Gambia

I Gambia dia firenena ao Afrika Andrefana izay manana morontsiraka amin' ny Ranomasimbe Atlantika.

I Banjul no renivohiny. Mirefy 11 295 km² ny velaran-taniny. Nisy mponina 2 173 999 tao Gambia tamin' ny taona 2020 ka 192 mp./km2 ny hakitroky ny mponina. Atao hoe Gambiana ny vahoakan' io firenena io.

Gambia
Sainan' i Gambia
Gambia
Sarin-tanin' i Gambia (voahodidin' ny tanin' i Senegaly)

Saika ao anatin' ny tanin' i Senegaly, afa-tsy ny tapany mitodika any Atlantika, i Gambia. Mamakivaky azy ny ony Gambia. Anisan' ireo firenena kely ao Afrika izy. Nahazo ny fahalevan-tenany i Gambia tamin' ny taona 1965.

Ny vahoaka gambiana dia fitambarana vondrom-poko maromaro, ka ireto ny lehibe indrindra: ny Malinke (40 %),ny Folany, ny Vôlôfo, ny Sôninke ary ny Diolà. Manaraka ny fivavahana silamo mifagaro finoan-drazana afrikana ny 95 %n' ny Gambiana; vitsy ihany ny Kristiana.

Gambia
I Gambia eo anivon' izao tontolo izao

Mpamboly ny ankamaroan' ny Gambiana nefa ianjadian' ny toetany maina io firenena io.

Gambia
Sarin-tanin' i Gambia

Ny fiteny anglisy no fiteny ôfisialin' i Gambia na dia miteny mandinga, vôlôfo, peola, sôninke, serera, kriô sy maro hafa ny mponina ao. Miteny frantsay ihany koa ny Gambiana.

Jereo koa

  • Fiteny ao Gambia
  • Vahoaka ao Gambia

Firenena ao Afrika:

Afrika Atsimo - Alzeria - Angôla - Benîno - Borkina Fasô - Borondy - Bôtsoana - Ejipta - Eritrea - Esoatiny (Soazilandy taloha) - Etiôpia - Gabôna - Gambia - Ganà - Ginea - Ginea Bisao - Ginea Ekoatôrialy - Jibotỳ - Kamerona - Kapvera - Kenia - Kômôro - Kôtidivoara - Lezôtô - Liberia - Libia - Madagasikara - Malaoy - Malỳ - Maorisy - Maoritania - Marôka - Môzambika - Namibia - Nizera - Nizeria - Oganda - Repoblika Arabo Saharaoy Demôkratika - Repoblika Demôkratikan' i Kôngô - Repoblikan' i Afrika Afovoany - Repoblikan' i Kôngô - Roanda - Saô Tôme e Prinsipe - Seisely - Senegaly - Siera Leôna - Sodàna - Sodàna Atsimo - Sômalia - Sômalilandy - Tanzania - Tôgô - Tonizia - Tsady - Zambia - Zimbaboe


Kôntinenta eto an-tany

Tags:

Afrika AndrefanaRanomasimbe Atlantika

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

KaremyKrimeaSokajin-tenyLisitry ny zavatra madinidinika 65001-66000MamoriarivoFrancisco Javier Muñoz LlompartBakteria1936FatranaFiteny tamilyAndriamangariraWiki FoundationEuro1927SaryOhabolanaArkeôlôjia5 DesambraMediaWikiLivronKuleAntemoroRepoblika Demokratika MalagasyDavida (mpanjaka)Lisitry ny zavatra madinidinika 24001-25000WordPressLandry ChauvinNanjingZon' olombelonaMouvement Démocratique de la Rénovation MalgacheTaom-baovao malagasyL'Express de MadagascarSukabumiArsène WengerFiadiana ny tompondaka eran-tany ho an’ny kitra 2010Calvin Coolidge530Vintana (finoan-drazana malagasy)AmontanaKristianisma eto MadagasikaraPedro II an'i Brazila2006Radama IIFamakafakanaEpistilin' i PaolyWoodie Flowers200917 MartsaLa BazeugeNizeriàOnjam-peoFisoronana sy fanalana vintanaTômasy avy any AkoinoFirenena Mpiara-Dia tamin' ny Ady Lehibe VoalohanyAziaFaritra eto MadagasikaraFilazantsara araka an' i LiokaJodasy IskariôtaLisitry ny zavatra madinidinika 60001-61000Muhammad al-BukhariFitohananaJack LondonVohiposaSakramentaAostralia6 FebroaryLeopold II, mpanjakan' i Belzika2015697Raki-pahalalanaAtômaMatignyKabary famangiana🡆 More