Silamo Sofisma

Ny sofisma dia fitambaran' ireo finoana sy fanao ary fomba fijery mistika sy ezôterika ao amin' ny tontolon' ny fivavahana silamo nanomboka tamin' ny tonjato faha-11.

Na dia Sonita ny ankamaroan' ny Sofy (mpanaraka ny sofisma) voalohany dia tsy sampana manokan' ny finoana silamo ny sofisma satria ahitana Siita sy mpino silamo hafa koa. Avy amin' ny teny arabo hoe تصوّف / taṣṣawuf ny hoe sofisma. Ny sofisma dia lalanam-pisandratan' ny fanahy amin' ny alalan' ny fianarana atao hoe tassawuf na tariqa.

Silamo Sofisma

Ao amin' ny fanambaràn' ny Kor'any sy ny ohatra nasehon' i Mohamady no misy ny fototry ny sofisma, ka azo atao ny milaza fa efa teo izy hatramin' ny fiantombohan' ireo fanambaràna ara-paminanian' ny finoana silamo. Tao amin' ny sonisma aloha no nahitana azy avy eo ao amin' ny siisma koa na dia miseho amin' ny fomba samy hafa izy ao amin' ireo sampan' ny finoana silamo ireo.

Hatramin' ny fiantombohan' ny finoana silamo dia nisy Olema sy mpanam-pahaizana silamo toa an' i Ibn Khaldûn nanohitra izay nolazain' izy ireo ho fiviliana na fivaon' ny sofisma, ka nanaovany fitsikerana momba ny fanao ara-pivavahana sy amin' ny tenim-pinoana (dôgma). Ankehitriny dia manohitra tateraka ny sofisma ny oahabisma.

Tags:

Fiteny araboFivavahana silamoSiismaSonisma

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

TanzaniaBirikyPer Brinch Hansen748Ranavalona IIEzekielaFokon' i DanaVolana (fotoana)Ry Tanindrazanay malala ôFiteny espaniôlaSodànaZone FrancDanemarkaFamoronana (finoana sy fedrà)KônfesyJean NarivonyHaisoratraEorôpaRabatHiragasyKabary famangianaFiteny alemànaZairaTantaran' i AlemainaFisaraham-pahefanaFiteny katalànaEpifaniaIsaAbbasabad, MazandaranFiangonana Protestanta Vaovao eto MadagasikaraTetiandro24 FebroarySokyAberdeen, South DakotaBenito MussoliniTranombakokaPôlitika eto MadagasikaraFanjanahantanyArjentinaAl-BiruniTantaran' ny kristianisma22 AprilyKor'anyApôlinariôsy avy any LaôdikeaFady (malagasy)BezanozanoSlôvakiaBokyHasanabad, ReyDidy FoloLozan' ny fananana iombonanaOzbekistàna1970AostraliaKôngô-BrazzavilleFiteny hebreoEpistily ho an' ny RômanaFrantsaMianmaraLambamenaSoavalyGambiaLalan-jazaAzia andrefana800Lisitry ny filohan' i MadagasikaraTantaran' ny Repoblika Demôkratikan' i KôngôAzôtaMpampiankin-tenyMetafizikaOnjan-drano153FitampohaFandriam-pahalemanaFiteny grika🡆 More