Letônia

I Letônia na Latvia na Repoblikan' i Letônia na Repoblikan' i Latvia dia firenena ao Eorôpa Avaratra-Atsinanana, manana morontsiraka ao amin’ ny Ranomasina Baltika.

Ny renivohiny dia i Riga. Ny tanàna lehibe indrindra dia ny renivohiny.

Letônia
Sainan' i Letônia
Letônia
Sarintanin' i Letônia

Mirefy 64 589 km2 ny velaran-taniny ary 2 013 400 ny isan' ny mponiny araka ny fanisana natao tamin' ny taona 2013. Ny faritr'ora dia +2. Isan' ireo atao hoe Firenena Balta na Fanjakana Baltika ao Eorôpa Avaratra i Letônia (manampy an’ i Estônia sy i Litoania). Mamaritra azy avy ao avaratra ny Helodranon' i Riga, izay sampan' ny Ranomasina Baltika, sy i Estônia, ao atsinanana i Rosia, ao atsimo i Bielôrosia sy i Litoania, ary ao andrefana ny Ranomasina Baltika.

Letônia
Sarin-tanin' i Letônia

I Letônia dia firenena be tany lemaka. Rakotra ala ny 25 %n’ ny velaran-taniny.

Mahatratra iray ampahatelon’ ny mponina ao Letônia ny Rosiana. Ny fiteny letôna sy ny fiteny rosiana no fiteny be mpampiasa ao Letônia, ka ny fiteny letôna no fiteny ôfisialy ao.

Ny Liva na Livôniana no razamben’ ny Letôna: tao amin’ ny faritra misy an’ i Letônia ankehitriny no nisehoan’ izy ireo voalohany tamin’ ny taonjato faha-9. Nanomboka tamin’ ny taonjato faha-13 dia niaritra ny fanjakazakana mifadimby nataon’ ny tafika sy ny fitondràm-pivavahana jermanika sy ny Pôlôney ary ny Soedoà izy ireo. Tamin’ ny taona 1795 i Letônia dia teo ambany fifehezan’ i Rosia. Nanambara ny fahaleovan-tenany izy tamin’ ny taona 1918, nefa tsy nifarana ny fahefan’ ny Sôvietika taminy raha tsy tamin’ ny taona 1991, satria anisan' ireo repoblika sôsialista sôvietika taloha izy, izay tsy nahazo ny fahaleovan-tenany avy tamin' ny Firaisana Sôvietika tamin' io taona io. Niditra tao amin’ ny Vondrona Eorôpeana izy tamin’ ny taona 2004.

Jereo koa

Firenena ao Eorôpa

Kôntinenta eto an-tany

Tags:

Eorôpa Avaratra-AtsinananaRanomasina BaltikaRiga

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

FJKM Tranovato AmbatonakangaPalestinaFrancis DrakeMir Alisher NavoïMouhammad al-BoukhârîSiberiaFamakafakanaDivayDemôkrasiaLisitry ny filohan' i MadagasikaraSão José da VarginhaImamoSeranam-piaramanidin'i London HeathrowTeôlôjian' ny hazo fijalianaVohimasina NordFamantarana ny fiavian' ny andron' ny fitsaranaWiki FoundationSaolyGibraltaraFameno (fitsipiteny)Lisitry ny zavatra madinidinika 100001-101000Landry ChauvinFiangonan' i Jesoa Kristy eto MadagasikaraAdimizanaCarlos CorreaRirininaMuhammad al-BukhariSukabumiLisitr' ireo mpanjaka merinaPaska jiosyNampula (faritany)TononkaloRalamboRaúl AlbiolAndriamanitra (tokana)26 MartsaLisitry ny zavatra madinidinika 136001-137000AostraliaVladimir LeninApôkrifan' ny BaibolyEskatôlôjiaVanoFahoriana lehibeFiteny tamilyFiangonana Protestanta Vaovao eto MadagasikaraSahih al-TirmidhiJinyMoctezuma IIPhil Jackson22 NovambraTantaran' ny kristianismaFandraisana9 DesambraBakteria1745MamoriarivoFiteny jeôrjiana6 JonaBrienne-sur-AisneAppleMarshall LeffertsDerek JeterWayback MachineIbn Hajar al-AsqalaniBouquemaisonFanalan-jazaTetiandro gregôrianaSamuel RatanyEkôsyBokin' ny mpaminany (Baiboly)Alahasaty🡆 More