Maoritania

I Maoritania dia firenena ao amin' ny tapany avaratr' i Afrika Andrefana, izay manana morontsirana ao amin' ny Ranomasimbe Atlantika, manana velarana mirefy 1 031 000 km².

Atao hoe Maoritaniana ny vahoakan' io firenena io.

Maoritania
Sainan' i Maoritania
Maoritania
Satin-tany maneho an' i Maoritania eto amin' izao tontolo izao

I Maoritania dia tany ihaonan’ i Magreba sy i Afrika atsimon' i Sahara. Be tany efitra i Maoritania: ny 2/3 amin' ny taniny dia ao amin' ny tany efitr' i Sahara. Mahatratra 38 °C ny hafanana mandritra ny enim-bolana mahery amin' ny andro fa mangatsiatsiaka kosa ny alina. Manana toetany antonony ny faritra a-morontsiraka.

Maoritania
Sarin-tanin' i Maoritania

Ny mponin' i Maoritania dia ahitana Arabo-Berbera (izay atao hoe Maora) sy Afrikana mainty hoditra. Monina an-tanàn-dehibe ny antsasaky ny mponina na dia mbola manjaka ny fonenana ambanivohitra sy ny fifindrafidrà-monina anatiny. Saika ny vahoaka maoritaniana rehetra no manaraka ny fivavahana silamo.

Miompana amin' ny fiompiana andiam-biby fiompy ny toekaren' i Maoritania. Mandroso ny fifanakalozana eo ammin' ny faritra avaratra karankaina sy ny faritra atsimo be hivoka ao amin' io firenena io. Tsy hita ny fambolena raha tsy amin' ny toerana lonaka maromaro afovoan' ny tany efitra (ôazisy) sy amin' ny faritra atsimo. Na izany aza dia ianjadian' ny haintany sy ny fitomboan' ny tany efitra ny fambolena any amin' io firenena io. Anisan' ny mampidi-bola any koa ny fitrandrahana harena an-kibon' ny tany (indrindra ny vy) sy ny raharaham-barotra ary ny jono.

Ny fiteny arabo hasanià sy ny fiteny vôlôfo no fiteny ôfisialy any Maoritania.

Jereo koa

Firenena ao Afrika:

Afrika Atsimo - Alzeria - Angôla - Benîno - Borkina Fasô - Borondy - Bôtsoana - Ejipta - Eritrea - Esoatiny (Soazilandy taloha) - Etiôpia - Gabôna - Gambia - Ganà - Ginea - Ginea Bisao - Ginea Ekoatôrialy - Jibotỳ - Kamerona - Kapvera - Kenia - Kômôro - Kôtidivoara - Lezôtô - Liberia - Libia - Madagasikara - Malaoy - Malỳ - Maorisy - Maoritania - Marôka - Môzambika - Namibia - Nizera - Nizeria - Oganda - Repoblika Arabo Saharaoy Demôkratika - Repoblika Demôkratikan' i Kôngô - Repoblikan' i Afrika Afovoany - Repoblikan' i Kôngô - Roanda - Saô Tôme e Prinsipe - Seisely - Senegaly - Siera Leôna - Sodàna - Sodàna Atsimo - Sômalia - Sômalilandy - Tanzania - Tôgô - Tonizia - Tsady - Zambia - Zimbaboe

Kôntinenta eto an-tany

Tags:

Afrika AndrefanaRanomasimbe Atlantika

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Kabary tera-bao1927Betsileo1942IsraelyAndrianaMianmaraSakramenta ao amin' ny fiangonana katôlikaMosesy MaimonidaFinlandy2003Frantsa200624 FebroaryFiangonana Jesosy MamonjySeptambraAfrikaFanambadianaWayback MachineBolgariaMadagasikara zanatany frantsayTestamenta TalohaAberdeen, South DakotaÔksizeninaJibotỳIstanbulMaoritaniaZanahary (finoan-drazana malagasy)AdaoroOnjan-dranoRanavalona II1855IsaJerosalema AndrefanaTesalônikaVanim-potoana kristianaAterinetoSabelioHavatsa-UPEMFahefana mpanao lalànaSilamoFivavahanaBezanozanoEglizy katôlika rômaninaSamuel RatanySeleokosy IFanahy MasinaFanenomanaLatakiaFandraisanaAdizaozaJodaismaJiosyTrombaLalànaSekolyLisitry ny filohan' i Madagasikara9 MartsaMeyMohamadyAntankaranaAbelaAntambahoakaFilazantsara araka an' i MarkaApôstôly roa ambin' ny folo2007Anjara (finoana)Fiteny finoàPôlitikaFahitalavitraSan FranciscoLloyd KaufmanMasoandroAndriamasinavalona🡆 More