I Abkazia na ny Repoblikan' i Abkazia dia firenena eo anelanelan’ ireo tendrombohitr’ i Kaokazy sy ny moron’ ny Ranomasina Mainty izay nanambara ny fahaleovan-tenany samirery avy tamin’ i Jeôrjia tamin’ ny taona 1992.
Atao hoe Аҧсны / Apsny na Аҧсны Аҳәынҭқарра / Apsny Ahwyntkarra izy amin' ny teny abkazy; Абхазия / Abxazija na Республика Абхазия / Respublika Abxazija amin’ ny teny rosiana.
Izany fahaleovan-tena izany, ankehitriny dia ankatoavin’ ny firenena fito fotsiny ny maha firenena mahaleo tena azy, dia i Rosia, i Nikaragoa, i Venezoela, i Naoro, i Tovalo, i Vanoato, ary i Siria. I Vanoato sy i Tovalo anefa niala amin’ izany fankatoavana izany taty aoriana. Amin’ ny Firenena Mikambana dia isan’ ny tanin’ i Jeôrjia i Abkazia, izay maha "Repoblika Mizaka Tenan’ i Abkazia" azy.
Firenena ao Eorôpa
Albania - Alemaina - Andôra - Aotrisy - Belzika - Bielôrosia - Bolgaria - Bôsnia-Herzegôvina - Danemarka - Espaina - Estônia - Fanjakana Mitambatra - Finlandy - Frantsa - Grisia (na Gresy) - Hôngria (na Hongaria) - Irlanda - Islandy - Italia - Jeôrjia - Kipra (na Sipra) - Krôasia (na Krôatia) - Letônia - Liktenstaina - Litoania - Loksemborga - Masedônia Avaratra (na Makedônia Avaratra)- Malta - Môldavia - Môntenegrô - Nederlandy - Nôrvezy - Okraina - Pôlônia - Pôrtogaly - Tsekia - Romania - Rosia - San-Marîno - Serbia - Slôvakia - Slôvenia - Soeda - Soisa - Tsekia - Vatikàna.
Ireo firenana ao Eorôpa mbola misy tsy mankato ny maha firenena azy
Abkazia (misy tapany ao Azia) - Karabaga Ambony (misy tapany ao Azia) - Kipra Avaratra (na Sipra Avaratra) - Kôsôvô - Ôsetia Atsimo - Transnistria
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Abkazia, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.