Aogositra

Ny volana Aogositra no volana fahavalo amin' ny taona ao amin' ny tetiandro joliana sy tetiandro gregôriana, ary io no volana fahadimy amin' ny volana fito maharitra 31 andro.

Avy amin' ny teny latina hoe Augustus io anarana io. Any amin' ny ila-bolantany avaratra, ny volana Aogositra dia ao amin' ny vanim-potoanan' ny fahavaratra tanteraka, fa ny any amin' ny ila-bolantany atsimo kosa dia ao amin' ny vanim-potoanan' ny ririnina. Ny volana Aogositra any amin' ny ila bolantany atsimo dia mitovy amin' ny volana Febroary any amin' ny ila bolantany avaratra.

Aogositra
Sarivongan' i Aogosto

Fiforonan-teny

Ny teny hoe Aogositra dia avy amin' ny teny anglisy hoe August, izay avy amin' ny teny latina hoe Augustus. Tamin' ny Andro Taloha dia io no volana fahenina tamin' ny tetiandro rômana, ary Sextilis no narany tamin' izany. Taty aoriana dia novana ho Augustus ny anarany.

Tantara

Ny volana Aogositra dia nantsoina amin' ny teny latina hoe Sextilis satria io no volana faha-6 tamin' ny tetiandro rômana misy volana folo tany am-boalohany tamin' ny andron' i Rômolo (Romulus) tamin' ny taona 753 tal. J.K., ka ny volana Marsa no volana voalohany ao amin' ny taona. Tokony ho tamin' ny taona 700 tal. J.K. dia lasa volana fahavalo ny volana Sextilis rehefa natovon' ny mpanjaka Noma Pômpilio (Numa Pompilius) tao amin' ny tetiandro eo alohan' ny volana Marsa ny volana Janoary sy Febroary, izay nanome an' io volana Sextilis io 29 andro koa.

Nanampy roa andro i Jolio Kaisara (Julius Caesar) tamin' ny namoronany ny tetiandro joliana tamin' ny 46 tal. J.K., ka nanome azy ny halavany maoderina 31 andro. Tamin' ny taona 8 tal. J.K. dia novana anarana io volana io ho fanomezam-boninahitra ny emperora Aogosto. Araka ny voalazan' ny fehin-kevitry ny Antenimieran-doholona rômana iray (senatus consultum) izay nataon' i Macrobius tonon-tsiahy dia nisafidy ity volana ity ny emperora satria tamin' io no fotoana nisian' ny fandreseny lehibe maro, anisan' izany ny fandreseny an' i Ejipta.

Ny tantara matetika miverimberina dia milaza fa nanana 31 andro ny volana Aogositra satria naniry ny hampitovy halavana ny volana Aogositra amin' ny halavan' ny volana Jolay an' i Jolio Kaisara i Aogosto, saingy zavatra noforonin' ilay manam-pahaizana Johannes de Sacrobosco (tamin' ny taonjato faha-13) izany. Ny Sextilis raha ny marina dia nisy 31 andro talohan' ny nanovana anarana azy.

Fomba amam-panao

Fomba amam-panao malagasy

Fantantsika fa maina ny tany aty Imerina raha tonga ny volana Aogositra. Ary malemilemy kokoa ny tazo noho ny amin' ny andro sasany. Ary mamboatra ny tanim-bary mba hanetsa ny vary vakiambiaty ny olona, raha tonga ny volana Aogositra.

Ireo zava-nitranga tamin' ny volana Aogositra

Jereo koa

Volana
Janoary | Febroary | Martsa | Aprily | Mey | Jona | Jolay | Aogositra | Septambra | Oktobra | Novambra | Desambra

Tags:

Aogositra Fiforonan-tenyAogositra TantaraAogositra Fomba amam-panaoAogositra Ireo zava-nitranga tamin ny volana Aogositra Jereo koaAogositraFahavaratraFiteny latinaIla-bolantanyRirininaTetiandro gregôrianaTetiandro joliana

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

TJean NarivonyAngleteraDokuWikiSakramenta ao amin' ny fiangonana katôlika22 AprilyEglizy katôlika rômaninaFirenenaDavid N'GogIranianina (vahoaka)FahasalamanaBiôgrafiaTantaran' i Madagasikara1200Onjan-dranoImmanuel KantPaska jiosyTsipi-panohizanaAsabotsyFoko eto MadagasikaraAlemainaBokin' ny SalamoLisitry ny teny ampiasaina amin' ny haitenyBokin' i EzekielaFikambanana Iraisam-pirenena ny FrankôfôniaTrondroAngôvoFibebahanaApôstôly roa ambin' ny foloNy Avana Ramanantoanina1971AterinetoGambiaKôlômbiaHavatsa-UPEMBaolina kitraFahefana mpanatanterakaAfrikaTorkiaEkoadôra1963Fanahin' ny vatana5 AprilyRivodozaBokin' i IsaiaFahefana Avon' ny TetezamitaFiangonan' i Jesoa Kristy eto MadagasikaraFifohazana AnkaramalazaPôlitika eto MadagasikaraAzerbaijànaEpifaniaVintana9 MartsaMosesy MaimonidaMahabad, IsfahanZanabintanaAnjara (finoana)FehezantenySoisaNosin'ny PaskaMesôpôtamiaKônfesyAntevatoLalànaOperaEzekielaFaraoFiangonana Loterana MalagasyRanavalona IMôralyAbelaISO 4217KalsiômaAntambahoakaIstanbulMosavy (finoana malagasy)Kodiarana🡆 More