Ny fiteny sanskrity na sanskrita (संस्कृतम / saṃskr̥tam) dia fiteny anisan' ny fanakaviam-piteny indô-eorôpeanina ao amin' ny fianakaviam-piteny indô-arianina any India.
Misy teny mbola ampiasain' ny fianakaviana Brahmàna sy sekoly spiritoalista. Ny manam-pahaizana indiana sasany dia mbola miteny sy mamoaka boky na manao valandresaka amin' io fiteny io. Ny fiteny sanskrity dia ampiasaina indrindra amin' ny lahatsoratra ara-pivavahana hindoa sy bodista ary amin' ny lahatsoratra siantifika. Ny fanisana natao tamin' ny taona 1981 dia nahitana fa miisa 6 100 ny olona miteny sanskrita ary tamin' ny taona 1961 dia tany amin' ny 194 400 ny isan' ny olona nilaza fa miteny sanskrity ka manao azy ho fiteny faharoa. Iray amin' ny fiteny ôfisialy ao India ny fiteny sanskrity.
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Fiteny sanskrity, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.