Ampemba

Ny ampemba na ampemby dia zavamaniry toy ny katsaka maniry amin’ ny faritra manana toetanin-jana-pehin-tany na toetany mediteraneana.

Ampiasaina indrindra ho hanin’ ny biby fiompy ny ampemba. Ny karazany sasany dia volena koa mba hohanin’ ny olona. Atao hoe Sorghum ny anarana siantifikan’ ny ampemba. Ny karazana ampemba fihinam-boa dia ny Sorghum durra  sy ny Sorghum subglabrescens ary ny Sorghum caffrorum. Ny ampemba fihinam-biby dia ny Sorghum vulgare sy ny Sorghum bicolor.

Ampemba
Salohin' ampemba (Sorghum bicolor)

Fielezan’ ny fambolena azy

Fiaviany sy fielezany

Ampemba 
Tanin' ampemba ao Addi Azmera, any Etiôpia

Mety tao Afrika no nanirian’ ny ampemba voalohany, dia ilay karazana ampemba atao amin’ ny anarana siantifika hoe Sorghum vulgare. Maniry amin’ ny faritra mafana ny ampemba nefa afaka maniry koa amin’ ny faritra manana toetany antonony. Niitatra manerana ny faritra eto amin’ izao tontolo izao manana toetany anelanelan’ ny zana-pehin-tany ny fambolena ampemba, hatrany amin’ ny faritra manana toetany antonony amin’ ny ila-bolantany atsimo sy avaratra.

Firenena mpamboly ampemba

Mamboly ampemba ny any amin’ ny firenena sasany tao amin’ ny Firaisana Sôvietika taloha, ny firenana toa an’ i Pôlônia, ny firenena maro aty Afrika, ny any Sina ary ny firenena ao Eorôpa Andrefana, indrindra i Alemaina.

Noho ny fatantezany hafanana sy haintany mandritra ny fotoana lava dia mety tsara amin’ ny lemaka midadasika ao Amerika Avaratra ny ampemba. Volena betsaka ao amin’ny faritra afovoany sy andrefan’ i Etazonia ny ampemba ka ahafahana mampitombo izaitsizy ny fampiasana ity zavamaniry ity ao amin’ io firenena io.

Toetrany sy fampiasana azy

Misy poizina

Mandra-pisian’ny voniny, ny ampemba dia misy gliokôzy izay mamokatra asidra sianidrika izay mahatonga azy hahafaty ny biby. Kely anefa ny asidra ao amin’ ny ampemba raha volena amin’ ny tany lonaka sy mitazona rano betsaka.

Fampiasana ny ampemba

Ankoatry ny fampiasana ny ampemba amin’ ny fanaovana sakafom-biby, dia atao sakafon’ olombelona ny voany izay potehina ho lasa koba na karakaraina ho lasa zavapisotro.

Jereo koa

Tags:

Ampemba Fielezan’ ny fambolena azyAmpemba Toetrany sy fampiasana azyAmpemba Jereo koaAmpembaKatsakaToetanin-jana-pehin-tanyToetany mediteraneanaZavamaniry

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Lisitry ny gazety ao MadagasikaraAsan' ny ApôstôlySun Yat-sen1200ItaliaEzekielaBatisaKolontsainaNikôdemôsyAntsirananaAndriantompokoindrindra (foko)FahaleovantenaISO 3166-1FianarantsoaRadama VoalohanyFaritra Atsimo-AndrefanaApôkalipsa Gnôstikan' i PieraFitsarana farany1971AlahasatyTobilehibe FarihimenaRazafinimanjaka RaketakaBoky faharoan' i HenôkaJodaismaFilazantsara araka an' i MarkaAsa (mpanjakan' i Jodà)AhidamboFahafatesanaEvanjelin' i BarnabàVadin' i MohamadyLloyd KaufmanFoko eto MadagasikaraFanatontoloanaRatsimilahoMadagasikaraBokin' i HenôkaFamadihanaOniversiteBoky fahadimin' ny MakabeoAndriamasinavalonaAfrikaFanekem-pinoanaRirininaSilamo eto MadagasikaraHaikyuÉmile DurkheimFatranaFacebookFiangonana Loterana MalagasyMozikaGoavy (zavamaniry)Bayer 04 LeverkusenRioFanjakan' ImerinaTononkaloTokyoLalan-jazaOhabolanaThe Coca-Cola CompanyRova ManjakamiadanaLisitry ny filohan' i MadagasikaraEndrika araka anjara asaFifohazana FarihimenaAdy an-tranoKofi AnnanWellington PointNatalie PortmanAntambahoakaZanatanin' i Madagasikara sy ny tany miankinaRafitra fitantanana votoatiny🡆 More