Madilo

Ny madilo na kily na madiro dia karazana hazo ao amin' ny fianakaviana Fabaceae, sy ao amin' ny zana-karazana Caesalpinioideae, misy voany azo hanina izay zanatany aty Afrika trôpikaly.

Atao hoe Tamarindus indica ny anarany ara-tsiansa. Io no hany karazana ao amin' ny ao amin' ny vondron-karazana Tamarindus.

Madilo
Kily na madilo na madiro

Ny kily na madiro dia karazan-kazo maniry amin' ny faritra trôpikaly maina aty Afrika Atsinanana. Efa hatry ny elabe no nambolena azy tany Azia Atsimo ka avy any no niparitahany amin' ny faritra trôpikaly rehetra. Nisy vitsivitsy nampidirina tany Amerika Afovoany tamin' ny taonjato faha-16 ka miparitaka ao Meksika sy ao Hôndorasy ary Goatemala io hazo io amin' izao fotoana izao. Eto Madagasikara, indrindra ao amin' ny faritra nentim-paharazana misy ny Sakalava, dia heverina ho hazo masina ny kily na madiro, izay atao hoe "mpanjakan' ny hazo".

Madilo
Voamadilo

Hazo mety mahatratra 10 m hatramin' ny 20 m ny kily. Fohifohy ny vatany. Miadam-paniry izy sady velona maharitra ela. Maharitra ny raviny izay miisa hatramin' ny 24 isaky ny tahon-dravina. Manopy mavo ny voniny izay maniry midina amin' ny volana Mey ka mamoaka voa makirana amin' ny volana Ôktôbra.

Tags:

AfrikaFabaceae

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Tendrombohitra GarizimaSinaEoin HandVaryEuroLalana (sikidy)(102279) 1999 TS57AbidyAntisemitismaAdaloJobilyAblainzevelleVoankazo6 Janoary1600Fiteny newariTegucigalpaPoaceaeJese (rain' i Davida)ZairaRavalomanana MarcFangitra ara-jeografiaAntananarivoYann Arthus-BertrandKonsily voalohany tao KonstantinopolySeiselyAntemoroRepoblika Demokratika Malagasy(102825) 1999 VQ183MiddelburgDesambraRadama VoalohanyMaqbool Fida HusainYokohamaEmpira BizantinaAdy Lehibe VoalohanyRené DescartesAndriamasinavalona1830SardiniaAnglô-Saksôna (vahoaka)King VidorDōgenKanônan' ny BaibolyDoazonAristôty50 CentSamuel RatanyTwitterAhidamboFanjakan' ImerinaNjakatianaCalendario ebreoTestamenta VaovaoFaritanin' i FianarantsoaDidy FoloBligny-sur-OucheVirigninTranoVolana430ParasyMadagasikaraAgnyHoudelmontSilamo eto Madagasikara'''Thierry Chartroux'''FlorenciaLongueville, Pas-de-CalaisNenad KrstićArabia Saodita🡆 More