ - Maorisy - Maoritania - Marôka - Môzambika - Namibia - Nizera - Nizerià - Oganda - Repoblika Arabo Saharaoy Demôkratika - Repoblika Demôkratikan' i Kôngô - Repoblikan' i Afrika Afovoany - Repoblikan' i Kôngô - Roanda - Saô Tôme e Prinsipe - Seisely - Senegaly - Siera Leôna - Sodàna - Sodàna Atsimo - Sômalia - Sômalilandy - Tanzania - Tôgô - Tonizia - Tsady - Zambia - Zimbaboe


Kôntinenta eto an-tany

Tags:

Afrika AndrefanaDakarGambiaGambia (ony)MaoritaniaRanomasimbe AtlantikaSénégal (ony)

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Foko eto MadagasikaraGaliaVohimasina NordImamoTantara ny Andriana eto MadagasikaraSaolySahih al-TirmidhiDivayKabary tera-baoKuleFamoranaFitiavan-tanindrazanaFitampohaNizeriàHerinandroNGC 2608Belo HorizonteSikidy malagasyOrsa pôlaraSilamoEpistilin' i PaolyKońskowolaHaranita-tsaina voatrolombelonaEkôsy1940VohiposaKilamba-KiaxiKolikolyIngosetiaFifohazana (kristianisma malagasy)Phil JacksonÔmànaLa BazeugeIsraelySiddhartha GautamaZivaOlombelonaRindrankajy malalakaHugo ChávezTaboryFamantarana ny fiavian' ny andron' ny fitsaranaViratySelaFandroahana fanahy ratsy26 OktobraPaskaLisitry ny zavatra madinidinika 60001-61000Mouvement Démocratique de la Rénovation MalgacheAbdellatif FellainiAnglikanisma1745Fiteny (heviny mivelatra)FrantsaLisitry ny zavatra madinidinika 3001-4000SakramentaCourbevoieMpandrindra milinaLalàn' i MosesyTeteTaom-baovao malagasyNiassaSiliaPalestininaSahih MuslimRambondanitraFrancis DrakeHenôkaVlorëFiangonana Protestanta Vaovao eto Madagasikara13 Oktobra1960Fivavahan-drazana malagasy🡆 More