Siera Leôna

I Siera Leôna dia firenena ao Afrika Andrefana, izay manana morontsiraka ao amin' ny Ranomasimbe Atlantika, manana velaran-tany mirefy 71 740 km².

I Freetown no renivohiny. Atao hoe Sieraleôney ny vahoakan' ity firenena ity.

Siera Leôna
Sainan' i Siera Leôna
Siera Leôna
I Siera Leôna eo anivon' izao tontolo izao
Siera Leôna
Sarin-tanin' i Siera Leôna

Tany lemaka amorontsiraka midadasika no mandrafitra ny vohon-tanin' i Siera Leôna, izay mivelatra amin' ny halavana mirefy 80 km ao afovoan-tany. Anjakan' ny lembalemba sy ny tangorom-bohitra ny ao atsinanana. Maro ny renirano manondraka ny tanin' i Siera Leôna.

Betsaka ny karazam-biby any amin' io firenena io, ka anisan' izany ny antilôpa, ny elefanta, ny voay, ny lalomena ary ny rajako. Ahitana karazam-borona maro koa ao.

Miozolmàna ny ankamaroan' ny mponina any Siera Leôna (60 %), maro koa ny manaraka ny fivavahan-drazana afrikana animista.

Miompana amin' ny fambolena ny toekaren' i Siera Leôna, ka anisan' ny volena any ny vary, ny kafe ary ny kakaô. Anisan' ireo tany voalohany mpamokatra vato sarobidy sy diamondra i Siera Leôna.  

Zanatany britanika taloha i Siera Leôna, tamin' ny taona 1961 no nahazoany ny fahakeovan-tenany. Nandrotika an' ity firenena ity ny ady an-trano tamin' ny taona 1990 hatramin' ny taoa 2001. Mpikambana ao amin' ny Commonwealth izy. Ny fiteny anglisy no fiteny ôfisialiny.

Jereo koa

Firenena ao Afrika:

Afrika Atsimo - Alzeria - Angôla - Benino - Borkina Fasô - Borondy - Bôtsoana - Ejipta - Eritrea - Esoatiny (Soazilandy taloha) - Etiôpia - Gabôna - Gambia - Ganà - Ginea - Ginea Bisao - Ginea Ekoatôrialy - Jibotỳ - Kamerona - Kapvera - Kenia - Kômôro - Kôtidivoara - Lezôtô - Liberia - Libia - Madagasikara - Malaoy - Malỳ - Maorisy - Maoritania - Marôka - Môzambika - Namibia - Nizera - Nizeria - Oganda - Repoblika Arabo Saharaoy Demôkratika - Repoblika Demôkratikan' i Kôngô - Repoblikan' i Afrika Afovoany - Repoblikan' i Kôngô - Roanda - Saô Tôme e Prinsipe - Seisely - Senegaly - Siera Leôna - Sodàna - Sodàna Atsimo - Sômalia - Sômalilandy - Tanzania - Tôgô - Tonizia - Tsady - Zambia - Zimbaboe

Kôntinenta eto an-tany

Tags:

Afrika AndrefanaFreetownRanomasimbe Atlantika

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

HiragasyFiangonan' i Jesoa Kristy eto MadagasikaraLisitry ny zavatra madinidinika 136001-137000MediaWiki14 JolayVanim-potoana mesianikaLakandranon' i SuezKolikoly26 Oktobra1782FampianaranaBielôrosiaKyiv20151587Kurt Gödel283NGC 2608Lisitry ny zavatra madinidinika 7001-80001193TantaraSamuel RatanyMpitsara ao amin' ny Baiboly(2984) ChaucerVoanjoLouisianaFifohazana (kristianisma malagasy)Sahih al-BukhariSrilankaVanim-potoana kristianaAnjara asa (fitsipiteny)Radama IILisitry ny zavatra madinidinika 100001-101000BMWBatisaPaska jiosyAhmed Salah HosnyKrimeaFaritra AndroyXi'anSeranam-piaramanidin'i London HeathrowPôntio Pilato22 NovambraHazo fijalianaMadagasikaraAmerika LatinaMineraly31 MartsaMamoriarivoAndriamangariraFitsanganan' i Jesoa ho velonaMenalambaSampy (malagasy)Derek Jeter1936Tanindrazana, Fahafahana, FandrosoanaFizaran-taonaLevy (zanak' i Jakôba)MaleziaLandry ChauvinSakramentaVolana (fotoana)WikimaniaBakteriaLarreule, Pyrénées-AtlantiquesVladimir LeninFanalan-jazaFJKM Tranovato AmbatonakangaDrônaVanoApplePôlitika eto Madagasikara🡆 More