Sahara

I Sahara dia tany efitra lehibe ao amin' ny tapany avaratra amin' i Afrika izay mivelatra avy any amin' ny Ranomasimbe Atlantika hatrany amin' ny Ranomasina Mena, izy no tany efitra lehibe indrindra eto ambonin' ny tany izay manana sakany mirefy 1 500 km sy halava mirefy 5 200 km avy any atsinanana miankandrefana ary velerana 9 000 000 km2, ka ny 200 000 km2 dia ahitana tany azo volena tsindraindray.

Firenena iraika ambin' ny folo no mitsinjara an' i Sahara, dia i Marôka sy i Aljeria sy i Tonizia sy i Libia sy i Ejipta sy i Maoritania sy i Malý sy i Nijera sy i Tsady sy i Sodàna ary i Sahara Andrefana.

Sahara
Sarin' i Sahara nalain' ny satelita avy eny ambony

I Sahara dia atao hoe الصحراء الكبرى al-Ṣaḥrāʾ al-Kubrā amin' ny fiteny arabo, fa ⵜⵉⵏⵉⵔⵉ / Tiniri na Tenere kosa amin' ny fiteny berbera.

Taloha elabe dia faritra mando i Sahara, araka ny sary hosodoko hita tao amin' io faritra io, nefa ankehitriny dia lasa tany efitra mafana indrindra eto amin' izao tontolo izao izy. Natao lalana ho an' ny raharaham-barotra i Sahara taloha ka tandaha-biby mpitatitra no niantoka izany teo anelanelan' i Afrika Avaratra sy i Afrika atsimon' i Sahara. Mandray anjara amin' ny fiharian-karena maneran-tany i Sahara noho ny fitrandrahana ny harena an-kibon' ny tany toy ny fôsfaty sy ny solitany hita ao hatramin' ny taonjato faha-20.

Jereo koa

Fizaram-paritra ao Afrika:

Faritra hafa:

Tags:

AfrikaAljeriaEjiptaLibiaMalỳMaoritaniaMarôkaNijeraRanomasimbe AtlantikaRanomasina MenaSahara AndrefanaSodànaTany efitraToniziaTsady

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

BatisaSabelioAzôtaTantaran' ny Repoblika Demôkratikan' i KôngôTaom-baovao malagasyIsraelyBaolina kitraHasanabad, ReyAfrika AfovoanyAndriamasinavalonaMalagasy (vahoaka)Zanabintana410MandravasarotraAl-Biruni1855Lozan' ny fananana iombonanaTantaraFambolenaMaoritaniaRepoblika Demôkratika Malagasy1963AdizaozaZairaTsekôslôvakiaEzekiela1953Fiteny malagasyFahefana mpanatanterakaIndiaTriniteGregoriosy avy any NisaMaorisyVolanaEvekaIsam-poninaFisaraham-pahefanaKharg (nosy)Paoly (apôstôly)BlaogyDidy FoloFaritany AmerikanaFiteny grikaFiteny anglisyAdy Lehibe FaharoaAdimizanaAntambahoakaAntananarivoHindoismaAntemoro19741200KataraQotbabadFiraisana ara-nofoVolamenaAlahamadyFiteny samôrôMats HummelsMosavy (finoana malagasy)TesalônikaSakramenta ao amin' ny fiangonana katôlikaRanoIsaRanavalona IIIAveloFiloham-pirenena sy mpanjakan'i MadagasikaraAnjara (finoana)SekolyFanahy MasinaAdijady🡆 More