Bielôrosia

I Belôrosia dia firenena ao Eorôpa Atsinanana.

Ny renivohiny dia i Minsk. Ny tanàna lehibe indrindra dia ny renivohiny. Mirefy 207 595 km2 ny velaran-taniny ary niisa 9 457 500 ny mponina tao aminy. Ny faritr' ora dia +3. Firenena tsy manana morontsiraka i Bielôrosia. Tany lemaka midadasika no manjaka amin' ny vohon-taniny, izay matetika be honahona sady ahitana ala midadasika koa. Manana farihy sy ony ary renirano mihoatra ny iray alina izy.

Bielôrosia
Sainan' i Belarosia
Bielôrosia
Sarin-tany maneho an' i Bielôrosia ao Eorôpa

Ny Bielôrosiana no vahoaka maro an' isa mandrafitra ny mponina any Bielôrosia, manarakaraka azy ny Rosiana (mihoatra kely ny 10 %). Kristiana ôrtôdoksa ny ankamaroan’ ny mponina (80 %).

Miompana amin' ny taozava-baventy ny toekaren' i Bielôrosia. Sehatr' asa be mpisahana koa ny fambolena. Taorian' ny fipoahan' ny toby nokleary tany Tchernobyl tao Okraina dia 30 %n' ny tany no tratran' ny akora radiôaktiva ary 20 %n' ny tany no tsy azo ambolena.   

Bielôrosia
Sarin-tanin' i Bielôrosia

Repoblika sôsialista sôvietika taloha i Bielôrosia (tao amin' ny Firaisana Sôvietika), izay nahazo ny fahaleovan-tenany tamin’ ny taona 1991. Mpikambana ao amin’ ny Fiombonan’ ny Fanjakana Mahaleo Tena izy.

Jereo koa

Firenena ao Eorôpa

Albania - Alemaina - Andôra - Aotrisy - Belzika - Bielôrosia - Bolgaria - Bôsnia-Herzegôvina - Danemarka - Espaina - Estônia - Fanjakana Mitambatra - Finlandy - Frantsa - Grisia (na Gresy) - Hôngria (na Hongaria) - Irlanda - Islandy - Italia - Jeôrjia - Kipra (na Sipra) - Krôasia (na - Krôatia) - Letônia - Liktenstaina - Litoania - Loksemborga - Masedônia Avaratra (na Makedônia Avaratra)- Malta - Môldavia - Môntenegrô - Nederlandy - Nôrvezy - Okraina - Pôlônia - Pôrtogaly - Tsekia - Romania - Rosia - San-Marîno - Serbia - Slôvakia - Slôvenia - Soeda - Soisa - Tsekia - Vatikàna.

Kôntinenta eto an-tany

Bielôrosia 
Saritanin'i Belôrosia

Tags:

AlaEorôpa AtsinananaFarihyHonahonaMinskMorontsirakaOnyRenirano

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Testamenta Vaovao4261908Current eventsKanaana (faritra)Epistily ho an' ny EfesianaFanjakana (Beroroha)1802Edward James HarlandFameno (fitsipiteny)Sora-madinika800Sora-tsikidy malagasyAsan'ny fiangonana2 Desambra1900Fangitra ara-jeografiaAbu Dhabi (emirata)TerakaPapaSoi CheangHetsika Vokovoko Mena sy Tsinambolana Mena Iraisam-Pirenena20 AprilyOniversiteFiteny espaniôlaKing VidorAnkoay1815Tafika an-tanetyJobilyBokin' i HenôkaApplePorto AlegreAbbas JamalipourFanagasianaFaritanin' i ToliaraSampy (malagasy)VoankazoFiangonana ôrtôdôksa tatsinananaFaingo mihantonaHoratio NelsonFiteny antesakaKazakstànaDanemarkaAsabotsyAlahasatyFanabeazana aizanaFiteny okrainianaAkohoKiantenyBokin' i IsaiaKabary am-panambadianaWikiMeymandWalter GarganoPontio Pilato2021(10651) van LinschotenZavamaniry1905KinshasaX-SAMPAKatesizin' ny Fiangonana KatôlikaViennaFiteny jeôrjianaPará🡆 More