Demôkrasia

[[Sary:Mandela voting in 1994.jpg|vignette|Sarin' i Nelson Mandela nandatsa-bato tamin' ny fifidianana tamin' ny taona 1994.

Sambany i Mandela no nandray anjara amin' ny fifidianana teo amin' ny fiainany. Ity sary ity dia nalaina tao amin' ny Ohlange School, any Inanda, any Durban ao Afrika Atsimo Ny demôkrasia dia karazana fitondram-panjakana ahitana rafitra ahafahan' ny vahoaka manapa-kevitra momba ny fomba tokony hitondrana ny vondrom-bahoaka na ny firenena na ny fikambanam-pirenena misy azy. Avy amin' ny teny grika hoe δημοκρατία / dēmokratía, izay midika hoe "fanjakan' ny vahoaka" na "fitondram-bahoaka" ny teny hoe demôkrasia.

Ny karazana demôkrasia mahazatra dia ny demôkrasia amin' ny alalan' ny solontena (mpitondra fanjakana) izay fidin' ny olom-pirenena, mba hanapa-kevitra mikasika ny lalàna. Atao isaky ny taona vitsivitsy ny fifidianana ny solontena. Amin' izany fotoana izany dia izay mahazo vato be indrindra no mandresy ary lany hamita ny andraikitra ankinina aminy, mandra-pahatongan' ny fifidianana manaraka.

Ampahany manan-danja ao amin' ny demôkrasian-tsolontena ny antoko pôlitika. Mpikambana ao amina antoko pôlitika na ao amina fikambanana iombonan' ny mpanao pôlitika mitovy hevitra momba ny zavatra tokony hatao ny mpanao pôlitika. Noho izany, eo amin' ny fifidianana dia olona iray fotsiny no fidin' ny olom-pirenena, ny antoko pôlitika misy azy koa. Manao fanamafisana ny demôkrasia matetika ny fanjakana iray mba hahamarin-toerana ny demôkrasia.

Ny demôkrasia, izay manana ny foto-kevitra hoe "fitondrana vahoaka sy sahanin' ny vahoaka ary ho an' ny vahoaka", ohatra dia lazaina fa "mivantana", rehefa omena andraikitra tokoa ny vahoaka amin' ny fanapahan-kevitra rehetra mifandraika amin' ny vondrom-bahoaka, na "misy solontena", rehefa manolotra an-kalalahana ny fahefana hitondra amin' ny olom-boafidy ny vahoaka. Sady heverina ho soatoavina, mamorona tanjona hotratrarina (fahafahan' ny rehetra tanterahina ao anatin' ny fandaminana iombonana), no ho teknikam-pitondram-panjakana ny demôkrasia izay miseho amin' ny môdely sy endrika maro samihafa.

Tondro

Demôkrasia 
Sarintany maneho ny tondron' ny demôkrasia navoakan' ny Economist Intelligence Unit tamin' ny taona 2022: arakaraka ny maha-maitso ny firenena no iheverana azy ho demôkratika kokoa.

Tsy misy fomba famaritana ny demôkrasia iaraha-manaiky, fa ny tondro tena ilaina dia ny fitovian-jo sy ny fahafahana ara-pôlitika ary ny fanjakana tan-dalàna. Ireo fototra ireo dia hita taratra amin' ny hoe "samy mitovy zo eo anatrehan' ny lalàna ny olom-pirenena rehetra". Ao amin' ny demôkrasian-tsolontena dia mitovy lanja avokoa ny vato alatsaka, tsy misy famerana diso tafahoatra amin' ny olona izay te ho solontena, ary koa ny fahafahan' ny olom-pirenena hanana zo dia arovan' ny lalàmpanorenana.

Ny fanjakan' ny maro anisa indrindra ihany koa dia anisan' ny tondron' ny demôkrasia. Izany anefa dia mahatonga ny antoko pôlitika madinika ho voagejan' ny "antoko pôlitika lehibe", rehefa tsy misy ny fiarovana ny zon' olon-tokana na na ny zon' ny fikambanan' olona.

Jereo koa

Tags:

Afrika AtsimoDurbanFiteny grikaFitondram-panjakanaNelson Mandela

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Didy Folo283VaryFanjakana MitambatraSeptoajintaAmôna-RaFrancis DrakeSingaporoTorkmenistànaDābbat al-ArḍFiteny ôfisialyAlahasatyAtômaTim HetheringtonVanim-potoana kristianaFrancisco Javier Muñoz LlompartWilliam ShakespeareNôrvezyWiki FoundationWoodie FlowersFamoranaLisitry ny filohan' i MadagasikaraEkôsy22 NovambraBorondy2020FahotanaFandraisanaAmerikaKuleFiangonana Jesosy MamonjyVolana (fotoana)Raúl AlbiolRirinina1960KrimeaAlexander PushkinRalaimongo JeanFiteny pôlôneyAostraliaFahavaratra9 DesambraMir Alisher NavoïLouis-Claude Vincent1587ÉcoivresTorontoAntarktikaHypertext Markup LanguageAzôtaSahih MuslimFirenena Mpiara-Dia tamin' ny Ady Lehibe VoalohanyFiraisana ara-nofoPablo EscobarBokin' i HenôkaLisitry ny zavatra madinidinika 44001-45000Fihafanan'ny tanyMaebashiBielôrosiaEskatôlôjiaAterinetoHerbert Eugene IvesShanghai1833La BazeugeJodaismaMarumsco, VirginiaEmpira Ôtômàna26 Oktobra697KômonismaAndoni GoikoetxeaFivavahana abrahamika🡆 More