Fiteny Nôrveziana

Ny fiteny nôrveziana dia fiteny jermanika tenenina ao Nôrvezy izay nanam-pototra ara-tantara avy amin' ny fiteny nôroà tranainy, izay nampiasaina hatramin' ny Andro Taloha tany Skandinavia.

Ny Nôrveziana dia miantso ny fiteniny hoe norsk. Ny fiteny nôroà tranainy dia razana mivantan' ny fiteny danoà sy ny fiteny soedoà izay tenenina ankehitriny sady nisy akony azo tsapain-tanana amin' ny fiteny anglisy tranainy izay nipoiran' ny fiteny anglisy ankehitriny. Misy voambolana sasany izay azon' ny fiteny nôrmàna tranainy tamin' ny fiteny nôroà.

Ny fiteny nôrveziana ankehitriny dia miseho amin' ny endrika isam-paritra maro izay manana fahasamihafana mitovy amin' ny fahasamihafany amin' ny fiteny danoà sy ny fiteny soedoà. Misy fisehony samy ara-penitra roa ny fiteny nôrveziana, dia ny fiteny bôkmaly (bokmål) sy ny fiteny ninôrska (nynorsk).

Ireo fiteny roa ireo dia fiteny nôrveziana namboarina, ka ny voalohany (bôkmaly) dia manakaiky ny fitenim-paritra ao amin' ny faritra atsimo-atsinanana (faritr' i Oslo) fa ny faharoa kosa (ninôrska) dia manakaiky ny fitenim-paritra ao amin' ny morontsiraka andrefana. Arakaraka ny fanakaikezana ireo faritra ireo ny ampiasana ireo endri-piteny roa ireo amin' ny fanoratana.

Jereo koa

Fiteny jermanika be mpiteny

Tags:

Andro TalohaFiteny anglisyFiteny danoàFiteny soedoàNôrvezySampam-piteny jermanikaSkandinavia

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Fiangonana Loterana MalagasyBezanozanoRaminiaVolahavana GermaineRova ManjakamiadanaKolontsaina malagasyEpistily ho an' ny Filipiana427Maley (vahoaka)AndrianaAlakamisy AmbohijatoFromazyIgor StravinskyFikambanana Apokalypsy eto MadagasikaraVoahangyFitsipi-pitenenanaAdizaozaFanomezana fiton' ny Fanahy MasinaRanavalona IIITabernakelyRadama VoalohanyJim KuroseUnited States Department of StateFiraisana ara-nofoAntananarivoAndranofito799Sonja HenieTV plus MadagascarJean-Paul Belmondo2000Ranavalona ILabieraTetiandro litorjika kristianaKabaryNôrvezyMadagasikaraBatisaLoka NobelFiombonan' ny Fiangonana Kristiana eto MadagasikaraEmboka manitraEncyclopædia BritannicaDokuWikiAhidamboBaiboly katôlikaSakramenta ao amin' ny fiangonana katôlikaBoky faharoan' ny MakabeoOmbyFrévin-CapelleKalandrie persanaJesoaImerina efa-toko1750Solosaina684LiokaEintracht BraunschweigBokin' ny TantaraFanambaràna Iraisam-Pirenena momba ny Zon' OlombelonaDox (Jean Verdi Salomon Razakandrainy)Fitsipiteny malagasyFisaraham-pahefanaDebianKristianisma eto MadagasikaraNazismaEpistily ho an' ny RômanaBetsileoJeannette Wing🡆 More